1 ULB Ary nitaraina momba ny olan'izy ireo ny vahoaka raha nihaino Yaveh. Nandre ireo olona Yaveh ka nanjary tezitra. Nisy afon'i Yaveh nandoro azy ireo ary nandevona ny sasany tamin'ireo toby teny amorony. BSB BSB: Soon the people began to complain about their hardship in the hearing of the LORD, and when He heard them, His anger was kindled, and fire from the LORD blazed among them and consumed the outskirts of the camp.
2 ULB Avy eo dia niantso an'i Mosesy ireo vahoaka, koa dia nivavaka tamin'i Yaveh i Mosesy, ary nitsahatra ny afo. BSB BSB: And the people cried out to Moses, and he prayed to the LORD, and the fire died down.
3 ULB Nantsoina hoe Tabera izany toerana izany, satria nirehitra teo amin'izy ireo ny afon'i Yaveh. BSB BSB: So that place was called Taberah, because the fire of the LORD had burned among them.
4 ULB Nanomboka niara-nitoby tamin'ny taranak'Israely ny sasany tamin'ireo hafa firenena. Naniry ny hihinana sakafo tsara kokoa izy ireo. Ary nanomboka nitomany ireo vahoakan'Israely ka nanao hoe: "Iza no hanome sakafo hohaninay? BSB BSB: Meanwhile, the rabble among them had a strong craving for other food, and again the Israelites wept and said, “Who will feed us meat?
5 ULB Tsaroanay ny trondro izay nohaninay maimaimpoana tany Egypta, ireo kaokaombra, ireo voatavo, ireo tongolo raviny, ireo tongolo, ary ny tongolo gasy. BSB BSB: We remember the fish we ate freely in Egypt, along with the cucumbers, melons, leeks, onions, and garlic.
6 ULB Ankehitriny lasa ny homantsika, satria ny hany hitantsika dia ity mana ity." BSB BSB: But now our appetite is gone; there is nothing to see but this manna!”
7 ULB Ny mana dia toy ny voan-drafy. Miendrika toy ny dinti-kazo izany. BSB BSB: Now the manna resembled coriander seed, and its appearance was like that of gum resin.
8 ULB Nandeha niodidina ireo olona ary nanangona izany. Nototoin'izy ireo tamin'ny fikosoham-bary izany, nototoina tamin'ny laona, nampangotrahina tao anaty vilany, ary natao mofomamy. Nitovy tsiro tamin'ny menaka oliva vaovao izany. BSB BSB: The people walked around and gathered it, ground it on a handmill or crushed it in a mortar, then boiled it in a cooking pot or shaped it into cakes. It tasted like pastry baked with fine oil.
9 ULB Rehefa nilatsaka teo amin'ny toby ny ranon'ando ny alina, dia nilatsaka ihany koa ny mana. BSB BSB: When the dew fell on the camp at night, the manna would fall with it.
10 ULB Nandre ireo olona nitomany tao amin'ny fianakavian'izy ireo Mosesy, ary ny lehilahy rehetra dia teo amin'ny fidirana ho any amin'ny lainy. Tezitra mafy Yaveh, ary diso teo imason'i Mosesy ny fitarainan'izy ireo. BSB BSB: Then Moses heard the people of family after family weeping at the entrances to their tents, and the anger of the LORD was kindled greatly, and Moses was also displeased.
11 ULB Hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Nahoana Ianao no mampijaly ny mpanomponao? Nahoana Ianao no tsy faly amiko? Nampilanjanao ny enta-mavesatr'ireo olona rehetra ireo aho. BSB BSB: So Moses asked the LORD, “Why have You brought this trouble on Your servant? Why have I not found favor in Your sight, that You have laid upon me the burden of all these people?
12 ULB Izaho ve no namorona ireo olona rehetra ireo? Izaho ve no niteraka azy ireo no hilazanao amiko hoe: 'Trotroy eo an-tratranao toy ny fitrotron'ny ray zaza izy ireo?' Tokony hitondra azy ireo any amin'ilay tany izay nampanantenainao homena ny razamben'izy ireo ve aho? BSB BSB: Did I conceive all these people? Did I give them birth, so that You should tell me, ‘Carry them in your bosom, as a nurse carries an infant,’ to the land that You swore to give their fathers?
