1 ULB Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses,
2 ULB "Manaova valifaty amin'ireo Midianita nohon'ny nataon'izy ireo tamin'ireo Israelita. Rehefa vita izany, dia ho faty ianao ary hangonina eo amin'ny olonao." BSB BSB: “Take vengeance on the Midianites for the Israelites. After that, you will be gathered to your people.”
3 ULB Koa niresaka tamin'ireo vahoaka i Mosesy. Hoy izy hoe: "Rongoy fiadina ho amin'ny ady ny sasany amin'ireo olonareo mba handehanan'izy ireo hanohitra an'ireo Midiana sy hanatanteraka valifatin'i Yaveh amin'izany. BSB BSB: So Moses told the people, “Arm some of your men for war, that they may go against the Midianites and execute the LORD’s vengeance on them.
4 ULB Ny foko rehetra manerana an'Israely dia tsy maintsy mandefa miaramila ho any an'ady." BSB BSB: Send into battle a thousand men from each tribe of Israel.”
5 ULB Koa tamin'ireo olona an'arivorivon'Israely, dia avy any amin'ny foko rehetra ho an'ny ady ny an'arivony, roa arivo sy iray alina no fitambarany. BSB BSB: So a thousand men were recruited from each tribe of Israel—twelve thousand armed for war.
6 ULB Avy eo nalefan'i Mosesy an'ady izy ireo, arivo avy amin'ny foko rehetra, niaraka tamin'i Finehasa zanaka lahin'i Eleazara mpisorona, sy niaraka tamin'ny fanaka sasany avy ao amin'ny fitoerana masina ary trompetra eny an-tanany mba hitsofana ny fanairana. BSB BSB: And Moses sent the thousand from each tribe into battle, along with Phinehas son of Eleazar the priest, who took with him the vessels of the sanctuary and the trumpets for signaling.
7 ULB Niady tamin'ny Midiana izy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Novonoin'izy ireo ny olona rehetra. BSB BSB: Then they waged war against Midian, as the LORD had commanded Moses, and they killed every male.
8 ULB Novonoiny ireo mpanjakan'i Midiana niaraka tamin'ny sisan'ny matin'izy ireo: Evy, Rekema, Zora, Hora, ary Reba, ireo mpanjaka dimin'i Midiana. Novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra ihany koa Balama zanaka lahin'i Beora. BSB BSB: Among the slain were Evi, Rekem, Zur, Hur, and Reba—the five kings of Midian. They also killed Balaam son of Beor with the sword.
9 ULB Nalain'ny tafik'Israely ho babo ireo vehivavin'i Midiana, ny zanak'izy ireo, ny biby fiompin'izy rehetra, ireo ondry aman'osin'izy ireo, ary ny fananan'izy rehetra. Nalain'izy ireo ho babo avokoa ireo. BSB BSB: The Israelites captured the Midianite women and their children, and they plundered all their herds, flocks, and goods.
10 ULB Nodoran'izy ireo ny tanànany rehetra izay nonenan'izy ireo ary ireo tobiny rehetra. BSB BSB: Then they burned all the cities where the Midianites had lived, as well as all their encampments,
11 ULB Nalain'izy ireo avokoa ireo babo sy gadra rehetra, na olona na biby. BSB BSB: and carried away all the plunder and spoils, both people and animals.
12 ULB Nentin'izy ireo tany amin'i Mosesy, Eleazara mpisorona, ary tany amin'ny fianakaviamben'ny olon'Israely ireo gadra, ny babo, ary ireo zavatra azo. Nentin'izy ireo tany amin'ny toby tany amin'ireo tany hain'i Moaba, amoron'i Jordana akaikin'i Jeriko ireo. BSB BSB: They brought the captives, spoils, and plunder to Moses, to Eleazar the priest, and to the congregation of Israel at the camp on the plains of Moab, by the Jordan across from Jericho.
13 ULB Nandeha nivoaka nitsena azy ireo tany ivelan'ny toby i Mosesy, Eleazara mpisorona, sy ireo mpitarika ny fianakaviambe rehetra. BSB BSB: And Moses, Eleazar the priest, and all the leaders of the congregation went to meet them outside the camp.
14 ULB Fa Mosesy dia tezitra tamin'ireo manam-pahefan'ny tafika, ireo mpifehy ny arivo sy ireo kapitenin'ny zato, izay tonga avy any an'ady. BSB BSB: But Moses was angry with the officers of the army—the commanders of thousands and commanders of hundreds—who were returning from the battle.
15 ULB Hoy Mosesy tamin'izy ireo hoe: "Navelanareo ho velona ve ny vehivavy rehetra? BSB BSB: “Have you spared all the women?” he asked them.
16 ULB Indro, nataon'ireo vehivavy ireo nanota tamin'i Yaveh ny amin'i Peora tamin'ny alalan'i torohevitr'i Balama ny olon'Israely, rehefa niparitaka teo amin'ny fiangonan'i Yaveh ny areti-mandoza. BSB BSB: “Look, these women caused the sons of Israel, through the counsel of Balaam, to turn unfaithfully against the LORD at Peor, so that the plague struck the congregation of the LORD.
