1 ULB Yaveh niresaka tamin'i Mosesy. Hoy Izy hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Miresaha amin'i Arona. Teneno aminy hoe: 'Tokony hanome hazavana eo anoloan'ny fitoeran-jiro ireo jiro fito rehefa mampirehitra ireo ianao.'" BSB BSB: “Speak to Aaron and tell him: ‘When you set up the seven lamps, they are to light the area in front of the lampstand.’”
3 ULB Nanao izany Arona. Nampirehitra ny jiro teo amin'ny fitoeran-jiro izy mba hanome hazavana eo anoloan'izany, araka ny efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. BSB BSB: And Aaron did so; he set up the lamps facing toward the front of the lampstand, just as the LORD had commanded Moses.
4 ULB Tamin'izany fomba izany no nanaovana ny fitoeran-jiro ary Yaveh nampiseho an'i Mosesy ny lamina ho amin'izany. Izany dia volamena voatefy hatrany amin'ny fotony ka hatrany amin'ny tampony, niaraka tamin'ny vazy voasa tahaka ny voninkazo. BSB BSB: This is how the lampstand was constructed: it was made of hammered gold from its base to its blossoms, fashioned according to the pattern the LORD had shown Moses.
5 ULB Niresaka tamin'i Mosesy indray Yaveh. Hoy Izy hoe: BSB BSB: Again the LORD spoke to Moses, saying,
6 ULB "Alaivo avy eo amin'ireo vahoakan'Israely ny Levita ary diovy izy ireo. BSB BSB: “Take the Levites from among the Israelites and make them ceremonially clean.
7 ULB Ataovy amin'izy ireo izao mba hanadiovana azy ireo: Afafazo eo amin'izy ireo ny ranon'ny fanavotana. Asaivo manaratra ny vatany manontolo, manasa ny fitafiany izy ireo, ary amin'izany fomba izany no hanadiovana ny tenan'izy ireo. BSB BSB: This is what you must do to cleanse them: Sprinkle them with the water of purification. Have them shave their whole bodies and wash their clothes, and so purify themselves.
8 ULB Ary asaivo maka vantotr'ombilahy sy fanatitra voa miaraka amin'ny koba tsara toto mifangaro menaka izy ireo. Aoka izy ireo haka vantotr'ombilahy iray hafa ho fanatitra nohon'ny ota. BSB BSB: Then have them take a young bull with its grain offering of fine flour mixed with oil, and you are to take a second young bull for a sin offering.
9 ULB Hitondra ireo Levita eo alohan'ny trano-lay fihaonana sy hamory ny vondron'ny vahoakan'Israely rehetra ianao. BSB BSB: Bring the Levites before the Tent of Meeting and assemble the whole congregation of Israel.
10 ULB Rehefa mitondra ireo Levita eo anoloan'i Yaveh ianao, dia tsy maintsy mametraka ny tanany eo amin'ireo Levita ny vahoakan'Israely. BSB BSB: You are to present the Levites before the LORD and have the Israelites lay their hands upon them.
11 ULB Tsy maintsy atolotr'i Arona eo anatrehan'i Yaveh ireo Levita, toy ny fanatitra ahevaheva avy amin'ny vahoakan'Israely mba hahafahan'izy ireo manao ny fanompoana an'i Yaveh. BSB BSB: Aaron is to present the Levites before the LORD as a wave offering from the sons of Israel, so that they may perform the service of the LORD.
12 ULB Tsy maintsy apetrak'ireo Levita eo amin'ny lohan'ireo omby ny tanany. Tsy maintsy manolotra omby iray ho an'ny fanatitra nohon'ny ota ary omby hafa ho an'ny fanatitra dorana ho Ahy ianao, mba hanonerana ho an'ireo Levita. BSB BSB: And the Levites are to lay their hands on the heads of the bulls, and offer to the LORD one as a sin offering and the other as a burnt offering, to make atonement for the Levites.
13 ULB Asehoy eo anoloan'i Arona sy eo anoloan'ny zanany lahy ireo Levita ary asandrato ho fanatitra ahevaheva ho Ahy. BSB BSB: You are to have the Levites stand before Aaron and his sons and then present them before the LORD as a wave offering.
14 ULB Amin'io fomba io no tsy maintsy hanasarahanao ireo Levita amin'ny vahoakan'ny Israely. Ho Ahy ireo Levita. BSB BSB: In this way you shall separate the Levites from the rest of the Israelites, and the Levites will belong to Me.
15 ULB Manaraka izany, tsy maintsy mandeha manompo ao an-trano lain'ny fihaonana ireo Levita. Tsy maintsy manadio azy ireo ianao. Tsy maintsy atolotrao toy ny fanatitra ahevaheva izy ireo. BSB BSB: After you have cleansed them and presented them as a wave offering, they may come to serve at the Tent of Meeting.