13 ULB Aiza no ahitako sakafo omena ity vahoaka rehetra ity? Mitomany eo anoloako izy ireo ary miteny hoe: 'Omeo sakafo ho hanina izahay.' BSB BSB: Where can I get meat for all these people? For they keep crying out to me, ‘Give us meat to eat!’
14 ULB Tsy afaka ny hilanja ireo olona ireo irery aho. Be loatra ho ahy izy ireo. BSB BSB: I cannot carry all these people by myself; it is too burdensome for me.
15 ULB Satria entinao tahaka izany aho, dia vonoy aho anio, raha tia ahy Ianao, ary esory amiko ny fahoriako." BSB BSB: If this is how You are going to treat me, please kill me right now—if I have found favor in Your eyes—and let me not see my own wretchedness.”
16 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Hitondray loholon'Israely fito-polo Aho. Ataovy azo antoka fa loholona sy manam-boninahitry ny vahoaka tokoa izy ireo. Ento ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo mba hiara-hijoro aminao. BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Bring Me seventy of the elders of Israel known to you as leaders and officers of the people. Bring them to the Tent of Meeting and have them stand there with you.
17 ULB Hidina ary hiresaka aminareo any Aho. Haka ny sasany amin'ireo Fanahy izay ao aminao Aho ary hametraka izany amin'izy ireo. Hiara hilanja ny enta-mavesatr'ireo vahoaka hiaraka aminao izy ireo. Tsy hitondra izany irery ianao. BSB BSB: And I will come down and speak with you there, and I will take some of the Spirit that is on you and put that Spirit on them. They will help you bear the burden of the people, so that you do not have to bear it by yourself.
18 ULB Lazao amin'ireo vahoaka hoe: 'Manokàna tena ianareo, ho amin'ny rahampitso ary hihinana hena tokoa ianareo, satria nitomany ianareo ary henon'i Yaveh. Ianao nilaza hoe: "Iza no hanome hena hohaninay? Tsara taminay ny tany Egypta." Noho izany Yaveh dia hanome sakafo ho anareo, ary hihinana izany ianareo. BSB BSB: And say to the people: Consecrate yourselves for tomorrow, and you will eat meat, because you have cried out in the hearing of the LORD, saying: ‘Who will feed us meat? For we were better off in Egypt!’ Therefore the LORD will give you meat, and you will eat.
19 ULB Tsy hihinana sakafo mandritra ny iray andro, roa andro, dimy andro, folo andro, na roa-polo andro fotsiny ianareo, BSB BSB: You will eat it not for one or two days, nor for five or ten or twenty days,
20 ULB fa hihinana sakafo mandritra ny iray volana manontolo mandra-pivoakan'izany eny amin'ny lavak'oronareo. Hahatsiravina anareo izany satria nandà an'i Yaveh, izay eo aminareo ianareo. Nitomany teo anatrehany ianareo. Hoy ianareo hoe: "Nahoana izahay no nandao an'i Egypta?""' BSB BSB: but for a whole month—until it comes out of your nostrils and makes you nauseous—because you have rejected the LORD, who is among you, and have cried out before Him, saying, ‘Why did we ever leave Egypt?’”
21 ULB Ary hoy Mosesy hoe: "Miaraka amin'ny olona 600. 000 aho, ary hoy Ianao hoe: 'Hanome sakafo ho hanina ho azy ireo Aho mandritra ny iray volana.' BSB BSB: But Moses replied, “Here I am among 600,000 men on foot, yet You say, ‘I will give them meat, and they will eat for a month.’
22 ULB Tokony hamono ireo ondry aman'osy sy ny omby ve izany izahay hampifaliana azy ireo? Tokony hanjono ny trondro rehetra ao anaty ranomasina ve izahay mba hampifaliana azy ireo?" BSB BSB: If all our flocks and herds were slaughtered for them, would they have enough? Or if all the fish in the sea were caught for them, would they have enough?”
23 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Fohy ve ny tanako? Izao dia ho hitanao raha marina ny teniko na tsia." BSB BSB: The LORD answered Moses, “Is the LORD’s arm too short? Now you will see whether or not My word will come to pass.”
24 ULB Nivoaka Mosesy ary nilaza tamin'ireo vahoaka ny tenin'i Yaveh. Nanangona loholona fito-polo tamin'ireo vahoaka izy ary nandahatra azy ireo nanodidina ny lay. BSB BSB: So Moses went out and relayed to the people the words of the LORD, and he gathered seventy of the elders of the people and had them stand around the tent.
