1 ULB Yaveh niteny tamin'i Mosesy. Hoy Izy hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses,
2 ULB "Mitenena amin'ny vahoakan'i Israely. Lazao amin'izy ireo hoe: 'Raha misy lehilahy na vehivavy mitokan-tena ho an'i Yaveh amin'ny voady manokan'ny Nazirita, BSB BSB: “Speak to the Israelites and tell them that if a man or woman makes a special vow, the vow of a Nazirite, to separate himself to the LORD,
3 ULB dia aoka hifady divay na zava-pisotro mahery izy. Aoka tsy hisotro vinaingitra natao tamin'ny divay na tamin'ny zava-pisotro mahery izy. Aoka tsy hisotro ranom-boaloboka izy na hihinana voaloboka tsara na voaloboka maina. BSB BSB: he is to abstain from wine and strong drink. He must not drink vinegar made from wine or strong drink, and he must not drink any grape juice or eat fresh grapes or raisins.
4 ULB Amin'ny andro rehetra izay hitokanany ho Ahy, dia aoka tsy hihinana na inona na inona izay vita amin'ny voaloboka izy, anisan'izany ny zavatra rehetra vita hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny. BSB BSB: All the days of his separation, he is not to eat anything that comes from the grapevine, not even the seeds or skins.
5 ULB Mandritra ny fotoan'ny voadim-pitokanany rehetra, dia tsy hisy hareza hampiasaina amin'ny lohany mandra-pahatapitry ny andron'ny fitokanany ho an'i Yaveh. Aoka hatokana ho an'i Yaveh izy. Aoka hamela ny volony hihalava amin'ny lohany izy. BSB BSB: For the entire period of his vow of separation, no razor shall touch his head. He must be holy until the time of his separation to the LORD is complete; he must let the hair of his head grow long.
6 ULB Mandritra ny fotoana rehetra izay hitokanany ho an'i Yaveh, dia aoka tsy hanakaiky faty izy. BSB BSB: Throughout the days of his separation to the LORD, he must not go near a dead body.
7 ULB Aoka tsy handoto ny tenany izy eny fa na dia ho an'ny rainy, reniny, rahalahiny, na anabaviny aza, raha maty ireo. Izany dia satria efa nitokana ho an'Andriamanitra izy, izay hitan'ny olona amin'ny halavan'ny volony. BSB BSB: Even if his father or mother or brother or sister should die, he is not to defile himself, because the symbol of consecration to his God is upon his head.
8 ULB Mandritra ny fotoan'ny fitokanany rehetra dia masina izy, voatokana ho an'i Yaveh. BSB BSB: Throughout the time of his separation, he is holy to the LORD.
9 ULB Raha misy olona maty tampoka eo akaikiny ka mandoto ny lohany voamasina, dia aoka hanaratra ny lohany izy amin'ny andron'ny fanadiovana azy—amin'ny andro fahafito no tsy maintsy hanaratany izany. BSB BSB: If someone suddenly dies in his presence and defiles his consecrated head of hair, he must shave his head on the day of his cleansing—the seventh day.
10 ULB Amin'ny andro fahavalo dia aoka hitondra voromailala roa na zana-boromailala roa ho an'ny mpisorona eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana izy. BSB BSB: On the eighth day he must bring two turtledoves or two young pigeons to the priest at the entrance to the Tent of Meeting.
11 ULB Aoka hanolotra vorona iray ho fanatitra nohon'ny ota ary iray hafa ho fanatitra dorana ny mpisorona. Ireo dia hanonitra azy satria nanota tamin'ny naha-teo akaikin'ny faty azy izy. Aoka hanamasina ny lohany indray izy amin'izany andro izany. BSB BSB: And the priest is to offer one as a sin offering and the other as a burnt offering to make atonement for him, because he has sinned by being in the presence of the dead body. On that day he must consecrate his head again.
12 ULB Aoka hanoka-tena ho an'i Yaveh mandritra ny andron'ny fanamasinana azy izy. Aoka hitondra zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra noho ny heloka izy. Ny andro nialohan'ny nandotoany ny tenany dia aoka tsy hisaina, satria nolotoina ny fahamasinany. BSB BSB: He must rededicate his time of separation to the LORD and bring a year-old male lamb as a guilt offering. But the preceding days shall not be counted, because his separation was defiled.
