1 ULB Ary niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Miresaha amin'ny vahoakan'i Israely ary teneno izy ireo hoe: 'Rehefa handeha any amin'ny tany izay honenanareo ianareo, dia izay homen'i Yaveh anareo, BSB BSB: “Speak to the Israelites and tell them: After you enter the land that I am giving you as a home
3 ULB dia hanomana fanatitra amin'ny afo ho an'i Yaveh ianareo, na fanatitra dorana na sorona mba hanatanterahana voady na fanatitra an-tsitra-po, na fanatitra amin'ny fanasanareo, mba hamokatra hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh, avy amin'ny omby na ondry. BSB BSB: and you present a food offering to the LORD from the herd or flock to produce a pleasing aroma to the LORD—either a burnt offering or a sacrifice, for a special vow or freewill offering or appointed feast—
4 ULB Aoka hanolotra sorona dorana ho an'i Yaveh ianareo ary koa ampahafolon'ny efaha amin'ny lafarina tsara toto voaharoharo amin'ny menaka ampahefatry ny hina ho fanatitra hohanina. BSB BSB: then the one presenting his offering to the LORD shall also present a grain offering of a tenth of an ephah of fine flour mixed with a quarter hin of olive oil.
5 ULB Aoka hanolotra divay ampahefatry ny hina ho fanatitra sotroina ho an'ny zanak'ondry tsirairay ihany koa ianareo, miaraka amin'ny fanatitra dorana, na ho an'ny sorona. BSB BSB: With the burnt offering or sacrifice of each lamb, you are to prepare a quarter hin of wine as a drink offering.
6 ULB Raha manolotra ondry lahy ianareo, dia aoka hanomana lafarina tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo amin'ny menaka ampahatelon'ny hina ianareo ho fanatitra hohanina. BSB BSB: With a ram you are to prepare a grain offering of two-tenths of an ephah of fine flour mixed with a third of a hin of olive oil,
7 ULB Ny amin'ny fanatitra sotroina, aoka hanolotra divay ampahatelon'ny hina ianareo. Hamokatra hanitra mani-pofona ho an'i Yaveh izany. BSB BSB: and a third of a hin of wine as a drink offering, a pleasing aroma to the LORD.
8 ULB Raha manomana omby ho fanatitra dorana ianareo na ho sorona hanatanterahana voady, na ho fanatim-piombonana amin'i Yaveh, BSB BSB: When you prepare a young bull as a burnt offering or sacrifice to fulfill a vow or as a peace offering to the LORD,
9 ULB dia aoka hanolotra lafarina tsara toto ampahatelon'ny efaha voaharo amin'ny menaka antsasaky ny hina miaraka amin'ny omby ianareo ho fanatitra hohanina. BSB BSB: present with the bull a grain offering of three-tenths of an ephah of fine flour mixed with half a hin of olive oil.
10 ULB Aoka hanolotra divay antsasaky ny hina ianareo ho fanatitra sotroina, toy ny fanatitra vita amin'ny afo, mba hamokatra hanitra manim-pofona ho an'i Yaveh. BSB BSB: Also present half a hin of wine as a drink offering. It is a food offering, a pleasing aroma to the LORD.
11 ULB Aoka ho vita ho an'ny omby tsirairay izany fomba izany, ho an'ny ondry lahy tsirairay, ary ho an'ny zanak'ondry lahy tsirairay na koa osy tanor. BSB BSB: This is to be done for each bull, ram, lamb, or goat.
12 ULB Ny sorona tsirairay izay omaninareo sy atolotrareo dia aoka ho vita tahaka ny voafaritra eto. BSB BSB: This is how you must prepare each one, no matter how many.
13 ULB Ny tera-tany Israelita rehetra dia aoka hanao ireo zavatra ireo amin'io fomba io, rehefa misy olona mitondra sorona vita amin'ny afo, mba hamokatra hanitra izay ankasitrahan'i Yaveh. BSB BSB: Everyone who is native-born shall prepare these things in this way when he presents a food offering as a pleasing aroma to the LORD.
14 ULB Raha misy vahiny mitoetra miaraka aminareo, na koa izay rehetra mety honina eo aminareo mandritra ny taranaky ny vahoakanareo, dia aoka hanao fanatitra vita amin'ny afo izy, mba hamokatra hanitra manim-pofona ho an'i Yaveh. Aoka hanao toy ny fanaonareo izy. BSB BSB: And for the generations to come, if a foreigner residing with you or someone else among you wants to prepare a food offering as a pleasing aroma to the LORD, he is to do exactly as you do.
