1 ULB Paoly sy Timoty, mpanompon'i Jesosy Kristy, ho an'ireo rehetra voatokana ho an'i Jesosy Kristy izay any Filipy, miaraka amin'ireo mpiandraikitra sy ireo diakona. BSB BSB: Paul and Timothy, servants of Christ Jesus, To all the saints in Christ Jesus at Philippi, together with the overseers and deacons:
2 ULB Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. BSB BSB: Grace and peace to you from God our Father and the Lord Jesus Christ.
3 ULB Misaotra ny Andriamanitro aho amin'ny fahatsiarovako anareo. BSB BSB: I thank my God every time I remember you.
4 ULB Ao amin'ny fivavahako ho anareo rehetra, dia amin'ny fifaliana hatrany no anaovako ny fivavahako. BSB BSB: In every prayer for all of you, I always pray with joy,
5 ULB Manome fisaorana aho nohon'ny amin'ny fiombonanareo amin'ny filazantsara nanomboka tamin'ny andro voalohany ka hatramin'izao. BSB BSB: because of your partnership in the gospel from the first day until now,
7 ULB Fa tsara amiko ny mahatsapa toy izany ny amin'ny momba anareo rehetra satria ato am-poko ianareo. Ianareo rehetra dia mpiara-miasa tamiko tamin'ny fahasoavana na tamin'ny figadrako sy tamin'ny fiarovako na koa tamin'ny fanamafisana ny filazantsara. BSB BSB: It is right for me to feel this way about all of you, since I have you in my heart. For in my chains and in my defense and confirmation of the gospel, you are all partners in grace with me.
8 ULB Fa Andriamanitra no vavolombeloko, fa manina anareo fatratra aho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesosy. BSB BSB: God is my witness how I long for all of you with the affection of Christ Jesus.
9 ULB Ary izaho mivavaka an'izao: mba hitombo hatrany hatrany ny fitiavanareo amin'ny fahalalana sy amin'ny fahazavan-tsaina rehetra. BSB BSB: And this is my prayer: that your love may abound more and more in knowledge and depth of insight,
10 ULB Mivavaka ho an'izany aho mba hanaiky izay tsara dia tsara ianareo, mba ho tso-po sy tsy misy tsiny amin'ny andron'i Kristy. BSB BSB: so that you may be able to test and prove what is best and may be pure and blameless for the day of Christ,
11 ULB Mivavaka aho mba ho fenon'ny vokatry ny fahamarinana izay avy amin'i Jesosy Kristy ianareo, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra. BSB BSB: filled with the fruit of righteousness that comes through Jesus Christ, to the glory and praise of God.
12 ULB Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ireo zavatra izay nitranga tamiko dia niasa ho amin'ny fampandrosoana ny filazantsara tokoa. BSB BSB: Now I want you to know, brothers, that my circumstances have actually served to advance the gospel.
13 ULB Vokatr'izany, ny fatorako ao amin'i Kristy dia niharihary mazava nanerana ireo mpiambin'ny lapa manontolo sy ireo olona hafa. BSB BSB: As a result, it has become clear throughout the whole palace guard and to everyone else that I am in chains for Christ.
14 ULB Ny ankamaroan'ireo rahalahy dia manana toky lehibe kokoa ao amin'ny Tompo nohon'ny fatorako, ary sahy manambara tsy amin-tahotra ny teny izy ireo. BSB BSB: And most of the brothers, confident in the Lord by my chains, now dare more greatly to speak the word without fear.
15 ULB Ny sasany aza dia mitory an'i Kristy amin'ny fialonana sy fifandirana tokoa, ary ireo hafa kosa amin'ny sitrapo tsara. BSB BSB: It is true that some preach Christ out of envy and rivalry, but others out of goodwill.
16 ULB Ireto farany dia manao izany amin'ny fitiavana, mahafantatra fa izaho dia napetraka eto ho fiarovana ny filazantsara. BSB BSB: The latter do so in love, knowing that I am appointed for the defense of the gospel.
17 ULB Fa iretsy voalohany dia mitory an'i Kristy amin'ny fitiavan-tena, fa tsy tso-po. Izy ireny dia mihevitra fa hanakorontana ahy raha mbola ao amin'ny fifatorako aho. BSB BSB: The former, however, preach Christ out of selfish ambition, not sincerely, supposing that they can add to the distress of my chains.
