1 ULB Dia tonga tamin'i Mosesy ny zanakavavin'i Zelofada zanaka lahin'i Hefera zanaka lahin'i Gileada zanaka lahin'i Makira zanaka lahin'i Manase, avy tamin'ny fianakaviam-ben'i Manase zanaka lahin'i Josefa. Ireto avy ny anaran'ireo zanany vavy: Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza. BSB BSB: Now the daughters of Zelophehad son of Hepher, the son of Gilead, the son of Machir, the son of Manasseh, belonged to the clans of Manasseh son of Joseph. These were the names of his daughters: Mahlah, Noah, Hoglah, Milcah, and Tirzah. They approached
2 ULB Nitsangana teo anatrehan'i Mosesy, Eleazara mpisorona, ny mpitarika, ary teo anoloan'ny fiaraha-monina rehetra teo amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo. Hoy izy ireo: BSB BSB: the entrance to the Tent of Meeting, stood before Moses, Eleazar the priest, the leaders, and the whole congregation, and said,
3 ULB "Maty tany an'efitra ny rainay. Tsy isan'ireo izay niray tetika tao amin'ny antokon'i Kora hanohitra an'i Yaveh izy. Matin'ny fahotany ihany izy, ary tsy nanan-janaka lahy. BSB BSB: “Our father died in the wilderness, but he was not among the followers of Korah who gathered together against the LORD. Instead, he died because of his own sin, and he had no sons.
4 ULB Nahoana ny anaran'ny rainay no nesorina tamin'ny fikambanan'ny fianakaviambeny satria tsy nanan-janakalahy izy? Omeo tany eo amin'ny havan'ny rainay izahay." BSB BSB: Why should the name of our father disappear from his clan because he had no sons? Give us property among our father’s brothers.”
5 ULB Dia nentin'i Mosesy teo anoloan'i Yaveh ny raharahan'izy ireo. BSB BSB: So Moses brought their case before the LORD,
6 ULB Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: BSB BSB: and the LORD answered him,
7 ULB "Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada. Aoka hanome tany ho azy ireo tokoa ianao avy amin'ny lovan'ireo havan-drainy, ary aoka ho azonao antoka fa ny lovan'ny rain'izy ireo dia tafita amin'izy ireo tokoa. BSB BSB: “The daughters of Zelophehad speak correctly. You certainly must give them property as an inheritance among their father’s brothers and transfer their father’s inheritance to them.
8 ULB Aoka hiteny amin'ny vahoakan'ny Israely ianao ka lazao hoe: 'Raha misy olona maty ka tsy manan-janaka lahy, dia aoka hafindranao amin'ny zanakavaviny ny lovany. BSB BSB: Furthermore, you shall say to the Israelites, ‘If a man dies and leaves no son, you are to transfer his inheritance to his daughter.
9 ULB Raha tsy manan-janakavavy izy, dia homenao ireo rahalahiny ny lovany. BSB BSB: If he has no daughter, give his inheritance to his brothers.
10 ULB Raha tsy manana rahalahy izy, dia homenao ireo rahalahin-drainy ny lovany. BSB BSB: If he has no brothers, give his inheritance to his father’s brothers.
11 ULB Raha tsy manana rahalahy ny rainy, dia homenao ny havany akaiky eo amin'ny fianakaviambe ny lovany, ary haka izany ho azy izy. Ho lalàna mafy haorina amin'ny didy ho an'ny vahoakan'ny Israely izany, araka izay efa nandidian'i Yaveh ahy.'" BSB BSB: And if his father has no brothers, give his inheritance to the next of kin from his clan, that he may take possession of it. This is to be a statutory ordinance for the Israelites, as the LORD has commanded Moses.’”
12 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Miakara eny an-tendrombohitra Abarima ary jereo ny tany izay nomeko ny vahoakan'ny Israely. BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Go up this mountain of the Abarim range and see the land that I have given the Israelites.
13 ULB Aorian'ny fahitanao izany, ianao, ihany koa, dia hangonina any amin'ny vahoakanao, tahaka an'i Arona rahalahinao. BSB BSB: After you have seen it, you too will be gathered to your people, as your brother Aaron was;
14 ULB Hitranga izany satria ianareo roa dia nikomy hanohitra ny didiko tany amin'ny efitr'i Sina. Any, rehefa mikoriana amin'ny vatolampy ny rano, amin'ny fahatezeranao no tsy nahavitanao nanome voninahitra Ahy ho masina teo imason'ny fivondronana manontolo." Ireo no ranon'i Meriban'i Kadesy any amin'ny efitr'i Sina. BSB BSB: for when the congregation contended in the Wilderness of Zin, both of you rebelled against My command to show My holiness in their sight regarding the waters.” Those were the waters of Meribah in Kadesh, in the Wilderness of Zin.
15 ULB Dia niresaka tamin'i Yaveh i Mosesy ary niteny hoe: BSB BSB: So Moses appealed to the LORD,
16 ULB "Aoka ianao, ry Yaveh, Andriamanitry ny fanahin'olombelona rehetra, hanendry olona eo amin'ny fivondronana, BSB BSB: “May the LORD, the God of the spirits of all flesh, appoint a man over the congregation
17 ULB olona izay hivoaka sy hiditra eo amin'izy ireo ary hitarika azy ireo sy hitondra azy ireo, mba tsy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry ny fivondronanao." BSB BSB: who will go out and come in before them, and who will lead them out and bring them in, so that the congregation of the LORD will not be like sheep without a shepherd.”
18 ULB Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Alaivo Josoa zanak'i Nona, lehilahy izay hitoeran'ny Fanahiko, apetraho aminy ny tananao. BSB BSB: And the LORD replied to Moses, “Take Joshua son of Nun, a man with the Spirit in him, and lay your hands on him.
19 ULB Apetraho eo anoloan'i Eleazara mpisorona sy eo anoloan'ny fivondronana rehetra izy, ary mandidia azy eo anoloan'ny mason'izy ireo mba hitarihana azy ireo. BSB BSB: Have him stand before Eleazar the priest and the whole congregation, and commission him in their sight.
20 ULB Aoka ianao hametraka ny fahefanao sasany aminy, mba hankatoavan'ny fiarahamonin'ny Israely rehetra azy. BSB BSB: Confer on him some of your authority, so that the whole congregation of Israel will obey him.
21 ULB Handeha eo alohan'i Eleazara mpisorona mba hitady ny lahatro ho azy amin'ny fanapahan-kevitr'i Orima izy. Ho amin'ny didiny no handehanan'ny olona mivoaka sy miditra, dia izy sy ny vahoakan'ny Israely rehetra miaraka aminy, ny fivondronana manontolo." BSB BSB: He shall stand before Eleazar the priest, who will seek counsel for him before the LORD by the judgment of the Urim. At his command, he and all the Israelites with him—the entire congregation—will go out and come in.”
22 ULB Dia nataon'i Mosesy izay nandidian'i Yaveh hataony. Nalainy i Josoa ary napetrany eo anoloan'i Eleazara mpisorona sy ny fiaraha-monina manontolo izy. BSB BSB: Moses did as the LORD had commanded him. He took Joshua, had him stand before Eleazar the priest and the whole congregation,
23 ULB Nametraka ny tanany taminy izy ary nandidy azy mba hitarika, araka izay efa nandidian'i Yaveh ho ataony. BSB BSB: and laid his hands on him and commissioned him, as the LORD had instructed through Moses.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.