15 ULB Aoka ho lalàna mitovy ho an'ny fiaraha-monina sy ho an'ny vahiny izay mitoetra miaraka aminareo izany, lalàna maharitra mandritra ny taranaky ny vahoakanareo. Tahaka anareo, no aoka hitoeran'ireo mpandeha ihany koa eo aminareo. Aoka hanao toy ny fanaonareo eo anatrehan'i Yaveh izy. BSB BSB: The assembly is to have the same statute both for you and for the foreign resident; it is a permanent statute for the generations to come. You and the foreigner shall be the same before the LORD.
16 ULB Aoka ho didy aman-dalàna mitovy no ampiharina aminareo sy amin'ny vahiny izay mitoetra miaraka aminareo.'" BSB BSB: The same law and the same ordinance will apply both to you and to the foreigner residing with you.”
17 ULB Mbola niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
18 ULB "Miresaha amin'ny vahoakan'i Israely ary teneno izy ireo hoe: 'Raha tonga eo amin'ny tany izay hakako anareo ianareo, BSB BSB: “Speak to the Israelites and tell them: When you enter the land to which I am bringing you
19 ULB raha mihinana ny sakafo vokatra eo amin'ny tany ianareo, dia aoka hanolotra fanatitra sy haneho izany Amiko ianareo. BSB BSB: and you eat the food of the land, you shall lift up an offering to the LORD.
20 ULB Avy amin'ny voalohan-kobanareo no tsy maintsy anateranareo mofo mba hampiakarina izany ho fanatitra asandratra avy amin'ny fikororohana. Aoka hanandratra izany ambony amin'izany fomba izany ianareo. BSB BSB: From the first of your dough, you are to lift up a cake as a contribution; offer it just like an offering from the threshing floor.
21 ULB Aoka hanome fanatitra asandratra ho Ahy ianareo mandritra ny taranaky ny vahoakanareo avy amin'ny voalohan-kobanareo. BSB BSB: Throughout your generations, you are to give the LORD an offering from the first of your dough.
22 ULB Hanota tsy nahy ianareo indraindray, raha tsy mankatò ireo didy rehetra izay efa noresahako tamin'i Mosesy ireo ianareo— BSB BSB: Now if you stray unintentionally and do not obey all these commandments that the LORD has spoken to Moses—
23 ULB ny zavatra rehetra izay efa nandidiako anareo tamin'ny alalan'i Mosesy hatramin'ny andro izay nanombohako nanomezana didy ary mitohy mandritra ireo taranaky ny vahoakanareo. BSB BSB: all that the LORD has commanded you through Moses from the day the LORD gave them and continuing through the generations to come—
24 ULB Amin'ny trangan'ny fahotana tsy nahy amin'ny tsy fahalalan'ny fiaraha-monina, dia aoka hanolotra vatotr'ombilahy iray ny fiaraha-monina manontolo ho fanatitra dorana mba hamokatra hanitra manim-pofona ho an'i Yaveh. Miaraka amin'izany dia ho vita ny fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina, tahaka nandidiana tamin'ireo didy, ary osy lahy iray ho fanatitra noho ny ota. BSB BSB: and if it was done unintentionally without the knowledge of the congregation, then the whole congregation is to prepare one young bull as a burnt offering, a pleasing aroma to the LORD, with its grain offering and drink offering according to the regulation, and one male goat as a sin offering.
25 ULB Aoka hanao fanavotana ho an'ny fiaraha-monin'ny vahoaka Israely rehetra ny mpisorona. Ho voavela heloka izy ireo satria fahadisoana ny fahotana. Efa nitondra ny sorony izy ireo, ilay fanatitra vita tamin'ny afo ho Ahy. Efa nitondra ny fanatitra noho ny otany teo anoloako izy ireo ho an'ny fahadisoan'izy ireo. BSB BSB: The priest is to make atonement for the whole congregation of Israel, so that they may be forgiven; for the sin was unintentional and they have brought to the LORD a food offering and a sin offering, presented before the LORD for their unintentional sin.
26 ULB Dia ho voavela heloka avokoa ny fiarahamonin'ny vahoakan'Israely, sy ireo vahiny mitoetra miaraka amin'izy ireo ihany koa, satria nahavita heloka tsy nahy avokoa ny vahoaka rehetra. BSB BSB: Then the whole congregation of Israel and the foreigners residing among them will be forgiven, since it happened to all the people unintentionally.