16 ULB Ataovy izany, satria izy ireo dia Ahy tanteraka izay avy eo amin'ny vahoakan'Israely. Handray ny toeran'ny ankizy lahy tsirairay avy izay hateraka voalohany izy ireo, dia ny lahimatoan'ny taranak'Israely rehetra. Efa naka ireo Levita ho an'ny tenako Aho. BSB BSB: For the Levites have been wholly given to Me from among the sons of Israel. I have taken them for Myself in place of all who come first from the womb, the firstborn of all the sons of Israel.
17 ULB Ahy ny lahimatoa avy ao amin'ny vahoakan'Israely rehetra, mbamin'ny olona sy ny biby. Tamin'ny andro izay nakako ny ain'ny lahimatoa rehetra tao amin'ny tany Egypta, dia nanokana azy ireo ho Ahy Aho. BSB BSB: For every firstborn male in Israel is Mine, both man and beast. I set them apart for Myself on the day I struck down all the firstborn in the land of Egypt.
18 ULB Efa naka ireo Levita avy teo amin'ny vahoakan'Israely ho solon'ny lahimatoa rehetra Aho. BSB BSB: But I have taken the Levites in place of all the firstborn among the sons of Israel.
19 ULB Efa nanome ireo Levita ho fanomezana ho an'i Arona sy ireo zanany lahy Aho. Efa naka azy ireo avy teo amin'ny vahoakan'Israely mba hanao ny asan'ny vahoakan'Israely ao amin'ny trano-lay fihaonana Aho. Efa nanome azy ireo ho fanavotana ho an'ny vahoakan'Israely Aho mba tsy hisy areti-mandringana hamely ny vahoaka raha vao manakaiky ny toerana masina izy ireo." BSB BSB: And I have given the Levites as a gift to Aaron and his sons from among the Israelites, to perform the service for the Israelites at the Tent of Meeting and to make atonement on their behalf, so that no plague will come against the Israelites when they approach the sanctuary.”
20 ULB Mosesy, Arona, ary ny vondron'ny vahoakan'Israely manontolo nanao izany tamin'ireo Levita. Nanatanteraka ireo zavatra rehetra nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ny amin'ireo Levita izy ireo. Nanao izany niaraka tamin'izy ireo ny vahoakan'Israely. BSB BSB: So Moses, Aaron, and the whole congregation of Israel did with the Levites everything that the LORD had commanded Moses they should do.
21 ULB Nanadio ny tenany sy nanasa ny fitafiny ireo Levita, ary Arona nanolotra azy ireo ho fanatitra ahevaheva ho an'i Yaveh sy nanao fanavotana ho azy ireo mba hanadiovana azy ireo. BSB BSB: The Levites purified themselves and washed their clothes, and Aaron presented them as a wave offering before the LORD. Aaron also made atonement for them to cleanse them.
22 ULB Manaraka izany, nandeha nanao ny fanompoana tao amin'ny trano-lay fihaonana manoloana an'i Arona sy ny zanaka lahin'i Arona ireo Levita. Tahaka izany no nandidian'i Yaveh an'i Mosesy mahakasika ireo Levita. Izany no fomba nitondrany ireo Levita rehetra. BSB BSB: After that, the Levites came to perform their service at the Tent of Meeting in the presence of Aaron and his sons. Thus they did with the Levites just as the LORD had commanded Moses.
23 ULB Niresaka tamin'i Mosesy indray Yaveh. Hoy Izy hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses,
24 ULB "Izao rehetra izao dia ho an'ny Levita izay dimy amby roapolo taona no ho mihoatra. Tsy maintsy miaraka amin'ny mpanompo mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo. BSB BSB: “This applies to the Levites: Men twenty-five years of age or older shall enter to perform the service in the work at the Tent of Meeting.
25 ULB Tsy maintsy mitsahatra amin'ny fanompoana amin'izany fomba izany izy ireo rehefa feno dimampolo taona. Amin'izany taona izany dia tsy mahazo manompo intsony izy ireo. BSB BSB: But at the age of fifty, they must retire from performing the work and no longer serve.
26 ULB Afaka manampy ireo rahalahiny izay manohy ny asa ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo, nefa tsy afaka manompo intsony. Tsy maintsy mitarika ireo Levita amin'ireo raharaha rehetra ireo ianao." BSB BSB: After that, they may assist their brothers in fulfilling their duties at the Tent of Meeting, but they themselves are not to do the work. This is how you are to assign responsibilities to the Levites.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.