17 ULB Ankehitriny ary, vonoy ny zazalahy eo amin'ny madinika rehetra, ary vonoy ny vehivavy rehetra izay efa niara-nandry tamin'ny lehilahy. BSB BSB: So now, kill all the boys, as well as every woman who has had relations with a man,
18 ULB Fa ento ho anareo ny tovovavy rehetra izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy mihitsy. BSB BSB: but spare for yourselves every girl who has never had relations with a man.
19 ULB Tsy maintsy mitoby ivelan'ny tobin'Israely mandritra ny fito andro ianareo. Ianareo rehetra izay efa namono olona na nikitika olona maty—tsy maintsy manadio ny tenanareo ianareo amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito—ianareo sy ireo gadranareo. BSB BSB: All of you who have killed a person or touched the dead are to remain outside the camp for seven days. On the third day and the seventh day you are to purify both yourselves and your captives.
20 ULB Tsy maintsy manadio ny akanjonareo rehetra sy ny zavatra rehetra vita amin'ny hodi-biby sy volon'osy, ary ny zavatra rehetra vita amin'ny hazo ianareo." BSB BSB: And purify every garment and leather good, everything made of goat’s hair, and every article of wood.”
21 ULB Eleazara mpisorona dia nilaza tamin'ireo miaramila izay nandeha tany an'ady hoe: "Ity dia lalàna voadidy izay nomen'i Yaveh an'i Mosesy: BSB BSB: Then Eleazar the priest said to the soldiers who had gone into battle, “This is the statute of the law which the LORD has commanded Moses:
22 ULB Ny volamena, volafotsy, varahina, vy, vifotsy, sy firaka, BSB BSB: Only the gold, silver, bronze, iron, tin, and lead—
23 ULB ary ny zavatra rehetra izay tsy andairan'ny afo, dia tsy maintsy ataonareo anaty afo, ka hadio izany. Avy eo tsy maintsy diovinareo amin'ny rano fandiovana ireo zavatra ireo. Na inona na inona tsy afaka mandalo amin'ny afo dia tsy maintsy diovinareo amin'izany rano izany. BSB BSB: everything that can withstand the fire—must be put through the fire, and it will be clean. But it must still be purified with the water of purification. And everything that cannot withstand the fire must pass through the water.
24 ULB Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy sasanareo ny fitafianareo, ary avy eo ianareo hadio. Aorian'izany dia ho tonga ao amin'ny tobin'Israely ianareo." BSB BSB: On the seventh day you are to wash your clothes, and you will be clean. After that you may enter the camp.”
25 ULB Avy eo Yaveh niresaka tamin'i Mosesy ary niteny hoe: BSB BSB: The LORD said to Moses,
26 ULB "Isao ireo zavatra babo rehetra izay azo, na olona na biby. Ianao, Eleazara mpisorona, ary ireo mpitarika ny fianakaviamben'ireo fokon'ny razambenao BSB BSB: “You and Eleazar the priest and the family heads of the congregation are to take a count of what was captured, both of man and beast.
27 ULB dia tsy maintsy mizara ireo babo ho fizarana roa. Zarao eo amin'ireo miaramila izay nandeha an'ady sy ireo ambin'ny fianakaviambe rehetra izany. BSB BSB: Then divide the captives between the troops who went out to battle and the rest of the congregation.
28 ULB Avy eo mitakia hetra avy amin'ireo miaramila izay nandeha an'ady mba homena Ahy. Izany hetra izany dia tsy maintsy iray isan-dimanjato, na olona, biby fiompy, boriky, ondry, na osy. BSB BSB: Set aside a tribute for the LORD from what belongs to the soldiers who went into battle: one out of every five hundred, whether persons, cattle, donkeys, or sheep.
29 ULB Alaivo amin'ny antsasak'ireo izany hetra izany ary omeo an'i Eleazara mpisorona izany mba ho fanatitra hatolotra ho Ahy. BSB BSB: Take it from their half and give it to Eleazar the priest as an offering to the LORD.
30 ULB Ary avy amin'ny antsasaky ny Israely ihany koa, dia tsy maintsy maka iray isan-dimam-polo ianao—avy amin'ireo olona, biby fiompy, boriky, ondry, ary osy. Omeo an'ireo Levita izay mikarakara ny tabernakeliko ireo." BSB BSB: From the Israelites’ half, take one out of every fifty, whether persons, cattle, donkeys, sheep, or other animals, and give them to the Levites who keep charge of the tabernacle of the LORD.”
31 ULB Koa dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona araka ny nandidian'i Yaveh. BSB BSB: So Moses and Eleazar the priest did as the LORD had commanded Moses,
32 ULB Ary ny babo izay sisa tamin'ireo azon'ireo miaramila dia ondry 675. 000, BSB BSB: and this plunder remained from the spoils the soldiers had taken: 675,000 sheep,
33 ULB omby roa arivo sy fito alina, BSB BSB: 72,000 cattle,
34 ULB boriky arivo sy enina alina, BSB BSB: 61,000 donkeys,
35 ULB ary vehivavy roa arivo sy telo alina izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy mihitsy. BSB BSB: and 32,000 women who had not slept with a man.
