1 ULB Tamin'izany alina izany dia nitomany mafy ny fiangonana rehetra. BSB BSB: Then the whole congregation lifted up their voices and cried out, and that night the people wept.
2 ULB Nitsikera an'i Mosesy sy Arona ny vahoakan'Israely rehetra. Hoy ny fiangonana manontolo tamin'izy ireo: "Naleonay maty tany amin'ny tany Egypta, na eto amin'ity efitra ity! BSB BSB: All the Israelites grumbled against Moses and Aaron, and the whole congregation said to them, “If only we had died in the land of Egypt, or if only we had died in this wilderness!
3 ULB Nahoana no nitondra anay tamin'ity tany ity mba ho fatin-tsabatra Yaveh? Hanjary ho lasibatra amin'izany ny vadinay sy ny zanakay. Moa ve tsy tsara ho anay ny miverina any Egypta?" BSB BSB: Why is the LORD bringing us into this land to fall by the sword? Our wives and children will become plunder. Would it not be better for us to go back to Egypt?”
4 ULB Nifampiteny izy ireo hoe: "Ndeha isika hifidy mpitarika hafa, ka ndeha isika hiverina any Egypta." BSB BSB: So they said to one another, “Let us appoint a leader and return to Egypt.”
5 ULB Dia niankohoka tamin'ny tavany teo anoloan'ny fivorian'ny fiangonan'ny vahoakan'Israely rehetra i Mosesy sy Arona. BSB BSB: Then Moses and Aaron fell facedown before the whole assembly of the congregation of Israel.
6 ULB Nandrovitra ny fitafian'izy ireo i Josoa zanak'i Nona sy Kaleba zanak'i Jefone, izay sasany tamin'ireo nalefa mba hisafo ny tany. BSB BSB: Joshua son of Nun and Caleb son of Jephunneh, who were among those who had spied out the land, tore their clothes
7 ULB Niteny tamin'ny fiangonan'ny vahoakan'i Israely rehetra izy ireo. Hoy izy ireo: "Ny tany izay nandehananay sy nosafoinay dia tany soa tokoa. BSB BSB: and said to the whole congregation of Israel, “The land we passed through and explored is an exceedingly good land.
8 ULB Raha mankasitraka antsika Yaveh, dia hitondra antsika any amin'izany tany izany sy hanome izany ho antsika Izy. Dia tany tondra-dronono sy tantely. BSB BSB: If the LORD delights in us, He will bring us into this land, a land flowing with milk and honey, and He will give it to us.
9 ULB Nefa aza mikomy amin'i Yaveh, ary aza matahotra ny mponin'ny tany. Handevona azy ireo mora foana tahaka ny hanina isika. Ho esorina amin'izy ireo ny fiarovana azy ireo, satria momba antsika Yaveh. Aza matahotra azy ireo." BSB BSB: Only do not rebel against the LORD, and do not be afraid of the people of the land, for they will be like bread for us. Their protection has been removed, and the LORD is with us. Do not be afraid of them!”
10 ULB Fa nandrahona hitora-bato hamono azy ireo ny fiangonana rehetra. Dia niseho tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny vahoakan'Israely rehetra ny voninahitr'i Yaveh. BSB BSB: But the whole congregation threatened to stone Joshua and Caleb. Then the glory of the LORD appeared to all the Israelites at the Tent of Meeting.
11 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mandra-pahoviana no hanaovan'ity vahoaka ity tsinontsinona Ahy? Mandra-pahoviana no tsy hatokian'izy ireo Ahy, na dia teo aza ireo famantarana ny heriko rehetra izay efa nataoko teo amin'izy ireo? BSB BSB: And the LORD said to Moses, “How long will this people treat Me with contempt? How long will they refuse to believe in Me, despite all the signs I have performed among them?
12 ULB Hamely azy ireo amin'ny areti-mandringana Aho, tsy hampandova azy ireo, ary hanangana firenena izay ho lehibe sy mahery noho izy ireo avy amin'ny fokonao ihany Aho." BSB BSB: I will strike them with a plague and destroy them—and I will make you into a nation greater and mightier than they are.”
13 ULB Hoy Mosesy tamin'i Yaveh: "Raha manao izany Ianao, dia handre ny momba izany ny Egyptiana, satria efa namonjy ity vahoaka ity tamin'izy ireo tamin'ny herinao Ianao. BSB BSB: But Moses said to the LORD, “The Egyptians will hear of it, for by Your strength You brought this people from among them.
14 ULB Hilaza izany amin'ireo mponin'ity tany ity izy ireo. Efa ren'izy ireo fa Ianao, Yaveh, no miaraka amin'ity vahoaka ity, satria efa hita nifanatri-tava Ianao. Nijoro teo amin'ny vahoakanay ny rahonao. Nialoha azy ireo tamin'ny andry rahona Ianao ny andro ary tamin'ny andry afo ny alina. BSB BSB: And they will tell it to the inhabitants of this land. They have already heard that You, O LORD, are in the midst of this people, that You, O LORD, have been seen face to face, that Your cloud stands over them, and that You go before them in a pillar of cloud by day and a pillar of fire by night.
