1 ULB Ary izao no tantaran'ny taranak'i Arona sy Mosesy rehefa niteny tamin'i Mosesy tany amin'ny tendrombohitra Sinay i Yaveh. BSB BSB: This is the account of Aaron and Moses at the time the LORD spoke with Moses on Mount Sinai.
2 ULB Ny anaran'ireo zanaka lahin'i Arona dia i Nadaba lahimatoa, sy Abiho, Eleazara, ary Itamara. BSB BSB: These are the names of the sons of Aaron: Nadab the firstborn, then Abihu, Eleazar, and Ithamar.
3 ULB Ireo no anaran'ireo zanaka lahin'i Arona, ireo mpisorona izay voahosotra sy voatokana hanompo ho mpisorona. BSB BSB: These were Aaron’s sons, the anointed priests, who were ordained to serve as priests.
4 ULB Fa Nadaba sy Abiho kosa lavo maty teo anatrehan'i Yaveh rehefa nanolotra Azy afo tsy azo ekena tany amin'ny efitr'i Sinay izy ireo. Tsy nanan-janaka i Nadaba sy Abiho, ka dia Eleazara sy Itamara ihany no nanompo ho mpisorona niaraka tamin'i Arona rain'izy ireo. BSB BSB: Nadab and Abihu, however, died in the presence of the LORD when they offered unauthorized fire before the LORD in the Wilderness of Sinai. And since they had no sons, only Eleazar and Ithamar served as priests during the lifetime of their father Aaron.
5 ULB Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy izy: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
6 ULB "Ento ny fokon'i Levy ka ampisehoy amin'i Arona mpisorona izy ireo mba hanampy azy. BSB BSB: “Bring the tribe of Levi and present them to Aaron the priest to assist him.
7 ULB Aoka hanao ireo adidy amin'ny anjaran'i Arona sy ny fivondronana manontolo eo anoloan'ny trano-layfihaonana izy ireo. Aoka izy ireo hanompo ao amin'ny tabernakely. BSB BSB: They are to perform duties for him and for the whole congregation before the Tent of Meeting, attending to the service of the tabernacle.
8 ULB Aoka hikarakara ireo fanaka rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo, ary hanampy ireo fokon'Israely hanatanteraka ny asa fanompoana ny tabernakely. BSB BSB: They shall take care of all the furnishings of the Tent of Meeting and fulfill obligations for the Israelites by attending to the service of the tabernacle.
9 ULB Aoka hatolotrao an'i Arona sy ireo zanany lahy ireo Levita. Atolotra manontolo izy ireo mba hanampy azy hanompo ny vahoakan'Israely. BSB BSB: Assign the Levites to Aaron and his sons; they have been given exclusively to him from among the Israelites.
10 ULB Tsy maintsy tendrenao ho mpisorona i Arona sy ireo zanany lahy, fa izay olona hafa firenena tonga manakaiky dia tsy maintsy vonoina ho faty." BSB BSB: So you shall appoint Aaron and his sons to carry out the duties of the priesthood; but any outsider who approaches the tabernacle must be put to death.”
11 ULB Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy hoe: BSB BSB: Again the LORD spoke to Moses, saying,
12 ULB "Indro, efa naka ireo Levita avy tamin'ireo vahoakan'Israely Aho. Izany no nataoko raha tokony naka ny lahimatoa tsirairay izay teraka tamin'ny vahoakan'Israely. Ahy ireo Levita. BSB BSB: “Behold, I have taken the Levites from among the children of Israel in place of every firstborn Israelite from the womb. The Levites belong to Me,
13 ULB Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin'ny andro namelezako ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, no nanokanako ho Ahy ny voalohan-terak'Israely rehetra, na ny vahoaka na ny biby fiompy. Ahy ireny. Izaho no Yaveh." BSB BSB: for all the firstborn are Mine. On the day I struck down every firstborn in the land of Egypt, I consecrated to Myself all the firstborn in Israel, both man and beast. They are Mine; I am the LORD.”
14 ULB Niteny tamin'i Mosesy tany an'efitr'i Sinay i Yaveh. Hoy Izy hoe: BSB BSB: Then the LORD spoke to Moses in the Wilderness of Sinai, saying,
15 ULB "Isao isaky ny ankohonana ny taranak'i Levy, isaky ny ankohonan'ny razamben'izy ireo. Isao ny lehilahy rehetra izay iray volana no ho miakatra." BSB BSB: “Number the Levites by their families and clans. You are to count every male a month old or more.”
16 ULB Nanisa azy ireo i Mosesy, araka ny tenin'i Yaveh, araka ny nandidiana azy ho atao. BSB BSB: So Moses numbered them according to the word of the LORD, as he had been commanded.
17 ULB Ny anaran'ireo zanaka lahin'i Levy dia Gersona, Kohata, ary Merary. BSB BSB: These were the sons of Levi by name: Gershon, Kohath, and Merari.
18 ULB Ny fianakaviam-be avy amin'ireo zanaka lahin'i Gersona dia Libny sy Simey. BSB BSB: These were the names of the sons of Gershon by their clans: Libni and Shimei.
