2 ULB "Manaova fanisana an'ireo lehilahin'ny taranak'i Kehata eo amin'ireo Levita, araka ny fokon'izy ireo sy ny razamben'ny ankohonan'izy ireo. BSB BSB: “Take a census of the Kohathites among the Levites by their clans and families,
3 ULB Isao ireo lehilahy rehetra izay telopolo hatramin'ny dimampolo taona. Ireo lehilahy ireo dia tsy maintsy manatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-layfihaonana. BSB BSB: men from thirty to fifty years old—everyone who is qualified to serve in the work at the Tent of Meeting.
4 ULB Ireo taranak'i Kehata dia tsy maintsy mikarakara ireo zavatra masina indrindra natokana ho Ahy ao amin'ny trano-lay fihaonana. BSB BSB: This service of the Kohathites at the Tent of Meeting regards the most holy things.
5 ULB Rehefa miomana hifindra toerana ny toby, dia tsy maintsy miditra ao amin'ny lay i Arona sy ireo zanany lahy, mampidina ny lamba fanakonana izay manasaraka ny toerana masina indrindra amin'ny toerana masina ary manarona ny fiaran'ny vavolombelona miaraka amin'izany. BSB BSB: Whenever the camp sets out, Aaron and his sons are to go in, take down the veil of the curtain, and cover the ark of the Testimony with it.
6 ULB Tsy maintsy manarona ilay fiara amin'ny hodi-takasy izy ireo. Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo ambonin'izany izy ireo. Tsy maintsy apetany ireo bao mba hilanjana izany. BSB BSB: They are to place over this a covering of fine leather, spread a solid blue cloth over it, and insert its poles.
7 ULB Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo ambonin'ny latabatry ny mofon'ny fanatrehana izy ireo. Izy ireo dia tsy maintsy mametraka ireo lovia, ireo sotro, ireo lovia boribory, ary siny fandrarahana eo ambonin'izany. Tsy maintsy misy mofo foana eo ambonin'ny latabatra. BSB BSB: Over the table of the Presence they are to spread a blue cloth and place the plates and cups on it, along with the bowls and pitchers for the drink offering. The regular bread offering is to remain on it.
8 ULB Tsy maintsy saronan'izy ireo amin'ny lamba jaky sy amin'ny hodi-takasy ireo. Tsy maintsy apetak'izy ireo ireo bao mba hilanjana ny latabatra. BSB BSB: And they shall spread a scarlet cloth over them, cover them with fine leather, and insert the poles.
9 ULB Tsy maintsy maka lamba manga izy ireo ary manarona ny fitoeran-jiro, miaraka amin'ny fanilon'izany, ireo hety, ireo fitoeran-davenona, ary ireo fitoeran-diloilo rehetra ho an'ireo fanilo. BSB BSB: They are to take a blue cloth and cover the lampstand used for light, together with its lamps, wick trimmers, and trays, as well as the jars of oil with which to supply it.
10 ULB Tsy maintsy apetrak'izy ireo ao anatin'ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy ny fanaovan-jiro sy ireo fitaovana rehetra miaraka amin'izany, ary tsy maintsy apetrak'izy ireo eo ambonin'ny rafitra filanjana izany. BSB BSB: Then they shall wrap it and all its utensils inside a covering of fine leather and put it on the carrying frame.
11 ULB Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy ireo. Tsy maintsy manarona izany amin'ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy izy ireo, ary avy eo mametaka ireo bao filanjana. BSB BSB: Over the gold altar they are to spread a blue cloth, cover it with fine leather, and insert the poles.
12 ULB Tsy maintsy maka ireo fitaovana hiasana rehetra any amin'ny toerana masina izy ireo ary mamono izany ao anatin'ny lamba manga. Tsy maintsy manarona izany amin'ny hodi-takasy izy ireo ary mametraka ireo fitaovam-piasana eo amin'ny rafitra filanjana. BSB BSB: They are to take all the utensils for serving in the sanctuary, place them in a blue cloth, cover them with fine leather, and put them on the carrying frame.
13 ULB Tsy maintsy manala ireo lavenona amin'ny alitara izy ireo ary mamelatra lamba voloparasy eo amin'ilay alitara. BSB BSB: Then they shall remove the ashes from the bronze altar, spread a purple cloth over it,
14 ULB Tsy maintsy apetrak'izy ireo ny rafitra filanjana ireo fitaovam-piasana rehetra izay ampiasain'izy ireo amin'ny asan'ny alitara. Ireo fitaovana ireo dia ny fitondrana afo, fitreby, lapelina, lovia famafazana, ary ireo fitaovam-piasana hafa rehetra ho an'ny alitara. Tsy maintsy manarona ny alitara amin'ny hodi-takasy izy ireo ary avy eo mametaka ireo bao filanjana. BSB BSB: and place on it all the vessels used to serve there: the firepans, meat forks, shovels, and sprinkling bowls—all the equipment of the altar. They are to spread over it a covering of fine leather and insert the poles.
