1 ULB Ary Kora no zanaka lahin'i Jizara zanaka lahin'i Kehata zanaka lahin'i Levy, miaraka amin'i Datana sy Abirama zanaka lahin'i Eliaba, sy Ona zanak'í Peleta, taranak'i Robena, dia nampivory lehilahy sasan-tsasany. BSB BSB: Now Korah son of Izhar, the son of Kohath son of Levi, along with some Reubenites—Dathan and Abiram, sons of Eliab, and On son of Peleth—conducted
2 ULB Nitsangana hanohitra an'i Mosesy izy ireo, ka niaraka tamin'ireo lehilahy hafa avy tamin'ny vahoakan'Israely, mpitarika fiangonana dimampolo sy roanjato izay mpikambana fanta-daza teo amin'ny fiangonana. BSB BSB: a rebellion against Moses, along with 250 men of Israel renowned as leaders of the congregation and representatives in the assembly.
3 ULB Niara-niangona izy ireo mba hifanandrina amin'i Mosesy sy Arona. Hoy izy ireo taminy: "Lasa lavitra loatra ianareo! Fa voatokana ny fiangonana rehetra, ny tsirairay amin'izy ireo, ary Yaveh dia eo amin'izy ireo. Nahoana no manandratra ny tenanareo eo amin'ny ambin'ny fiangonan'i Yaveh ianareo?" BSB BSB: They came together against Moses and Aaron and told them, “You have taken too much upon yourselves! For everyone in the entire congregation is holy, and the LORD is in their midst. Why then do you exalt yourselves above the assembly of the LORD?”
4 ULB Rehefa ren'i Mosesy izany, dia nampiankohoka ny tavany izy. BSB BSB: When Moses heard this, he fell facedown.
5 ULB Niteny tamin'i Kora sy ireo rehetra izay niaraka taminy izy hoe: "Amin'ny maraina dia hampahafantarin'i Yaveh ireo izay Azy sy ireo izay voatokana ho Azy. Hoentiny ho eo akaikiny izany olona izany. Ny iray izay voafidiny dia hoentiny hanakaiky ny tenany. BSB BSB: Then he said to Korah and all his followers, “Tomorrow morning the LORD will reveal who belongs to Him and who is holy, and He will bring that person near to Himself. The one He chooses He will bring near to Himself.
6 ULB Ataovy izao, ry Kora sy ny tariny rehetra. Alaivo ny fitondran'afo BSB BSB: You, Korah, and all your followers are to do as follows: Take censers,
7 ULB rahampitso ary asio sy afo sy ditin-kazo manitra anatin'izany eo anoloan'i Yaveh. Ny iray izay fidian'i Yaveh, dia ho voatokana ho an'i Yaveh izany olona izany. Lasa lavitra loatra ianao, ry taranak'i Levy." BSB BSB: and tomorrow you are to place fire and incense in them in the presence of the LORD. Then the man the LORD chooses will be the one who is holy. It is you sons of Levi who have taken too much upon yourselves!”
8 ULB Dia hoy indray Mosesy tamin'i Kora hoe: "Ankehitriny mihainoa, ianareo ry taranak'i Levy: BSB BSB: Moses also said to Korah, “Now listen, you sons of Levi!
9 ULB moa zavatra kely aminareo ve ny nampisarahan'Andriamanitra anareo tamin'ny fiangonan'Israely, mba hitondra anareo akaikin'ny tenany, mba hanao ny asany ao amin'ny tabernakelin'i Yaveh, ary hijoro eo anoloan'ny fiangonana mba hanompo azy ireo? BSB BSB: Is it not enough for you that the God of Israel has separated you from the congregation of Israel and brought you near to Himself to perform the work at the LORD’s tabernacle, and to stand before the congregation to minister to them?
10 ULB Nitondra anao akaiky Izy, sy ireo rahalahinao rehetra, taranak'i Levy, miaraka aminao, nefa mbola mitady ny fisoronana ihany koa ianareo! BSB BSB: He has brought you near, you and all your fellow Levites, but you are seeking the priesthood as well.
11 ULB Noho izany no nivondronanareo sy ny tarinao hanohitra an'i Yaveh. Ka nahoana ianareo no mitaraina mahakasika an'i Arona, izay mankatoa an'i Yaveh?" BSB BSB: Therefore, it is you and all your followers who have conspired against the LORD! As for Aaron, who is he that you should grumble against him?”