19 ULB Ny fianakaviam-be avy amin'ireo zanaka lahin'i Kohata dia Amrama, Izara, Hebrona, Ary Oziela. BSB BSB: The sons of Kohath by their clans were Amram, Izhar, Hebron, and Uzziel.
20 ULB Ny fianakaviam-be avy amin'ireo zanaka lahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fianakaviam-ben'ireo Levita, izay nalahatra araka ny fianakaviany avy. BSB BSB: And the sons of Merari by their clans were Mahli and Mushi. These were the clans of the Levites, according to their families.
21 ULB Ireo fianakaviam-ben'ireo Libnita sy ireo Simeita dia avy amin'i Gersona. Ireo avy no fianakaviamben'ireo Gersonita. BSB BSB: From Gershon came the Libnite clan and the Shimeite clan; these were the Gershonite clans.
22 ULB Ny lahy rehetra manomboka iray volana no miakatra dia nisaina, niisa 7. 500. BSB BSB: The number of all the males a month old or more was 7,500.
23 ULB Ny fianakaviam-ben'ireo Gersonita dia hitoby eo amin'ny ilany andrefan'ny tabernakely. BSB BSB: The Gershonite clans were to camp on the west, behind the tabernacle,
24 ULB Eliasafa zanaka lahin'i Laela no tsy maintsy hitarika ireo fianakaviam-ben'ny taranaky ny Gersonita. BSB BSB: and the leader of the families of the Gershonites was Eliasaph son of Lael.
25 ULB Ny fianakavian'i Gersona dia tsy maintsy mikarakara ny trano-lay fihaonana ka ao anatin'izany ny tabernakely. Hikarakara ny trano-lay izy ireo, ny firakony, sy ireo lamba ampiasaina amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana. BSB BSB: The duties of the Gershonites at the Tent of Meeting were the tabernacle and tent, its covering, the curtain for the entrance to the Tent of Meeting,
26 ULB Tsy maintsy mikarakara ny lamban-kianja izy ireo, ny lamba eo amin'ny fidiran'ny kianja—ny kianja izay mihodidina ny fitoerana masina sy ny alitara. Aoka hikarakara ireo tadin'ny trano-lay fihaonana sy izay rehetra ao aminy izy ireo. BSB BSB: the curtains of the courtyard, the curtain for the entrance to the courtyard that surrounds the tabernacle and altar, and the cords—all the service for these items.
27 ULB Avy amin'i Kohata ireo fianakaviam-be ireo: fianakavian'ny Amramita, ny fianakavian'ny Izarita, ny fianakavian'ny Hebronita, ary ny fianakavian'ny Ozielita. BSB BSB: From Kohath came the clans of the Amramites, the Izharites, the Hebronites, and the Uzzielites; these were the clans of the Kohathites.
28 ULB An'ireo Kohatita ireo fianakaviam-be ireo. 8. 600 lahy iray volana no ho miakatra no efa voaisa mba hikarakara ireo fananan'i Yaveh. BSB BSB: The number of all the males a month old or more was 8,600. They were responsible for the duties of the sanctuary.
29 ULB Ireo fianakavian'ny taranak'i Kohata dia tsy maintsy mitoby mianatsimon'ny tabernakely. BSB BSB: The clans of the Kohathites were to camp on the south side of the tabernacle,
30 ULB Elifaza zanaka lahin'i Oziela no tsy maintsy hitarika ny fianakaviam-ben'ireo Kohatita. BSB BSB: and the leader of the families of the Kohathites was Elizaphan son of Uzziel.
31 ULB Izy ireo no tsy maintsy mikarakara ny fiara, ny latabatra, ny fitoeran-jiro, ireo alitara, ireo zava-masina izay ampiasaina amin'ny fanompoany, ny lamba, ary izay asa rehetra mahakasika izany. BSB BSB: Their duties were the ark, the table, the lampstand, the altars, the articles of the sanctuary used with them, and the curtain—all the service for these items.
32 ULB Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona no tsy maintsy hitarika ireo lehilahy izay mitarika ireo Levita. Tokony hanara-maso ireo lehilahy izay mikarakara ny fitoerana masina izy. BSB BSB: The chief of the leaders of the Levites was Eleazar son of Aaron the priest; he oversaw those responsible for the duties of the sanctuary.
33 ULB Fianakaviam-be roa no avy amin'i Merary: ny fianakavian'ny Malita sy ny fianakavian'ny Mosita. Ireo fianakaviambe ireo dia avy amin'i Merary. BSB BSB: From Merari came the clans of the Mahlites and Mushites; these were the Merarite clans.
34 ULB 6. 200 lahy iray volana no ho miakatra no efa voaisa. BSB BSB: The number of all the males a month old or more was 6,200.
35 ULB Zoriela zanaka lahin'i Abihaila no tsy maintsy hitarika ireo fianakaviamben'i Merary. Tsy maintsy mitoby mianavaratry ny tabernakely izy ireo. BSB BSB: The leader of the families of the Merarites was Zuriel son of Abihail; they were to camp on the north side of the tabernacle.