13 ULB Izany no lalàna momba ny Nazirita rehefa feno ny fotoan'ny fitokanany. Aoka ho entina eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana izy. BSB BSB: Now this is the law of the Nazirite when his time of separation is complete: He must be brought to the entrance to the Tent of Meeting,
14 ULB Aoka hanolotra ny fanatiny ho an'i Yaveh izy. Aoka hanolotra zanak'ondry lahy herintaona sady tsy misy kilema ho fanatitra dorana izy. Aoka hanolotra zanak'ondry vavy herintaona sady tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota izy. Aoka hitondra ondrilahy izay tsy misy kilema ho fanati-pihavanana izy. BSB BSB: and he is to present an offering to the LORD of an unblemished year-old male lamb as a burnt offering, an unblemished year-old female lamb as a sin offering, and an unblemished ram as a peace offering—
15 ULB Aoka hitondra mofo tsy misy lalivay eran'ny harona, mofo vita amin'ny kobam-bary tsara toto miharo menaka, mofo manify tsy misy lalivay natsoboka tao amin'ny menaka, miaraka amin'ny fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina ihany koa izy. BSB BSB: together with their grain offerings and drink offerings—and a basket of unleavened cakes made from fine flour mixed with oil and unleavened wafers coated with oil.
16 ULB Aoka hanolotra ireo eo anatrehan'i Yaveh ny mpisorona. Aoka hanolotra ny fanatitra noho ny otany sy ny fanatitra dorany izy. BSB BSB: The priest is to present all these before the LORD and make the sin offering and the burnt offering.
17 ULB Miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira eran'ny harona, no aoka hanolorany ny ondrilahy ho sorona, dia ny fanati-pihavanana ho an'i Yaveh. Aoka hanolotra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra sotroina ihany koa ny mpisorona. BSB BSB: He shall also offer the ram as a peace offering to the LORD, along with the basket of unleavened bread. And the priest is to offer the accompanying grain offering and drink offering.
18 ULB Aoka hanaratra ny lohany ilay Nazirita ho fanehoana ny fitokanany ho an'Andriamanitra eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana. Aoka haka ny volo eo an-dohany izy ka handefa izany ao anaty afo izay ao ambanin'ny sorona ho fanati-pihavanana. BSB BSB: Then at the entrance to the Tent of Meeting, the Nazirite is to shave his consecrated head, take the hair, and put it on the fire under the peace offering.
19 ULB Aoka haka ny soroky ny ondrilahy mangotraka, singa-mofo tsy misy lalivay ao amin'ny harona, ary mofo manify tsy misy lalivay iray ny mpisorona. Aoka hametraka ireo eo an-tanan'ilay Nazirita izy rehefa avy nanaratra ny lohany hanehoana ny fitokanany izy. BSB BSB: And the priest is to take the boiled shoulder from the ram, one unleavened cake from the basket, and one unleavened wafer, and put them into the hands of the Nazirite who has just shaved the hair of his consecration.
20 ULB Ny mpisorona dia aoka hanevaheva ireo ho fanatitra eo anatrehan'i Yaveh, anjara masin'ny mpisorona, miaraka amin'ny tratra izay nahevaheva sy ny fe izay natolotra ho an'ny mpisorona. Aorian'izay, dia afaka misotro divay ilay Nazirita. BSB BSB: The priest shall then wave them as a wave offering before the LORD. This is a holy portion for the priest, in addition to the breast of the wave offering and the thigh that was presented. After that, the Nazirite may drink wine.
21 ULB Izany no lalàna ho an'ny Nazirita izay mivoady hitondra ny fanatiny ho an'i Yaveh ho an'ny fitokanany. Na inona na inona mety omeny, dia aoka hitandrina ireo adidin'ny voady nataony izy, mba hitàna ny fampanantenana lazain'ny lalàna ho an'ny Nazirita.'" BSB BSB: This is the law of the Nazirite who vows his offering to the LORD for his separation, in addition to whatever else he can afford; he must fulfill whatever vow he makes, according to the law of his separation.”
22 ULB Niteny tamin'i Mosesy indray Yaveh. Hoy Izy: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
23 ULB "Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany lahy. Lazao hoe: 'Tsofinareo rano amin'izao fomba izao ny vahoakan'i Israely. Lazaonao amin'izy ireo hoe: BSB BSB: “Tell Aaron and his sons: This is how you are to bless the Israelites. Say to them:
25 ULB Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie Yaveh. BSB BSB: may the LORD cause His face to shine upon you and be gracious to you;
26 ULB Hijery anao amim-pankasitrahana sy hanome fiadanana anao anie Yaveh.'" BSB BSB: may the LORD lift up His countenance toward you and give you peace.’
27 ULB Amin'izany fomba izany no tsy maintsy hametrahan'izy ireo ny anarako eo amin'ny vahoakan'ny Israely. Dia hitahy azy ireo Aho." BSB BSB: So they shall put My name on the Israelites, and I will bless them.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.