18 ULB Inona ary? Amin'ny fomba rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy na amin'ny fahamarinana, Kristy no toriana, ary mifaly ny amin'izany aho. Eny, ho faly aho, BSB BSB: What then is the issue? Just this: that in every way, whether by false motives or true, Christ is preached. And in this I rejoice. Yes, and I will continue to rejoice,
19 ULB fa fantatro fa izany dia hiafara amin'ny fanafahana ahy amin'ny alalan'ireo vavakareo sy ny fanampian'ny Fanahin'i Jesosy Kristy. BSB BSB: because I know that through your prayers and the provision of the Spirit of Jesus Christ, my distress will turn out for my deliverance.
20 ULB Izany dia araka ny fiandrasako fatratra sy ny antoka fa izaho dia tsy ho menatra mihitsy, ary mbola amin'ny fahasahiana rehetra ihany, ankehitriny tahaka ny hatrizay, dia hisandratra ato amin'ny tenako Kristy, na amin'ny fiainana na amin'ny fahafatesana. BSB BSB: I eagerly expect and hope that I will in no way be ashamed, but will have complete boldness so that now as always Christ will be exalted in my body, whether by life or by death.
21 ULB Ho ahy ny hoe miaina dia Kristy ary ny hoe maty dia tombony. BSB BSB: For to me, to live is Christ, and to die is gain.
22 ULB Fa raha miaina amin'ny nofo aho, dia midika asa mahavokatra ho ahy izany. Kanefa inona no ho fidiako? Tsy fantatro. BSB BSB: But if I go on living in the body, this will mean fruitful labor for me. So what shall I choose? I do not know.
23 ULB Fa voatery mafy eo anelanelan'izy roa aho. Ny faniriako dia ny handeha ary hiaraka amin'i Kristy, izay tsara lavitra, BSB BSB: I am torn between the two. I desire to depart and be with Christ, which is far better indeed.
24 ULB kanefa ny mitoetra ao amin'ny nofo dia ilaina kokoa noho ianareo. BSB BSB: But it is more necessary for you that I remain in the body.
25 ULB Resy lahatra ny amin'izany, dia fantatro fa hitoetra sy hanohy hiaraka aminareo rehetra aho, ho an'ny fandrosoanareo sy fifaliana ao amin'ny finoana. BSB BSB: Convinced of this, I know that I will remain and will continue with all of you for your progress and joy in the faith,
26 ULB Mba ho ao amiko dia hanana antony hireharehana ao amin'i Kristy Jesosy ianareo rehefa miverina any aminareo indray aho. BSB BSB: so that through my coming to you again your exultation in Christ Jesus will resound on account of me.
27 ULB Matondrà tena amin'ny fomba mendrika ny filazantsara an'i Kristy, ka na tonga hijery anareo aho na tsy eo, dia afaka ny handre momba anareo, fa mijoro mafy amin'ny fanahy iray ianareo, amin'ny saina iray miara-miezaka ho an'ny finoana ny filazantsara. BSB BSB: Nevertheless, conduct yourselves in a manner worthy of the gospel of Christ. Then, whether I come and see you or only hear about you in my absence, I will know that you stand firm in one spirit, contending together as one for the faith of the gospel,
28 ULB Ary aza mety ampitahorin'ireo izay fahavalonareo. Mariky ny fahapotehan'izy ireo izany, fa mariky ny famonjenareo kosa_ ary izany dia avy amin'Andriamanitra. BSB BSB: without being frightened in any way by those who oppose you. This is a clear sign of their destruction but of your salvation, and it is from God.
29 ULB Fa nomena anareo izany, ho an'i Kristy, tsy hoe mba hinoana Azy fotsiny, fa hijaliana ho Azy koa, BSB BSB: For it has been granted to you on behalf of Christ not only to believe in Him, but also to suffer for Him,
30 ULB fa ianareo dia manana ady mitovy amin'izay hitanareo tamiko, ary izay henonao amiko ankehitriny. BSB BSB: since you are encountering the same struggle you saw I had, and now hear that I still have.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.