25 ULB Nidina avy eny amin'ny rahona Yaveh ary niresaka tamin'i Mosesy. Naka ny Fanahy sasany izay tao amin'i Mosesy i Yaveh ary nametraka izany teo amin'ireo loholona fito-polo. Rehefa nitoetra tao amin'izy ireo ilay Fanahy, dia naminany izy ireo, saingy tamin'io fotoana io ihany fa tsy niverina intsony. BSB BSB: Then the LORD came down in the cloud and spoke to him, and He took some of the Spirit that was on Moses and placed that Spirit on the seventy elders. As the Spirit rested on them, they prophesied—but they never did so again.
26 ULB Lehilahy roa no nijanona tao amin'ny toby, nantsoina hoe Eldada sy Medada. Nitoetra tao amin'izy ireo ihany koa ilay Fanahy. Ny anaran'izy ireo dia voasoratra tao amin'ny lisitra, saingy tsy nivoaka ny lay izy ireo. Na dia izany aza, naminany tao amin'ny toby izy ireo. BSB BSB: Two men, however, had remained in the camp—one named Eldad and the other Medad—and the Spirit rested on them. They were among those listed, but they had not gone out to the tent, and they prophesied in the camp.
27 ULB Nisy tovolahy iray tao amin'ilay toby nihazakazaka ary niteny tamin'i Mosesy hoe: "Eldada sy Medada dia maminany ao amin'ny toby." BSB BSB: A young man ran and reported to Moses, “Eldad and Medad are prophesying in the camp.”
28 ULB Josoa zanaka lahin'i Nona, mpanampin'i Mosesy, iray tamin'ireo lehilahy voafidiny, dia niteny tamin'i Mosesy hoe: "Ry Mosesy tompoko, sakano izy ireo." BSB BSB: Joshua son of Nun, the attendant to Moses since youth, spoke up and said, “Moses, my lord, stop them!”
29 ULB Hoy Mosesy taminy hoe: "Saropiaro nohon'ny amiko ve ianao? Maniry aho raha mba mpaminany avokoa ny vahoakan'i Yaveh rehetra ary hametraka ny Fanahiny amin'izy rehetra ireo Izy!" BSB BSB: But Moses replied, “Are you jealous on my account? I wish that all the LORD’s people were prophets and that the LORD would place His Spirit on them!”
30 ULB Avy eo Mosesy sy ireo loholon'Israely niverina tao amin'ny toby. BSB BSB: Then Moses returned to the camp, along with the elders of Israel.
31 ULB Avy eo dia nisy rivotra tonga avy any amin'i Yaveh ary nitondra papelika avy any anaty ranomasina. Nianjera teo akaikin'ny toby ireo, teo amin'ny lalana iray andro tany amin'ny andaniny ary lalana iray andro tany amin'ny ankilany. Nanodidina ny toby ireo papelika teo amin'ny roa akiho ambonin'ny tany. BSB BSB: Now a wind sent by the LORD came up, drove in quail from the sea, and brought them near the camp, about two cubits above the surface of the ground, for a day’s journey in every direction around the camp.
32 ULB Sahirana ireo olona nanangona ireo papelika tamin'izany andro izany, ny alina manontolo, ary ny andro manaraka. Tsy nisy nanangona papelika latsaky ny folo homera. Nizara ireo papelika nanerana ny toby rehetra izy ireo. BSB BSB: All that day and night, and all the next day, the people stayed up gathering the quail. No one gathered less than ten homers, and they spread them out all around the camp.
33 ULB Raha mbola teo anelanelan'ny nifin'izy ireo ny sakafo, raha mbola nitsako izany izy ireo, dia tezitra tamin'izy ireo Yaveh. Namely ireo olona tamin'ny aretina lehibe Izy. BSB BSB: But while the meat was still between their teeth, before it was chewed, the anger of the LORD burned against the people, and the LORD struck them with a severe plague.
34 ULB Nantsoina hoe Kibrota Hatava izany toerana izany satria tao no nandevenan'izy ireo ny olona izay naniry hena fatratra. BSB BSB: So they called that place Kibroth-hattaavah, because there they buried the people who had craved other food.
35 ULB Niainga avy any Kibrota Havata ireo olona mba ho any Hazerota, izay nijanonan'izy ireo. BSB BSB: From Kibroth-hattaavah the people moved on to Hazeroth, where they remained for some time.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.