1 ULB Avy eo Myriama sy Arona niresaka nanohitra an'i Mosesy noho ilay vehivavy Kosita izay nampakariny. BSB BSB: Then Miriam and Aaron criticized Moses because of the Cushite woman he had married, for he had taken a Cushite wife.
2 ULB Hoy izy ireo hoe: "Mosesy ihany ve no niresahan'i Yaveh? Moa tsy niresaka tamintsika koa ve Izy?" Ary ren'i Yaveh izay nolazain'izy ireo. BSB BSB: “Does the LORD speak only through Moses?” they said. “Does He not also speak through us?” And the LORD heard this.
3 ULB Ary tena manetri-tena ilay lehilahy Mosesy, be fanetre-tena noho ny olona rehetra eto an-tany. BSB BSB: Now Moses was a very humble man, more so than any man on the face of the earth.
4 ULB Teo no ho eo Yaveh dia niresaka tamin'i Mosesy, Arona, ary Miriama hoe: "Mivoaha, ianareo telo, ho any amin'ny trano-lay fihaonana." Noho izany dia nivoaka izy telo. BSB BSB: And suddenly the LORD said to Moses, Aaron, and Miriam, “You three, come out to the Tent of Meeting.” So the three went out,
5 ULB Avy eo Yaveh nidina teny amin'ny andrin-drahona. Nitsangana teo amin'ny fidirana ao amin'ny lay Izy ary niantso an'i Arona sy Miriama. Samy nandroso izy roa. BSB BSB: and the LORD came down in a pillar of cloud, stood at the entrance to the Tent, and summoned Aaron and Miriam. When both of them had stepped forward,
6 ULB Hoy Yaveh hoe: "Ankehitriny henoy ny teniko. Rehefa miaraka aminareo ny mpaminaniko, dia hanambara ny tenako aminy amin'ny fahitana Aho ary hiresaka aminy anaty nofy. BSB BSB: He said, “Hear now My words: If there is a prophet among you, I, the LORD, will reveal Myself to him in a vision; I will speak to him in a dream.
7 ULB Tsy toy izany Mosesy mpanompoko. Mahatoky izy ao amin'ny tranoko rehetra. BSB BSB: But this is not so with My servant Moses; he is faithful in all My house.
8 ULB Miresaka mivantana amin'i Mosesy Aho, fa tsy amin'ny fahitana na ankamantatra. Hitany ny endriko. Koa nahoana ianareo no tsy matahotra ny hiresaka hanohitra ny mpanompoko, manohitra an'i Mosesy?" BSB BSB: I speak with him face to face, clearly and not in riddles; he sees the form of the LORD. Why then were you unafraid to speak against My servant Moses?”
9 ULB Nirehitra tamin'izy ireo ny hatezeran'i Yaveh, ary avy eo Izy nandao azy ireo. BSB BSB: So the anger of the LORD burned against them, and He departed.
10 ULB Niala teo amin'ny lay ilay rahona, ary Miriama lasa boka tampoka—fotsy toy ny oram-panala izy. Rehefa nitodika tany amin'i Miriama i Arona, dia hitany fa nisy habokana izy. BSB BSB: As the cloud lifted from above the Tent, suddenly Miriam became leprous, white as snow. Aaron turned toward her, saw that she was leprous,
11 ULB Hoy Arona tamin'i Mosesy hoe: "Ry tompoko, aza hazonina aminay ity fahotana ity. Niresaka adaladala izahay, ary nanota. BSB BSB: and said to Moses, “My lord, please do not hold against us this sin we have so foolishly committed.
12 ULB Aza avela ho toy ny zaza vao teraka maty izy izay lany ny antsasaky ny nofony raha vao teraka avy ao an-kibon-dreniny." BSB BSB: Please do not let her be like a stillborn infant whose flesh is half consumed when he comes out of his mother’s womb.”
13 ULB Noho izany dia niantso an'i Yaveh i Mosesy. Hoy izy hoe: "Miangavy re mba sitrano izy, ry Andriamanitra, miangavy." BSB BSB: So Moses cried out to the LORD, “O God, please heal her!”
14 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Raha nandrora tamin'ny tavany ny rainy, dia ho afa-baraka mandritra ny fito andro izy. Hidio any ivelan'ny toby mandritra ny fito andro izy. Aorian'izany dia ento miverina aty indray izy." BSB BSB: But the LORD answered Moses, “If her father had but spit in her face, would she not have been in disgrace for seven days? Let her be confined outside the camp for seven days; after that she may be brought back in.”
15 ULB Koa dia nohidina tany ivelan'ny toby nandritra ny fito andro izy. Tsy nandeha ny vahoaka nandra-piveriny tao an-toby. BSB BSB: So Miriam was confined outside the camp for seven days, and the people did not move on until she was brought in again.
16 ULB Taorian'izany, dia niala avy tao Hazerota ny vahoaka ary nitoby tany an'efitr'i Parana. BSB BSB: After that, the people set out from Hazeroth and camped in the Wilderness of Paran.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.