36 ULB Ny taranak'i Merary dia tokony hikarakara ny rafitry ny tabernakely, ireo barany, tsanganana, faladiany, ny fitaovana rehetra, sy izay rehetra mahakasika ireo, ao anatin'izany BSB BSB: The duties assigned to the sons of Merari were the tabernacle’s frames, crossbars, posts, bases, and all its equipment—all the service for these items,
37 ULB ireo andry sy tsanganan'ny kianja izay mihodidina ny tabernakely, miaraka amin'ny faladian'ireo, fihantonan-javatra, sy tady. BSB BSB: as well as the posts of the surrounding courtyard with their bases, tent pegs, and ropes.
38 ULB Mosesy sy Arona ary ireo zanaka lahin'izy ireo dia tsy maintsy hitoby miatsinanan'ny tabernakely, eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro. Izy ireo no tompon'andraikitra ho an'ny fanatanterahana ireo adidy amin'ny fitoerana masina sy ireo adidy amin'ny vahoakan'Israely. Na iza na iza olona hafa firenena manatona ny fitoerana masina dia tsy maintsy ho faty. BSB BSB: Moses, Aaron, and Aaron’s sons were to camp to the east of the tabernacle, toward the sunrise, before the Tent of Meeting. They were to perform the duties of the sanctuary as a service on behalf of the Israelites; but any outsider who approached the sanctuary was to be put to death.
39 ULB Mosesy sy Arona nanisa ny lahy rehetra tamin'ny fianakaviam-ben'i Levy izay iray volana no ho miakatra, araka izay nandidian'i Yaveh. Niisa roa arivo sy roa alina izy ireo. BSB BSB: The total number of Levites that Moses and Aaron counted by their clans at the LORD’s command, including all the males a month old or more, was 22,000.
40 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Isao ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely rehetra izay iray volana no ho miakatra. Raiso ny anaran'izy ireo. BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Number every firstborn male of the Israelites a month old or more, and list their names.
41 ULB Aoka halainao ho Ahy ireo Levita—Izaho Yaveh— ho solon'ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely, sy ny biby fiompin'ireo Levita ho solon'ny voalohan-teraky ny biby fiompin'ny taranak'Israely." BSB BSB: You are to take the Levites for Me—I am the LORD—in place of all the firstborn of Israel, and the livestock of the Levites in place of all the firstborn of the livestock of the Israelites.”
42 ULB Mosesy nanisa ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely rehetra araka izay efa nandidian'i Yaveh azy hatao. BSB BSB: So Moses numbered all the firstborn of the Israelites, as the LORD had commanded him.
43 ULB Nanisa ny lahimatoa rehetra araka ny anarana izy, iray volana no ho miakatra. Nahavoaisa 22. 273 lahy izy. BSB BSB: The total number of the firstborn males a month old or more, listed by name, was 22,273.
44 ULB Niteny tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy hoe: BSB BSB: Again the LORD spoke to Moses, saying,
45 ULB "Alaivo ireo Levita ho solon'ny voalohan-teraka amin'ny vahoakan'Israely, ary alaivo ny biby fiompin'ireo Levita ho solon'ny biby fiompin'ny vahoaka. Ahy ireo Levita— Izaho no Yaveh. BSB BSB: “Take the Levites in place of all the firstborn of Israel, and the livestock of the Levites in place of their livestock. The Levites belong to Me; I am the LORD.
46 ULB Manangòna sekely dimy ho an'ny fanavotana isan'olona amin'ireo voalohan-teraky ny vahoakan'Israely izay mihoatra ny isan'ireo Levita. BSB BSB: To redeem the 273 firstborn Israelites who outnumber the Levites,
47 ULB Ampiasao araka ny fenitry ny lanjanao ny sekelin'ny fitoerana masina. Gera roapolo ny sekely. BSB BSB: you are to collect five shekels for each one, according to the sanctuary shekel of twenty gerahs.
48 ULB Homenao an'i Arona sy ireo zanany lahy ny vidim-panavotana izay naloanao." BSB BSB: Give the money to Aaron and his sons as the redemption price for the excess among the Israelites.”
49 ULB Ka dia nanangona ny vidin'ny fanavotana avy tamin'ireo izay nihoatra isa tamin'ireo navotan'ireo Levita i Mosesy. BSB BSB: So Moses collected the redemption money from those in excess of the number redeemed by the Levites.
50 ULB Nanangona ny vola avy tamin'ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely i Mosesy. Nahangona sekely 1. 365 izy, nolanjaina tamin'ny sekelin'ny fitoerana masina. BSB BSB: He collected the money from the firstborn of the Israelites: 1,365 shekels, according to the sanctuary shekel.
51 ULB Mosesy nanome ny volam-panavotana ho an'i Arona sy ireo zanany lahy. Mosesy nanao izay nasain'ny tenin'i Yaveh nataony, araka izay efa nandidian'i Yaveh azy. BSB BSB: And Moses gave the redemption money to Aaron and his sons in obedience to the word of the LORD, just as the LORD had commanded him.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.