27 ULB Raha manota tsy nahy ny olona iray, dia aoka hanolotra osy vavy herintaona ho fanatitra noho ny ota izy. BSB BSB: Also, if one person sins unintentionally, he is to present a year-old female goat as a sin offering.
28 ULB Aoka hanao fanavotana eo anatrehan'i Yaveh ny mpisorona ho an'ny olona izay nanota tsy nahy. Ho voavela heloka izany olona izany rehefa vita ny fanavotana. BSB BSB: And the priest shall make atonement before the LORD on behalf of the person who erred by sinning unintentionally; and when atonement has been made for him, he will be forgiven.
29 ULB Aoka hanana lalàna mitovy ianareo ho an'izay manao zavatra tsy nahy, lalàna mitovy ho an'izay tera-tany eo amin'ny vahoakan'Israely sy ho an'ny vahiny izay mitoetra eo amin'izy ireo. BSB BSB: You shall have the same law for the one who acts in error, whether he is a native-born Israelite or a foreigner residing among you.
30 ULB Fa ny olona izay manao zavatra amin'ny fihantsiana, na tera-tany izy na vahiny, dia miteny ratsy Ahy. Aoka ho fongorana eo amin'ny vahoakany izany olona izany. BSB BSB: But the person who sins defiantly, whether a native or foreigner, blasphemes the LORD. That person shall be cut off from among his people.
31 ULB Satria efa nanao tsinontsinona ny teniko izy ary nandika ny didiko, dia aoka ho fongorana tanteraka izany olona izany. Ho aminy anie ny fahotany.'" BSB BSB: He shall certainly be cut off, because he has despised the word of the LORD and broken His commandment; his guilt remains on him.”
32 ULB Raha mbola tany an-tany efitra ny vahoakan'Israely, dia nahita lehilahy nanangona hazo tamin'ny andro sabata izy ireo. BSB BSB: While the Israelites were in the wilderness, a man was found gathering wood on the Sabbath day.
33 ULB Ireo izay nahita azy dia nitondra azy tany amin'i Mosesy, Arona, ary ny fiaraha-monina rehetra. BSB BSB: Those who found the man gathering wood brought him to Moses, Aaron, and the whole congregation,
34 ULB Notanan'izy ireo am-ponja izy satria mbola tsy voalaza izay tokony natao taminy. BSB BSB: and because it had not been declared what should be done to him, they placed him in custody.
35 ULB Dia nilaza tamin'i Mosesy i Yaveh hoe: "Aoka ho vonoina tokoa ilay lehilahy. Aoka ny fiaraha-monina rehetra hitora-bato azy any ivelan'ny toby." BSB BSB: And the LORD said to Moses, “The man must surely be put to death. The whole congregation is to stone him outside the camp.”
36 ULB Koa nitondra azy ivelan'ny toby ny fiaraha-monina rehetra ary nitora-bato azy ho faty araka izay efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. BSB BSB: So the whole congregation took the man outside the camp and stoned him to death, as the LORD had commanded Moses.
37 ULB Mbola niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy: BSB BSB: And the LORD said to Moses,
38 ULB "Miresaha amin'ny taranak'Israely ary mandidia azy ireo mba hanao somitr'aviavy ho an'ny tenan'izy ireo hiraviravy avy eo amin'ny moron'akanjon'izy ireo, mba hampiraviravy azy ireo isaky ny morony amin'ny tady mangamanga. Aoka hanao izany izy ireo mandritra ny taranaky ny vahoakany. BSB BSB: “Speak to the Israelites and tell them that throughout the generations to come they are to make for themselves tassels for the corners of their garments, with a blue cord on each tassel.
39 ULB Ho fampahatsiahivana manokana ho anareo ireo didiko rehetra izany, mba hanatanteraka azy ireo ka tsy hijerenareo manokana ny fonareo sy ny masonareo ka hivarotanareo tena amin'izy ireo. BSB BSB: These will serve as tassels for you to look at, so that you may remember all the commandments of the LORD, that you may obey them and not prostitute yourselves by following your own heart and your own eyes.
40 ULB Ataovy izany mba hahatsiarovanareo sy hankatoavanareo ny didiko rehetra, ary mba ho masina ianareo, natokana ho Ahy, Andriamanitrareo. BSB BSB: Then you will remember and obey all My commandments, and you will be holy to your God.
41 ULB Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka ny tany Egypta, mba ho lasa Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo." BSB BSB: I am the LORD your God who brought you out of the land of Egypt to be your God. I am the LORD your God.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.