1 ULB Raha misy fampaherezana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavany, raha misy firaisana ao amin'ny Fanahy, raha misy famindrampo lehibe sy fiantrana, BSB BSB: Therefore if you have any encouragement in Christ, if any comfort from His love, if any fellowship with the Spirit, if any affection and compassion,
2 ULB dia ataovy feno ny fifaliako amin'ny fisainana tahaka izany, amin'ny fananana fitiavana mitovy, amin'ny firaisana am-panahy, ary amin'ny fananana tanjona mitovy. BSB BSB: then make my joy complete by being like-minded, having the same love, being united in spirit and purpose.
3 ULB Aza manao na inona na inona amin'ny fitiavan-tena na fanandratan-tena foana. Fa amin'ny fanetren-tena kosa dia mihevera ny hafa mihoatra ny tenanareo. BSB BSB: Do nothing out of selfish ambition or empty pride, but in humility consider others more important than yourselves.
4 ULB Tokony tsy hitady izay mahasoa ny tenanareo ihany ny tsirairay aminareo, fa izay mahasoa ny hafa ihany koa. BSB BSB: Each of you should look not only to your own interests, but also to the interests of others.
6 ULB Efa nisy araka ny endrik'Andiamanitra Izy, fa tsy nihevitra izany fitoviany amin'Andriamanitra izany ho zavatra hifikirana Izy. BSB BSB: Who, existing in the form of God, did not consider equality with God something to be grasped,
7 ULB Ny mifanohitra amin'izany, nofoanany ny tenany. Naka ny endriky ny mpanompo Izy. Ary niseho ho tahaka ny olombelona Izy. Ary hita nitovy tamin'olombelona Izy. BSB BSB: but emptied Himself, taking the form of a servant, being made in human likeness.
8 ULB Nanetry tena Izy ary tonga mpankatoa hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesan'ny hazofijaliana! BSB BSB: And being found in appearance as a man, He humbled Himself and became obedient to death—even death on a cross.
11 ULB Nataony izany haneken'ny lela rehetra fa i Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahit'Andriamanitra Ray. BSB BSB: and every tongue confess that Jesus Christ is Lord, to the glory of God the Father.
12 ULB Noho izany, ry malalako, tahaka ny ankatoavanareo hatrany, tsy eo amin'ny fanatrehako ihany fa mihoatra lavitra aza ankehitriny rehefa tsy eo aho, dia asehoy amin'ny tahotra sy hovitra ny famonjena anareo. BSB BSB: Therefore, my beloved, just as you have always obeyed, not only in my presence, but now even more in my absence, continue to work out your salvation with fear and trembling.
13 ULB Satria Andriamanitra no miasa ao aminareo mba ho vonon-kanao no sady hiasa ho an'ny fifaliany ianareo. BSB BSB: For it is God who works in you to will and to act on behalf of His good purpose.
14 ULB Ataovy tsy am-pitarainana na fiadian-kevitra ny zavatra rehetra. BSB BSB: Do everything without complaining or arguing,
15 ULB Manaova toy izany mba ho tonga zanak'Andriamanitra tsy misy tsiny sady marina, tsy misy kilema ianareo. Miasà toy izany mba hamirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin'izao tontolo izao, eo afovoan'ny taranaka meloka sady maditra. BSB BSB: so that you may be blameless and pure, children of God without fault in a crooked and perverse generation, in which you shine as lights in the world
16 ULB Mifikira mafy amin'ilay Tenin'ny fiainana mba hananako antony hireharehàna amin'ny andron'i Kristy. Fa amin'izany dia ho fantatro fa tsy very maina ny nihazakazahako ary tsy very maina ny niasàko. BSB BSB: as you hold forth the word of life, in order that I may boast on the day of Christ that I did not run or labor in vain.
17 ULB Fa na dia ahidina ho fanatitra eo amin'ny sorona sy fanompom-pinoana aza aho, dia mifaly aho, ary miara-mifaly aminareo rehetra aho. BSB BSB: But even if I am being poured out like a drink offering on the sacrifice and service of your faith, I am glad and rejoice with all of you.
18 ULB Ary tahaka izany koa no hifalianareo, ary miara-mifaly amiko ianareo. BSB BSB: So you too should be glad and rejoice with me.
19 ULB Fa manantena ao amin'i Tompo Jesosy aho fa handefa an'i Timoty any aminareo faingana, mba hahery ihany koa aho rehefa fantatro ny zavatra momba anareo. BSB BSB: Now I hope in the Lord Jesus to send Timothy to you soon, that I also may be cheered when I learn how you are doing.
20 ULB Fa tsy manana olona hafa mitovy toe-tsaina aminy aho, izay tena manahy ny aminareo. BSB BSB: I have nobody else like him who will genuinely care for your needs.
21 ULB Fa izy rehetra dia mitady ny tombon-tsoany, fa tsy ny zavatr'i Jesosy Kristy. BSB BSB: For all the others look after their own interests, not those of Jesus Christ.
22 ULB Fa fantatrareo ny fahamendrehany, satria tahaka ny zaza manompo ny rainy, no nanompoany niaraka tamiko tao amin'ny filazantsara. BSB BSB: But you know Timothy’s proven worth, that as a child with his father he has served with me to advance the gospel.
23 ULB Koa manantena ny handefa azy aho raha vao hitako hoe manao ahoana ny fandehan-javatra aty amiko. BSB BSB: So I hope to send him as soon as I see what happens with me.
24 ULB Fa matoky ny Tompo aho fa ho avy any faingana koa ny tenako. BSB BSB: And I trust in the Lord that I myself will come soon.
25 ULB Fa mieritreritra aho fa ilaina ihany koa ny mampiverina an'i Epafrodito any aminareo. Ralahiko izy sy mpiara-miasa no mpiara-miady, sady mpitondra hafatrareo izy no mpanompo amin'izay ilaiko. BSB BSB: But I thought it necessary to send back to you Epaphroditus, my brother, fellow worker, and fellow soldier, who is also your messenger and minister to my needs.
26 ULB Fa tra-pahoriana mafy izy, ary manina ny hiaraka taminareo rehetra izy, satria renareo fa narary izy. BSB BSB: For he has been longing for all of you and is distressed because you heard he was ill.
27 ULB Fa tena narary izy ka efa saika maty. Fa namindra fo taminy Andriamanitra, ary tsy taminy irery, fa tamiko koa, mba tsy hananako alahelo ambonin'ny alahelo. BSB BSB: He was sick indeed, nearly unto death. But God had mercy on him, and not only on him but also on me, to spare me sorrow upon sorrow.
28 ULB Koa dia amim-paharisihana lehibe rehetra no handefasako azy, ka rehefa hahita azy indray ianareo dia mba hifaly ka dia ho afaka kokoa amin'ny fanahiako aho. BSB BSB: Therefore I am all the more eager to send him, so that when you see him again you may rejoice, and I may be less anxious.
29 ULB Raiso ao amin'ny Tompo Epafrodito miaraka amin'ny fifaliana rehetra. Hajao ny olona tahaka azy. BSB BSB: Welcome him in the Lord with great joy, and honor men like him,
30 ULB Fa ho an'ny asan'i Kristy no nanakaikezany ny fahafatesana. Fa nanao vy verin'ny ainy izy hanompoana ahy mba hanatanterahany izay tsy afaka nataonareo tamin'ny fanompoana tamiko. BSB BSB: because he nearly died for the work of Christ, risking his life to make up for your deficit of service to me.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.