12 ULB Ary Mosesy niantso an'i Datana sy Abirama, zanaka lahin'i Eliaba, fa niteny izy ireo hoe: "Tsy hiakatra izahay. BSB BSB: Then Moses summoned Dathan and Abiram, the sons of Eliab, but they said, “We will not come!
13 ULB Zavatra kely aminao angaha ny nitondranao anay niakatra nivoaka ny tany tondra-dronono sy tantely, mba hamono anay any an'efitra? Ankehitriny dia maniry ny tenanao hanapaka eo aminay ianao! BSB BSB: Is it not enough that you have brought us up out of a land flowing with milk and honey to kill us in the wilderness? Must you also appoint yourself as ruler over us?
14 ULB Ho fanampin'izany, tsy nitondra anay tany amin'ny tany tondra-dronono sy tantely Ianao, na nanome anay ireo saha sy tanim-boaloboka ho lova. Ankehitriny dia maniry hahajamba anay amin'ireo fampanantenana foana ve Ianao? Tsy ho any aminao izahay." BSB BSB: Moreover, you have not brought us into a land flowing with milk and honey or given us an inheritance of fields and vineyards. Will you gouge out the eyes of these men? No, we will not come!”
15 ULB Tezitra mafy i Mosesy ary niteny tamin'i Yaveh hoe: "Aza manaiky ny fanatiny. Tsy naka na apondra iray tamin'izy ireo aho, ary tsy nanisy ratsy na ny iray tamin'izy ireo aza." BSB BSB: Then Moses became very angry and said to the LORD, “Do not regard their offering. I have not taken one donkey from them or mistreated a single one of them.”
16 ULB Ary niteny tamin'i Kora i Mosesy hoe: "Rahampitso dia tsy maintsy handeha eo anatrehan'i Yaveh ianao sy ny tarikao—ianao sy izy ireo, ary Arona. BSB BSB: And Moses said to Korah, “You and all your followers are to appear before the LORD tomorrow—you and they and Aaron.
17 ULB Samia maka ny fitondran'afony ianareo tsirairay ary manisy ny ditin-kazo manitra ao amin'izany. Avy eo dia aoka hitondra ny fitondran'afony eo anoloan'i Yaveh avy ny tsirairay, fitondran'afo dimam-polo sy roan-jato. Ianao sy Arona, ihany koa, dia aoka hitondra ny fitondran'afonareo tsirairay." BSB BSB: Each man is to take his censer, place incense in it, and present it before the LORD—250 censers. You and Aaron are to present your censers as well.”
18 ULB Ka dia naka ny fitondran'afony ny olona tsirairay, nandrehitra afo tamin'izany, ary nitsangana teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana niaraka tamin'i Mosesy sy Arona. BSB BSB: So each man took his censer, put fire and incense in it, and stood with Moses and Aaron at the entrance to the Tent of Meeting.
19 ULB Nampivory ireo fivondronana rehetra manohitra an'i Mosesy sy Arona teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana i Kora, ary niseho tamin'ny fivondronana rehetra ny voninahitr'i Yaveh. BSB BSB: When Korah had gathered his whole assembly against them at the entrance to the Tent of Meeting, the glory of the LORD appeared to the whole congregation.
20 ULB Dia niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses and Aaron,
21 ULB "Saraho amin'ity fiangonana ity ny tenanareo mba hahafahako mandevona azy ireo avy hatrany." BSB BSB: “Separate yourselves from this congregation so that I may consume them in an instant.”
22 ULB Niankohoka i Mosesy sy Arona ary niteny hoe: "Andriamanitra, Andriamanitry ny fanahin'ny olombelona rehetra, raha manota ny olona iray, dia ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra ve ianao? BSB BSB: But Moses and Aaron fell facedown and said, “O God, the God of the spirits of all flesh, when one man sins, will You be angry with the whole congregation?”
23 ULB Namaly an'i Mosesy i Yaveh. BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
24 ULB Hoy Izy hoe: "'Mitenena amin'ny fivondronana. Mitenena hoe: "Mialà amin'ny lain'i Kora, Datana, ary Abirama." BSB BSB: “Tell the congregation to move away from the dwellings of Korah, Dathan, and Abiram.”
25 ULB Dia niainga i Mosesy ary nankany Datana sy Abirama; ireo loholon'Israely dia nanaraka azy. BSB BSB: So Moses got up and went to Dathan and Abiram, and the elders of Israel followed him.
