1 ULB Noho izany, ry rahalahy malalako izay mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, amin'izany dia mijoroa tsara ao amin'ny Tompo, ry namako malala. BSB BSB: Therefore, my brothers, whom I love and long for, my joy and crown, that is how you must stand firm in the Lord, my beloved.
2 ULB Miangavy an'i Eodia aho, ary miangavy an'i Syntyke, miraisa saina ao amin'ny Tompo. BSB BSB: I urge Euodia and Syntyche to agree with each other in the Lord.
3 ULB Ary, mangataka aminao ihany koa aho, ry namako mpiray zioga: Ampio ireo vehivavy ireo. Satria izy ireo dia niara-niasa tamiko tamin'ny fampielezana ny Filazantsara niaraka tamin'i Klementa sy ireo sisa namana mpiara-miasa amiko rehetra, izay efa ao amin'ny Bokin'ny Fiainana ny anaran'izy ireo. BSB BSB: Yes, and I ask you, my true yokefellow, to help these women who have contended at my side for the gospel, along with Clement and the rest of my fellow workers, whose names are in the Book of Life.
4 ULB Mifalia hatrany ao amin'ny Tompo. Hoy ihany aho, mifalia. BSB BSB: Rejoice in the Lord always. I will say it again: Rejoice!
5 ULB Avelao ho fantatry ny olona rehetra ny fahatsoram-ponareo. Efa akaiky ny Tompo. BSB BSB: Let your gentleness be apparent to all. The Lord is near.
6 ULB Aza manahy na amin'inona na amin'inona. Fa kosa, amin'ny zava-drehetra amin'ny alalan'ny vavaka sy fangatahana, miaraka amin'ny fisaorana, avelao ny fangatahinareo ho fantatr'Andriamanitra. BSB BSB: Be anxious for nothing, but in everything, by prayer and petition, with thanksgiving, present your requests to God.
7 ULB Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalàna rehetra, hiaro ny fonareo sy ny fisainanareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. BSB BSB: And the peace of God, which surpasses all understanding, will guard your hearts and your minds in Christ Jesus.
8 ULB Ary farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona ara-drariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahafinaritra, na inona na inona nolazaina fa tsara, raha misy na inona na inona tena tsara, raha misy na inona na inona tokony ho deraina, dia mihevera an'ireny zavatra ireny. BSB BSB: Finally, brothers, whatever is true, whatever is honorable, whatever is right, whatever is pure, whatever is lovely, whatever is admirable—if anything is excellent or praiseworthy—think on these things. 9 ULB Ireo zavatra izay nianaranareo sy noraisinareo sy henonareo ary hitanareo tamiko, ataovy ireny zavatra ireny, ary ny Andriamanitry ny fiadanana hiaraka aminareo. BSB BSB: Whatever you have learned or received or heard from me, or seen in me, put it into practice. And the God of peace will be with you.
10 ULB Mifaly be ao amin'ny Tompo aho satria nohavaozinareo ihany ankehitriny ny fiheveranareo ahy. Efa nihevitra ahy tokoa ianareo teo aloha, fa tsy nisy fahafahana ho anareo mba hanampy. BSB BSB: Now I rejoice greatly in the Lord that at last you have revived your concern for me. You were indeed concerned, but you had no opportunity to show it.
11 ULB Tsy milaza izany aho satria ao anatin'ny tsy fahampiana. Fa efa nianatra ny hifaly amin'izay toe-java-miseho rehetra aho. BSB BSB: I am not saying this out of need, for I have learned to be content regardless of my circumstances.
12 ULB Fantatro ny hoe mahantra ary fantatro koa ny hoe manam-be. Amin'ny fomba rehetra sy amin'ny zavatra rehetra dia nianatra ny tsiambaratelon'ny fihinanam-be sy ny hanoanana aho, ary ny hoe manam-be sy ny hoe ao anatin'ny tsy fahampiana. BSB BSB: I know how to live humbly, and I know how to abound. In any and every situation I have learned the secret of being filled and being hungry, of having plenty and having need.
13 ULB Afaka manao ny zavatra rehetra aho amin'ny alalan'Ilay mampahery ahy. BSB BSB: I can do all things through Christ who gives me strength.
14 ULB Kanefa, ianareo nanao ny tsara tamiko tamin'ny fahasahiranako. BSB BSB: Nevertheless, you have done well to share in my affliction.
15 ULB Ary ianareo Filipiana mahafantatra fa tamin'ny fiandohan'ny filazantsara, rehefa nandao an'i Makedonia aho, dia tsy nisy fiangonana nanohana ahy raha ny mahakasika ny fanomezana sy fandraisana afa-tsy ianareo irery. BSB BSB: And as you Philippians know, in the early days of the gospel, when I left Macedonia, no church but you partnered with me in the matter of giving and receiving.
16 ULB Na tamin'izaho tany Tesalonika aza, dia nandefa fanampiana ho an'izay nilaiko mihoatra ny indray mandeha ianareo. BSB BSB: For even while I was in Thessalonica, you provided for my needs again and again.
17 ULB Tsy hoe mitady fanomezana aho. Fa kosa, mitady ny vokatra izay mampiakatra ny voninahitrareo aho. BSB BSB: Not that I am seeking a gift, but I am looking for the fruit that may be credited to your account.
18 ULB Nandray ireo zavatra rehetra aho, ary manana be dia be. Fa feno aho. Voaraiko avy tamin'i Epafrodito ireo zavatra avy aminareo. Ireo dia hanitra manim-pofona, izay fanatitra azo ekena sy ankasitrahan'Andriamanitra. BSB BSB: I have all I need and more, now that I have received your gifts from Epaphroditus. They are a fragrant offering, an acceptable sacrifice, well-pleasing to God.
19 ULB Ary ny Andriamanitro hameno izay rehetra ilainareo araka ny haren'ny voninahiny ao amin'i Kristy Jesosy. BSB BSB: And my God will supply all your needs according to His glorious riches in Christ Jesus.
20 ULB Ary ho an'Andriamanitra sady Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay doria. Amena. BSB BSB: To our God and Father be glory forever and ever. Amen.
21 ULB Manaova veloma an'ny mpino rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Ireo rahalahy izay miaraka amiko dia manao veloma anareo. BSB BSB: Greet all the saints in Christ Jesus. The brothers who are with me send you greetings.
22 ULB Ireo mpino rehetra izay eto manao veloma anareo, indrindra ireo izay avy ao amin'ny ankohonan'i Kaisara. BSB BSB: All the saints send you greetings, especially those from the household of Caesar.
23 ULB Ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy Kristy anie ho amin'ny fanahinareo. BSB BSB: The grace of the Lord Jesus Christ be with your spirit.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.