16 ULB Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona no manara-maso ny fikarakarana ny solika ho an'ny fanilo, ny ditin-kazo manitra, ny fanatitra voa mahazatra, ary ny diloilo fanosotra. Manara-maso ny fikarakarana ny tabernakely manontolo sy izay rehetra ao anatin'izany izy, dia ilay toerana masina sy ireo fitaovam-piasana rehetra miaraka amin'izany." BSB BSB: Eleazar son of Aaron the priest shall oversee the oil for the light, the fragrant incense, the daily grain offering, and the anointing oil. He has oversight of the entire tabernacle and everything in it, including the holy objects and their utensils.”
17 ULB Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Izy hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses and Aaron,
18 ULB "Aza avela ho alàna eo amin'ireo Levita ny fokon'ny fianakaviamben'ny Kehatita. BSB BSB: “Do not allow the Kohathite tribal clans to be cut off from among the Levites.
19 ULB Arovy izy ireo, mba ho velona fa tsy ho faty, amin'ny alalan'ny fanaovana izao. Rehefa manatona ireo zavatra masina indrindra izy ireo BSB BSB: In order that they may live and not die when they come near the most holy things, do this for them: Aaron and his sons are to go in and assign each man his task and what he is to carry.
20 ULB dia tsy tokony hiditra mba hijery ny toerana masina na dia fotoana kely aza, sao ho faty izy ireo. Arona sy ireo zanany lahy no tsy maintsy miditra ao, ary avy eo Arona sy ireo zanany lahy dia tsy maintsy manendry ny tsirairay amin'ireo Kehatita amin'ny asany avy, amin'ny andraikiny manokana." BSB BSB: But the Kohathites are not to go in and look at the holy objects, even for a moment, or they will die.”
21 ULB Niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses,
22 ULB "Manaova ihany koa fanisana an'ireo taranak'i Gersona, araka ny ankohonan'ny razamben'izy ireo, araka ny fokon'izy ireo. BSB BSB: “Take a census of the Gershonites as well, by their families and clans,
23 ULB Isao ireo izay telopolo hatramin'ny dimampolo taona. Isao izay rehetra hanatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. BSB BSB: from thirty to fifty years old, counting everyone who comes to serve in the work at the Tent of Meeting.
24 ULB Izao no asan'ireo fokon'ny Gersonita, rehefa manompo izy ireo ary mitondra entana. BSB BSB: This is the service of the Gershonite clans regarding work and transport:
25 ULB Tsy maintsy mitondra ireo lamba fanakonana ny tabernakely, ny trano-lay fihaonana, ny fanaronana izany, ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy izay eo amin'izany, ary ireo lamba fanakonana ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo. BSB BSB: They are to carry the curtains of the tabernacle, the Tent of Meeting with the covering of fine leather over it, the curtains for the entrance to the Tent of Meeting,
26 ULB Tsy maintsy mitondra ireo lamba fanakonana ny fitsaràna izy ireo, ny lamba fanakonana ny vavahadin'ny fitsaràna, izay eo akaikin'ny tabernakely sy eo akaikin'ny alitara, ny tadin'ireo, ary ireo fitaovana rehetra ho an'ny fanompoan'izy ireo. Izay rehetra tokony ho vita amin'ireo zavatra ireo, dia tsy maintsy ataon'izy ireo. BSB BSB: the curtains of the courtyard, and the curtains for the entrance at the gate of the courtyard that surrounds the tabernacle and altar, along with their ropes and all the equipment for their service. The Gershonites will do all that needs to be done with these items.
27 ULB Arona sy ny zanany lahy dia tsy maintsy manoro ireo asan'ny taranak'ireo Gersonita rehetra, amin'izay rehetra entin'izy ireo, ary amin'ny fanompoan'izy ireo rehetra. Tsy maintsy tendrenareo amin'ny andraikiny rehetra izy. BSB BSB: All the service of the Gershonites—all their transport duties and other work—is to be done at the direction of Aaron and his sons; you are to assign to them all that they are responsible to carry.
28 ULB Izany no fanompoan'ireo fokon'ireo taranaky ny Gersonita ho an'ny trano-lay fihaonana. Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona dia tsy maintsy mitarika azy ireo amin'ny fanompoany. BSB BSB: This is the service of the Gershonite clans at the Tent of Meeting, and their duties shall be under the direction of Ithamar son of Aaron the priest.
29 ULB Tsy maintsy manisa ireo taranak'i Merary araka ny fokon'izy ireo ianareo, ary mandahatra azy ireo araka ny ankohonan'ny razamben'izy ireo, BSB BSB: As for the sons of Merari, you are to number them by their clans and families,
30 ULB manomboka amin'ny telopolo taona no ho mihoatra ka hatramin'ny dimampolo taona. Isao ireo rehetra izay handeha hanatevin-daharana ny antoko sy hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. BSB BSB: from thirty to fifty years old, counting everyone who comes to serve in the work of the Tent of Meeting.