26 ULB Niresaka tamin'ny fivondronana izy ka niteny hoe: "Ankehitriny dia mialà amin'ireo lain'ny ratsy fanahy ary aza mikitika na inona na inona ny azy ireo, fandrao ho levona amin'ny alalan'ireo fahotany rehetra ianao." BSB BSB: And he warned the congregation, “Move away now from the tents of these wicked men. Do not touch anything that belongs to them, or you will be swept away because of all their sins.”
27 ULB Koa nandao azy ireo tamin'ny zoron'ireo lain'i Kora, Datana, ary Abirama ny fivondronana. Nivoaka i Datana sy Abirama ary nitsangana teo amin'ny fidiran'ny lain'izy ireo, niaraka tamin'ireo vadiny, zanaka lahy, ary ireo madininy. BSB BSB: So they moved away from the dwellings of Korah, Dathan, and Abiram. Meanwhile, Dathan and Abiram had come out and stood at the entrances to their tents with their wives and children and infants.
28 ULB Ary niteny i Mosesy hoe: "Amin'izao no ahafantaranareo fa Yaveh no naniraka ahy hanao ireo asa rehetra, fa tsy nanao ireny tamin'ny saiko ihany aho. BSB BSB: Then Moses said, “This is how you will know that the LORD has sent me to do all these things, for it was not my own doing:
29 ULB Raha maty amin'ny fahafatesana voajanahary tahaka ny zava-misy ara-dalàna ireny olona ireny, dia tsy nandefa ahy i Yaveh. BSB BSB: If these men die a natural death, or if they suffer the fate of all men, then the LORD has not sent me.
30 ULB Fa raha mamorona fisokafana amin'ny tany izay mitelina azy ireo ao tahaka ny vava lehibe i Yaveh, miaraka amin'ireo fianakaviany rehetra, ary raha midina velona any amin'ny fiainan-tsy hita izy ireo, dia aoka ho fantatrao fa ireny olona ireny dia nanao tsinontsinona an'i Yaveh." BSB BSB: But if the LORD brings about something unprecedented, and the earth opens its mouth and swallows them and all that belongs to them so that they go down alive into Sheol, then you will know that these men have treated the LORD with contempt.”
31 ULB Raha mbola tsy tapitra ny fitenenan'i Mosesy ireo teny rehetra ireo, dia nisokatra teo ambanin'ireo lehilahy ireo ny tany. BSB BSB: As soon as Moses had finished saying all this, the ground beneath them split open,
32 ULB Nanokatra ny vavany ny tany ary nitelina azy ireo, ireo fianakaviany, ary ireo olona rehetra izay an'i Kora, ary koa ireo fananany rehetra. BSB BSB: and the earth opened its mouth and swallowed them and their households—all Korah’s men and all their possessions.
33 ULB Dia latsaka velona tany amin'ny fiainan-tsy hita izy ireo sy ireo rehetra tao amin'ireo fianakaviany. Nikatona teo ambonin'izy ireo ny tany, ary tamin'izany no nahafongotra azy ireo teo afovoan'ny fivondronana. BSB BSB: They went down alive into Sheol with all they owned. The earth closed over them, and they vanished from the assembly.
34 ULB Ireo Israely rehetra manodidina azy ireo dia nandositra tamin'ireo hiakiakany. Nihiaka izy ireo hoe: "Mety hitelina antsika ihany koa ny tany!" BSB BSB: At their cries, all the people of Israel who were around them fled, saying, “The earth may swallow us too!”
35 ULB Dia nitselatra ny afo avy tamin'i Yaveh ary nandrapaka ireo 250 olona izay nanolotra ditin-kazo manitra. BSB BSB: And fire came forth from the LORD and consumed the 250 men who were offering the incense.
36 ULB Dia niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh ary niteny hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
37 ULB "Miresaha amin'i Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona ary aoka izy hamono ny afo amin'ny fandorana ny ditin-kazo manitra, fa ny fitondran'afo dia voatokana ho ahy. Dia avelao izy hampiely ny vain'afo any alavitra. BSB BSB: “Tell Eleazar son of Aaron the priest to remove the censers from the flames and to scatter the coals far away, because the censers are holy.