36 ULB Ny antsasany izay nohazonin'ireo miaramila dia ondry miisa 337. 000. BSB BSB: This was the half portion for those who had gone to war: 337,500 sheep,
37 ULB Ny anjaran'i Yaveh dia ondry 675. BSB BSB: including a tribute to the LORD of 675,
38 ULB Ireo omby dia enina arivo sy telo alina ary roa amby fito-polo no hetran'i Yaveh. BSB BSB: 36,000 cattle, including a tribute to the LORD of 72,
39 ULB 30. 500 ny isan'ireo boriky ary iraika amby enim-polo no anjaran'i Yaveh. BSB BSB: 30,500 donkeys, including a tribute to the LORD of 61,
40 ULB Enina arivo sy iray alina ireo olona ka roa amby telopolo no hetran'i Yaveh. BSB BSB: and 16,000 people, including a tribute to the LORD of 32.
41 ULB Nalain'i Mosesy ny hetra izay tokony ho fanatitra atolotra ho an'i Yaveh. Nomeny an'i Eleazara mpisorona izany, araka ny nandidian'i Mosesy. BSB BSB: Moses gave the tribute to Eleazar the priest as an offering for the LORD, as the LORD had commanded Moses.
42 ULB Raha ny amin'ireo antsasaky ny olon'Israely izay nalain'i Mosesy avy amin'ireo miaramila izay nandeha tany an'ady— BSB BSB: From the Israelites’ half, which Moses had set apart from the men who had gone to war,
43 ULB dia ondry 337. 500, BSB BSB: this half belonged to the congregation: 337,500 sheep,
44 ULB omby enina arivo sy telo alina, BSB BSB: 36,000 cattle,
45 ULB boriky 30. 500, BSB BSB: 30,500 donkeys,
46 ULB ary vehivay enina arivo sy iray alina no an'ny antsasaky ny fianakaviambe. BSB BSB: and 16,000 people.
47 ULB Avy amin'ireo antsasaky ny olon'Israely, dia naka iray isan-dimam-polo i Mosesy, na olona na biby. Nomeny an'ireo Levita izay nikarakara foana ny tabernakelin'i Yaveh ireo, araka ny nandidian'i Yaveh azy mba hatao. BSB BSB: From the Israelites’ half, Moses took one out of every fifty persons and animals and gave them to the Levites who kept charge of the tabernacle of the LORD, as the LORD had commanded him.
48 ULB Avy eo ireo manam-pahefan'ny tafika, ireo mpifehy ny arivo sy ireo kapitenin'ny zato, tonga tany amin'i Mosesy. BSB BSB: Then the officers who were over the units of the army—the commanders of thousands and of hundreds—approached Moses
49 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Nisain'ireo mpanomponao ireo miaramila izay ambanin'ny fifehezanay, ary tsy misy na iray aza tsy ao. BSB BSB: and said, “Your servants have counted the soldiers under our command, and not one of us is missing.
50 ULB Nentinay ny fanatitr'i Yaveh, izay hitan'ny olona tsirairay, fanaka volamena, fehin-tanana sy haba, peratra fanombohan-kase, kavina, ary rojo, mba hanaovana fanavotana ho anay eo anoloan'i Yaveh." BSB BSB: So we have brought to the LORD an offering of the gold articles each man acquired—armlets, bracelets, rings, earrings, and necklaces—to make atonement for ourselves before the LORD.”
51 ULB Mosesy sy Eleazara dia nandray ny volamena sy ireo fanaky ny asa tanana rehetra avy amin'izy ireo. BSB BSB: So Moses and Eleazar the priest received from them all the articles made out of gold.
52 ULB Ireo volamena rehetra tamin'ny fanatitra izay nomen'izy ireo an'i Yaveh—ireo fanatitra avy amin'ireo mpifehy ny arivo sy avy amin'ireo mpifehy ny zato—dia milanja sekely 16. 750. BSB BSB: All the gold that the commanders of thousands and of hundreds presented as an offering to the LORD weighed 16,750 shekels.
53 ULB Ny miaramila tsirairay dia samy naka babo, olona tsirairay ho an'ny tenany. BSB BSB: Each of the soldiers had taken plunder for himself.
54 ULB Mosesy sy Eleazara mpisorona dia naka volamena avy amin'ireo mpifehy ny arivo sy ireo kapitenin'ny zato. Nentin'izy ireo tao amin'ny trano-lay fihaonana izany ho fahatsiarovana ny olon'Israely ho an'i Yaveh. BSB BSB: And Moses and Eleazar the priest received the gold from the commanders of thousands and of hundreds and brought it into the Tent of Meeting as a memorial for the Israelites before the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.