31 ULB Izao no andraikitr'izy ireo sy ny asan'izy ireo amin'ny fanompoan'izy rehetra ho an'ny trano-lay fihaonana. Tsy maintsy mikarakara ny entan'ny tabernakely, ny hidin'izany, ireo andry, ary ireo faladia, BSB BSB: This is the duty for all their service at the Tent of Meeting: to carry the frames of the tabernacle with its crossbars, posts, and bases,
32 ULB miaraka amin'ireo andrin'ny fitsaràna manodidina ny tabernakely, ny faladian'ireo, ireo tsatokany, ary ireo tadiny, miaraka amin'ireo fitaovany rehetra izy ireo. Soraty araka ny anarana ireo fanaka izay tsy maintsy entin'izy ireo. BSB BSB: and the posts of the surrounding courtyard with their bases, tent pegs, and ropes, including all their equipment and everything related to their use. You shall assign by name the items that they are responsible to carry.
33 ULB Izao no asan'ireo fokon'ny taranak'i Merary, izay ataon'izy ireo ho an'ny trano-lay fihaonana, eo ambany fitarihan'Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona." BSB BSB: This is the service of the Merarite clans according to all their work at the Tent of Meeting, under the direction of Ithamar son of Aaron the priest.”
34 ULB Mosesy sy Arona ary ireo mpitarika ny fivondronana no nanisa ireo taranak'i Kehatita araka ny fokon'ny razamben'izy ireo. BSB BSB: So Moses, Aaron, and the leaders of the congregation numbered the Kohathites by their clans and families,
35 ULB Nisain'izy ireo manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona izy ireo. Nanisa izay rehetra hanatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo. BSB BSB: everyone from thirty to fifty years old who came to serve in the work at the Tent of Meeting.
36 ULB Olona 2. 750 no voaisan'izy ireo araka ny fokony. BSB BSB: And those numbered by their clans totaled 2,750.
37 ULB Mosesy sy Arona dia nanisa ireo olona rehetra tao amin'ireo foko sy ireo fianakavian'ireo Kehatita izay manompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo. BSB BSB: These were counted from the Kohathite clans, everyone who could serve at the Tent of Meeting. Moses and Aaron numbered them according to the command of the LORD through Moses.
38 ULB Ireo taranak'i Gersona dia nisaina tao amin'ny fokon'izy ireo, araka ny ankohonan'ny fianakavian'izy ireo, BSB BSB: Then the Gershonites were numbered by their clans and families,
39 ULB manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona, izay rehetra hiditra ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. BSB BSB: everyone from thirty to fifty years old who came to serve in the work at the Tent of Meeting.
40 ULB Ny olona rehetra, dia nisaina araka ny fokon'izy ireo sy ny ankohonan'ny razamben'izy ireo avy, 2. 630 isa. BSB BSB: And those numbered by their clans and families totaled 2,630.
41 ULB Mosesy sy Arona dia nanisa ireo fokon'ny taranak'i Gersona izay hanompo ao amin'ny trano-layfihaonana. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo amin'ny talalan'i Mosesy izy ireo. BSB BSB: These were counted from the Gershonite clans who served at the Tent of Meeting, whom Moses and Aaron counted at the LORD’s command.
42 ULB Ireo taranak'i Merary dia nisaina tao amin'ny fokon'izy ireo araka ny ankohonan'ny razamben'izy ireo, BSB BSB: And the Merarites were numbered by their clans and families,
43 ULB manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona, izay rehetra hiditra ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. BSB BSB: everyone from thirty to fifty years old who came to serve in the work at the Tent of Meeting.
44 ULB Ny olona rehetra, dia nisaina araka ny fokon'izy ireo sy ny ankohonan'ny razamben'izy ireo avy, 3. 200 isa. BSB BSB: The men registered by their clans numbered 3,200.
45 ULB Nanisa ireo olona rehetra ireo i Arona sy Mosesy, dia ireo taranak'i Merary. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo. BSB BSB: These were counted from the Merarite clans, whom Moses and Aaron numbered at the LORD’s command through Moses.
46 ULB Koa nanisa ireo Levita rehetra araka ny fokon'izy ireo tao amin'ny fianakavian'ny razambeny BSB BSB: So Moses, Aaron, and the leaders of Israel numbered by their clans and families all the Levites
47 ULB nanomboka tamin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona i Mosesy, Arona, ary ireo mpitarik'Israely. Nisain'izy ireo izay rehetra hiasa ao amin'ny tabernakely, sy izay hitondra ary hikarakara ireo fanaka ao amin'ny trano-lay fihaonana. BSB BSB: from thirty to fifty years old who came to do the work of serving and carrying the Tent of Meeting.
48 ULB Olona 8. 580 no voaisan'izy ireo. BSB BSB: And the number of men was 8,580.
49 ULB Araka ny didin'i Yaveh, dia nanisa ny olona tsirairay i Mosesy, araka ny karazan'asa izay nanendrena azy avy. Nanisa ny olona tsirairay araka ny karazan'andraikitra nosahaniny avy izy. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo. BSB BSB: At the LORD’s command through Moses they were numbered, and each one was assigned his work and burden, as the LORD had commanded Moses.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.