38 ULB Alaivo ireo fitondran'afon'ireo izay namoy ny ainy nohon'ny fahotany. Aoka ireny ho atao lovia voatefy mba ho fandrakofana ny alitara. Nanolotra ireny teo anoloako ireny olona ireny, ka voatokana ho Ahy ireny. Ho famantarana ny fisiako amin'ireo vahoakan'Israely ireo. BSB BSB: As for the censers of those who sinned at the cost of their own lives, hammer them into sheets to overlay the altar, for these were presented before the LORD, and so have become holy. They will serve as a sign to the Israelites.”
39 ULB Naka ireo fitondran'afo varahina i Eleazara mpisorona izay nampiasain'ireo olona izay may, ary dia notefena ho fandrakofana ho an'ny alitara ireo, BSB BSB: So Eleazar the priest took the bronze censers brought by those who had been burned up, and he had them hammered out to overlay the altar,
40 ULB mba ho fampahatsiahivana ho an'ireo vahoakan'Israely, mba tsy hisy vahiny izay tsy taranaka avy amin'i Arona ho avy handoro ditin-kazo manitra manoloana an'i Yaveh, ka tsy ho tonga tahaka an'i Kora sy ny tariny izy ireo—araka izay efa nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy. BSB BSB: just as the LORD commanded him through Moses. This was to be a reminder to the Israelites that no outsider who is not a descendant of Aaron should approach to offer incense before the LORD, lest he become like Korah and his followers.
41 ULB Fa ny ampitso maraina dia nitaraina tamin'i Mosesy sy Arona ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra. Hoy izy ireo hoe: "Novonoinareo ny vahoakan'i Yaveh." BSB BSB: The next day the whole congregation of Israel grumbled against Moses and Aaron, saying, “You have killed the LORD’s people!”
42 ULB Ary niseho izany, rehefa nivory hanohitra an'i Mosesy sy Arona ny fivondronana rehetra, raha nijery tao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo, ary, indro, nandrakotra izany ny rahona. Niseho ny voninahitr'i Yaveh, BSB BSB: But when the congregation gathered against them, Moses and Aaron turned toward the Tent of Meeting, and suddenly the cloud covered it and the glory of the LORD appeared.
43 ULB ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana. BSB BSB: Then Moses and Aaron went to the front of the Tent of Meeting,
44 ULB Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy: BSB BSB: and the LORD said to Moses,
45 ULB "Mialà lavitra tsy ho eo anoloana an'io fivondronana io mba hahafahako mandevona azy avy hatrany." Dia nampiondrika ny tavany tamin'ny tany i Mosesy sy Arona. BSB BSB: “Get away from this congregation so that I may consume them in an instant.” And Moses and Aaron fell facedown.
46 ULB Hoy i Mosesy tamin'i Arona: "Alaivo ny fitondran'afo, asio afo avy eo amin'ny alitara, asio ditin-kazo manitra ao anatin'izany, ento faingana any amin'ny fivondronana izany, ary manaova fanavotana ho azy ireo, satria tonga avy amin'i Yaveh ny fahatezerana. Niatomboka ny areti-mandringana." BSB BSB: Moses said to Aaron, “Take your censer, place fire from the altar in it, and add incense. Go quickly to the congregation and make atonement for them, because wrath has come out from the LORD; the plague has begun.”
47 ULB Dia nanao araka izay natoron'i Mosesy i Arona. Nihazakazaka ho eo afovoan'ny fivondronana izy. Efa nanomboka niparitaka faingana teo amin'ny olona ny areti-mandringana, koa nampidiriny ny ditin-kazo manitra ka nanao fanavotana ho an'ny olona izy. BSB BSB: So Aaron took the censer as Moses had ordered and ran into the midst of the assembly. And seeing that the plague had begun among the people, he offered the incense and made atonement for the people.
48 ULB Nitsangana teo anelanelan'ny velona sy ny maty i Arona; ka tamin'izany dia nitsahatra ny areti-mandringana. BSB BSB: He stood between the living and the dead, and the plague was halted.
49 ULB Ireo izay matin'ny areti-mandringana dia 14 700, ankoatra ireo izay maty nohon'ny amin'i Kora. BSB BSB: But those who died from the plague numbered 14,700, in addition to those who had died on account of Korah.
50 ULB Niverina tany amin'i Mosesy teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana i Arona, dia nitsahatra ny areti-mandringana. BSB BSB: Then Aaron returned to Moses at the entrance to the Tent of Meeting, since the plague had been halted.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.