15 ULB Ankehitriny raha mamono ity vahoaka ity tahaka ny olona iray Ianao, dia hiteny ireo firenena izay nandre ny lazanao ka hanao hoe: BSB BSB: If You kill this people as one man, the nations who have heard of Your fame will say,
16 ULB 'Satria tsy nahavita nitondra ity vahoaka ity tany amin'ny tany izay nianianany homena azy ireo Yaveh, dia novonoiny tany an'efitra izy ireo.' BSB BSB: ‘Because the LORD was unable to bring this people into the land He swore to give them, He has slaughtered them in the wilderness.’
17 ULB Ankehitriny, mitalaho Aminao aho, ampiasao ny herinao lehibe. Fa efa nilaza Ianao hoe: BSB BSB: So now I pray, may the power of my Lord be magnified, just as You have declared:
18 ULB 'Tsy malaky tezitra Yaveh ary tsy mivadi-panekena. Mamela heloka sy fahotana Izy. Tsy mba manamarina ny meloka Izy fa mamaly ny fahotan'ny razambe amin'ny taranak'izy ireo, dia amin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra.' BSB BSB: ‘The LORD is slow to anger and abounding in loving devotion, forgiving iniquity and transgression. Yet He will by no means leave the guilty unpunished; He will visit the iniquity of the fathers upon their children to the third and fourth generation.’
19 ULB Mamelà, mitalaho Aminao aho, ny fahotan'ity vahoaka ity nohon'ny halehiben'ny famindram-ponao, tahaka ny efa namelanao mandrakariva ity vahoaka ity nanomboka tamin'ny fotoana naha-tany Egypta azy ireo mandraka ankehitriny." BSB BSB: Pardon, I pray, the iniquity of this people, in keeping with the greatness of Your loving devotion, just as You have forgiven them ever since they left Egypt.”
20 ULB Hoy Yaveh: "Efa namela azy ireo amin'ny fanatanterahana ny fangatahanao Aho, BSB BSB: “I have pardoned them as you requested,” the LORD replied.
21 ULB nefa marina tokoa, raha velona koa Aho, ary raha ho feno ny voninahitro koa ny tany rehetra, BSB BSB: “Yet as surely as I live and as surely as the whole earth is filled with the glory of the LORD,
22 ULB ireo olona rehetra izay nahita ny voninahitro sy ny famantarana ny hery izay nataoko tany Egypta sy tany an'efitra ireo—dia mbola naka fanahy Ahy izay impolo izay izy ireo ary tsy nihaino ny feoko. BSB BSB: not one of the men who have seen My glory and the signs I performed in Egypt and in the wilderness—yet have tested Me and disobeyed Me these ten times—
23 ULB Koa milaza Aho fa tsy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'ireo razambeny tokoa izy ireo. Tsy hisy na iray amin'ireo izay nanao tsinontsinona Ahy hahita izany, BSB BSB: not one will ever see the land that I swore to give their fathers. None of those who have treated Me with contempt will see it.
24 ULB afa-tsy i Kaleba mpanompoko, satria manana fanahy hafa izy. Efa nanaraka Ahy tanteraka izy; dia hitondra azy ao amin'ny tany izay nandehanany hosafoina Aho. Haka izany ho fananany ireo taranany. BSB BSB: But because My servant Caleb has a different spirit and has followed Me wholeheartedly, I will bring him into the land he has entered, and his descendants will inherit it.
25 ULB (Ary ireo Amalekita sy Kananita dia nonina tany an-dohasaha.) Miverena ka mandehana any an'efitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena rahampitso.'" BSB BSB: Now since the Amalekites and Canaanites are living in the valleys, turn back tomorrow and head for the wilderness along the route to the Red Sea.”
26 ULB Niteny tamin'i Mosesy sy Arona Yaveh. Hoy Izy: BSB BSB: Then the LORD said to Moses and Aaron,
27 ULB "Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy izay manakihana Ahy ity? Efa reko ny fitarainan'ny vahoakan'ny Israely ny Amiko. BSB BSB: “How long will this wicked congregation grumble against Me? I have heard the complaints that the Israelites are making against Me.
28 ULB Lazao amin'izy ireo hoe: 'Raha velona koa Aho', hoy Yaveh, 'araka ny nolazainareo teo an-tsofiko, no hanaovako izao aminareo Aho: BSB BSB: So tell them: As surely as I live, declares the LORD, I will do to you exactly as I heard you say.
29 ULB Hiampatra any an'efitra ny fatinareo, dia ianareo rehetra izay nitaraina ny Amiko, ianareo izay voaisa tamin'ny fanisam-bahoaka, ny fitambaran'isan'ny olona roapolo taona no ho miakatra. BSB BSB: Your bodies will fall in this wilderness—all who were numbered in the census, everyone twenty years of age or older—because you have grumbled against Me.
