1 ULB Niteny tamin'ireo mpitarika ny fokon'ny vahoakan'Israely i Mosesy. Hoy izy hoe: "Izao no nandidian'i Yaveh. BSB BSB: Then Moses said to the heads of the tribes of Israel, “This is what the LORD has commanded:
2 ULB Rehefa misy mivoady amin'i Yaveh, na manao fianianana hamatotra ny tenany amin'ny fampanantenana, dia aoka izy tsy hivadika amin'ny teniny. Aoka izy hitana ny fampanantenany hanao izay rehetra naloaky ny vavany. BSB BSB: If a man makes a vow to the LORD or swears an oath to obligate himself by a pledge, he must not break his word; he must do everything he has promised.
3 ULB Raha misy tovovavy mipetraka ao an-tranon-drainy ka manao voady amin'i Yaveh ary mamatotra ny tenany amin'ny fampanantenana, BSB BSB: And if a woman in her father’s house during her youth makes a vow to the LORD or obligates herself by a pledge,
4 ULB raha mandre ny voady ny rainy ka mianiana amin'izay namatorany ny tenany, ary raha tsy miteny na inona na inona izy mba hampivadika azy, dia hanan-kery ihany ny voadiny. Ny fampanantenana rehetra izay namatorany ny tenany dia hanan-kery hatrany. BSB BSB: and her father hears about her vow or pledge but says nothing to her, then all the vows or pledges by which she has bound herself shall stand.
5 ULB Fa raha mandre momba ny voadiny sy ny fampanantenany ny rainy, ary raha tsy miteny na inona na inona aminy, dia ny voady rehetra izay nataony tamin'ny tenany dia hanan-kery hatrany. BSB BSB: But if her father prohibits her on the day he hears about it, then none of the vows or pledges by which she has bound herself shall stand. The LORD will absolve her because her father has prohibited her.
6 ULB Kanefa, raha mandre ny voadiny rehetra izay nataony sy ny fampanantenana manetriketrika nataony izay namatorany ny tenany ny rainy, ary raha manapaka azy izy amin'io andro io ihany, dia tsy hijanona hanan-kery ireo. Hamela azy Yaveh satria nanapaka azy ny rainy. BSB BSB: If a woman marries while under a vow or rash promise by which she has bound herself,
7 ULB Raha manambady lehilahy iray izy ka mbola voafatotr'ireo voady, na manao fampanatenana maimaika izay hanereny ny tenany, dia hanan-kery hatrany ireo fanerena ireo. BSB BSB: and her husband hears of it but says nothing to her on that day, then the vows or pledges by which she has bound herself shall stand.
8 ULB Fa raha manakana azy amin'ny andro andrenesany momba izany ny rainy, dia hanafoana ny voady izay nataony izy, dia ilay teny maimaika nataon'ny molony izay namatorany ny tenany. Hanafaka azy Yaveh. BSB BSB: But if her husband prohibits her when he hears of it, he nullifies the vow that binds her or the rash promise she has made, and the LORD will absolve her.
9 ULB Fa ny amin'ny mpitondratena na vehivavy nisara-bady, izay rehetra namatorany ny tenany dia hana-kery aminy hatrany. BSB BSB: Every vow a widow or divorced woman pledges to fulfill is binding on her.
10 ULB Raha misy vehivavy nanao voady tao an-tranon'ny vadiny na nanery ny tenany tamin'ny fanaovana fianianana, BSB BSB: If a woman in her husband’s house has made a vow or put herself under an obligation with an oath,
11 ULB ary ren'ny vadiny izany, saingy tsy miteny na inona na inona aminy izy ary tsy manohitra azy, dia aoka hitoetra ny voadiny rehetra ary aoka hijanona hanan-kery ny fanerena nataony. BSB BSB: and her husband hears of it but says nothing to her and does not prohibit her, then all the vows or pledges by which she has bound herself shall stand.
12 ULB Fa raha foanan'ny vadiny ireo amin'ny andro izay nandrenesany momba izany, izay rehetra naloaky ny molony momba ireo voady na fampanantenana dia tsy hanan-kery. Efa nofoanan'ny vadiny izany. Hanafaka azy Yaveh. BSB BSB: But if her husband nullifies them on the day he hears of them, then nothing that came from her lips, whether her vows or pledges, shall stand. Her husband has nullified them, and the LORD will absolve her.
13 ULB Ny voady rehetra izay ataon'ny vehivavy iray ka mamatotra azy handà ny tenany dia mety hamafisina na ho foanan'ny vadiny. BSB BSB: Her husband may confirm or nullify any vow or any sworn pledge to deny herself.
14 ULB Fa raha tsy miteny na inona na inona aminy isan'andro izy, dia manamafy ny voadiny rehetra izy ary mamatotra ny fampanantenana izay nataony. Nohamafisiny ireo satria tsy nilaza na inona na inona taminy izy tamin'ny fotoana nandrenesany momba ireo. BSB BSB: But if her husband says nothing to her from day to day, then he confirms all the vows and pledges that bind her. He has confirmed them, because he said nothing to her on the day he heard about them.
15 ULB Raha mitady ny hanafoana ny voadin'ny vadiny fotoana ela taorian'ny nandrenesany momba izany ny lehilahy, dia izy no ho tompon'antoka amin'ny fahotany." BSB BSB: But if he nullifies them after he hears of them, then he will bear her iniquity.”
16 ULB Ireo no lalàna nandidian'i Yaveh mba hambaran'i Mosesy—lalàna ho an'izay eo amin'ny lehilahy sy ny vadiny ary eo amin'ny ray sy ny zanany vavy rehefa ao anatin'ny fahatanorany ao an-tranon'ny fianakavian-drainy izy. BSB BSB: These are the statutes that the LORD commanded Moses concerning the relationship between a man and his wife, and between a father and a young daughter still in his home.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.