30 ULB Tsy hiditra any amin'ny tany izay nampanantenaiko hataonareo fonenana tokoa ianareo, afa-tsy Kaleba zanak'i Jefone sy Josoa zanak'i Nona. BSB BSB: Surely none of you will enter the land in which I swore to settle you, except Caleb son of Jephunneh and Joshua son of Nun.
31 ULB Nefa ny zanakareo izay lazainareo fa ho lasibatra, dia ho entiko miditra ao amin'ny tany izy ireo. Hiaina any amin'ny tany izay nolavinareo izy ireo! BSB BSB: But I will bring your children, whom you said would become plunder, into the land you have rejected—and they will enjoy it.
32 ULB Ary ny aminareo, hiampatra any an'efitra ny fatinareo. BSB BSB: As for you, however, your bodies will fall in this wilderness.
33 ULB Ho mpiandry ondry any an'efitra mandritra ny efapolo taona ireo zanakareo. Tsy maintsy hizaka ny vokatry ny asa fikomianareo mandra-pahafatinareo any an'efitra izy ireo. BSB BSB: Your children will be shepherds in the wilderness for forty years, and they will suffer for your unfaithfulness until the last of your bodies lies in the wilderness.
34 ULB Tahaka ny isan'ny andro izay nisafoanareo ny tany—efapolo andro, dia tsy maintsy hizaka ny vokatry ny fahotanareo mandritra ny efapolo taona toy izany koa ianareo—herintaona ho an'ny iray andro, dia ho fantatrareo hoe ahoana izany ho fahavaloko izany. BSB BSB: In keeping with the forty days you spied out the land, you shall bear your guilt forty years—a year for each day—and you will experience My alienation.
35 ULB Izaho, Yaveh, no efa niteny. Hataoko ho an'ity fiangonana ratsy izay miara-miangona hanohitra Ahy ity tokoa izany. Hofongorina tanteraka izy ireo, ka ho faty eto.'" BSB BSB: I, the LORD, have spoken, and I will surely do these things to this entire wicked congregation, which has conspired against Me. They will meet their end in the wilderness, and there they will die.”
36 ULB Koa ireo lehilahy izay nirahin'i Mosesy mba hijery ny tany BSB BSB: So the men Moses had sent to spy out the land, who had returned and made the whole congregation grumble against him by bringing out a bad report about the land—
37 ULB dia matin'ny areti-mandringana teo anatrehan'i Yaveh avokoa. Ireo dia ny lehilahy izay niverina ka nitati-dratsy momba ny tany. Izany no nampitaraina ny fiangonana rehetra ny amin'i Mosesy. BSB BSB: those men who had brought out the bad report about the land—were struck down by a plague before the LORD.
38 ULB Amin'ireo lehilahy izay nandeha mba hijery ny tany, dia i Josoa zanak'i Nona sy Kaleba zanak'i Jefone ihany no ho sisa velona. BSB BSB: Of those men who had gone to spy out the land, only Joshua son of Nun and Caleb son of Jephunneh remained alive.
39 ULB Rehefa nitatitra ireo teny ireo tamin'ny vahoakan'ny Israely rehetra i Mosesy, dia nalahelo mafy izy ireo. BSB BSB: And when Moses relayed these words to all the Israelites, the people mourned bitterly.
40 ULB Nifoha maraim-be izy ireo ka nankany an-tampon-tendrombohitra ary nanao hoe: "Indro, indreto izahay, ary handeha ho any amin'ny toerana izay nampanantenain'i Yaveh, fa efa nanota izahay." BSB BSB: Early the next morning they got up and went up toward the ridge of the hill country. “We have indeed sinned,” they said, “but we will go to the place the LORD has promised.”
41 ULB Nefa hoy Mosesy: "Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Yaveh ankehitriny? Tsy hahomby ianareo. BSB BSB: But Moses said, “Why are you transgressing the commandment of the LORD? This will not succeed!
42 ULB Aza mandeha, satria tsy momba anareo hanakana anareo tsy ho resin'ny fahavalonareo Yaveh. BSB BSB: Do not go up, lest you be struck down by your enemies, because the LORD is not among you.
43 ULB Any ireo Amalekita sy ireo Kananita, ka ho fatin-tsabatra ianareo satria efa nihodina tamin'ny fanarahana an'i Yaveh ianareo. Koa tsy homba anareo Izy." BSB BSB: For there the Amalekites and Canaanites will face you, and you will fall by the sword. Because you have turned away from the LORD, He will not be with you.”
44 ULB Nefa nahasahisahy niakatra tany amin'ny tany havoana izy ireo; na izany aza, dia tsy niala tao an-toby na i Mosesy na ny fiaran'ny faneken'i Yaveh. BSB BSB: But they dared to go up to the ridge of the hill country, though neither Moses nor the ark of the covenant of the LORD moved from the camp.
45 ULB Dia nidina ireo Amalekita, sy ireo Kananita izay nonina tao amin'ireo havoana ireo koa. Nanafika ireo Israelita sy nandresy azy ireo teny an-dalana mankany Horma rehetra izy ireo. BSB BSB: Then the Amalekites and Canaanites who lived in that part of the hill country came down, attacked them, and routed them all the way to Hormah.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.