1 ULB Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy fa ny zanaka adala mitondra alahelo ho an'ny reniny. BSB BSB: The proverbs of Solomon: A wise son brings joy to his father, but a foolish son grief to his mother.
2 ULB Ny harena nangonina tamin'ny faharatsiana dia tsy manan-danja, fa ny fanaovana ny marina no miaro anao amin'ny fahafatesana. BSB BSB: Ill-gotten treasures profit nothing, but righteousness brings deliverance from death.
3 ULB Tsy avelan'i Yaveh ho noana ny fanahin'ny olo-marina, fa manafoana ireo fanirian'ny ratsy fanahy Izy. BSB BSB: The LORD does not let the righteous go hungry, but He denies the craving of the wicked.
4 ULB Ny tanana kamo no antony mampahantra ny olona, fa ny tanan'ny olona mazoto mahazo harena. BSB BSB: Idle hands make one poor, but diligent hands bring wealth.
5 ULB Ny zanaka hendry manangona vokatra amin'ny fahavaratra, fa mahamenatra azy ny matory manditra ny fijinjana. BSB BSB: He who gathers in summer is a wise son, but he who sleeps during harvest is a disgraceful son.
6 ULB Ireo fanomezana avy amin'Andriamanitra dia eo amin'ny lohan'ny olo-marina, fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia mandrakotra herisetra. BSB BSB: Blessings are on the head of the righteous, but the mouth of the wicked conceals violence.
7 ULB Ny olo-marina mampifaly ireo izay mahatsiaro azy, fa ny anaran'ny ratsy fanahy dia ho lo. BSB BSB: The memory of the righteous is a blessing, but the name of the wicked will rot.
8 ULB Ireo izay hendry manaiky ireo didy, fa ny adala mahay vava dia ho rava. BSB BSB: A wise heart will receive commandments, but foolish lips will come to ruin.
9 ULB Izy izay mandeha am-pahamarinana dia mandeha am-pilaminana, fa izay manao ny lalany ho meloka, dia ho hita. BSB BSB: He who walks in integrity walks securely, but he who perverts his ways will be found out.
10 ULB Izy izay mipi-maso dia hahatonga alahelo, fa ny adala be resaka dia hazera. BSB BSB: He who winks the eye causes grief, and foolish lips will come to ruin.
11 ULB Ny vavan'ny olona marina dia loharanon'aina, fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia mandrakotra herisetra. BSB BSB: The mouth of the righteous is a fountain of life, but the mouth of the wicked conceals violence.
12 ULB Ny fankahalana manestika ady, fa ny fitiavana manarona ny fahadisoana rehetra. BSB BSB: Hatred stirs up dissension, but love covers all transgressions.
13 ULB Hita amin'ny molotry ny olona manan-tsaina ny fahendrena, fa tsora-kazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy misy saina. BSB BSB: Wisdom is found on the lips of the discerning, but a rod is for the back of him who lacks judgment.
14 ULB Ny olona hendry dia mitahiry fahalalana, fa ny vavan'ny adala hitondra faharavana hanakaiky. BSB BSB: The wise store up knowledge, but the mouth of the fool invites destruction.
15 ULB Ny haren'ny olona manan-karena dia ny tanàna mafy oriny; ny fahantran'ny mahantra dia faharavan'izy ireo. BSB BSB: The wealth of the rich man is his fortified city, but poverty is the ruin of the poor.
16 ULB Mitondra ho amin'ny fiainana ny karaman'ny olo-marina; ny tombony azon'ny ratsy fanahy dia mitondra azy ireo ho amin'ny fahotana. BSB BSB: The labor of the righteous leads to life, but the gain of the wicked brings punishment.
17 ULB Misy lalana mankany amin'ny fiainana ho an'izay manaraka ny fitsipi-pifehezana, fa izay mandà famaizana dia mandeha amin'ny lalan-diso. BSB BSB: Whoever heeds instruction is on the path to life, but he who ignores reproof goes astray.
18 ULB Izay manafina fankahalana dia manana molotra mpandainga, ary izay mampiely endrikendrika dia adala. BSB BSB: The one who conceals hatred has lying lips, and whoever spreads slander is a fool.
19 ULB Raha misy teny maro, dia tsy ilaozan'ny heloka, fa izay mitandrina izay lazainy no hendry. BSB BSB: When words are many, sin is unavoidable, but he who restrains his lips is wise.
20 ULB Volafotsy voafantina ny lelan'ny olo-marina; tsy dia misy lanjany ny ao am-pon'ny ratsy fanahy. BSB BSB: The tongue of the righteous is choice silver, but the heart of the wicked has little worth.
21 ULB Ny molotry ny olo-marina mamelona ny maro, fa maty ny adala nohon'ny tsy fahampian'izy ireo saina. BSB BSB: The lips of the righteous feed many, but fools die for lack of judgment.
22 ULB Ny fanomezana tsara avy amin'i Yaveh no mitondra harena ary tsy ampiany fanaintainana izany. BSB BSB: The blessing of the LORD enriches, and He adds no sorrow to it.
23 ULB Kilalao fanaon'ny adala ny fanaovan-dratsy, fa ny fahendrena no fahafinaretan'ny olona manana fahazavan-tsaina. BSB BSB: The fool delights in shameful conduct, but a man of understanding has wisdom.
24 ULB Ny tahotry ny olona ratsy fanahy dia hahavoa azy, fa ny fanirian'ny olo-marina dia homena azy. BSB BSB: What the wicked man dreads will overtake him, but the desire of the righteous will be granted.
25 ULB Ny ratsy fanahy dia toy ny tafio-drivotra izay mandalo, ary tsy eo intsony izy ireo, fa ny olona marina dia fototra izay maharitra mandrakizay. BSB BSB: When the whirlwind passes, the wicked are no more, but the righteous are secure forever.
26 ULB Toy ny vinaingitra eo amin'ny nify ary setroka eo amin'ny maso, dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy. BSB BSB: Like vinegar to the teeth and smoke to the eyes, so is the slacker to those who send him.
27 ULB Ny tahotra an'i Yaveh no mahela velona, fa ny taonan'ny mpanao ratsy dia ho fohy. BSB BSB: The fear of the LORD prolongs life, but the years of the wicked will be cut short.
28 ULB Ny fanantenan'ny olo-marina no fifalian'izy ireo, fa ny taonan'ny ratsy fanahy dia ho fohy. BSB BSB: The hope of the righteous is joy, but the expectations of the wicked will perish.
29 ULB Ny lalan'i Yaveh dia miaro ireo izay marina, fa fandriganana ho an'ny ratsy fanahy izany. BSB BSB: The way of the LORD is a refuge to the upright, but destruction awaits those who do evil.
30 ULB Ny olona marina tsy ho rava mandrakizay, fa ny ratsy fanahy dia tsy hitoetra amin'ny tany. BSB BSB: The righteous will never be shaken, but the wicked will not inhabit the land.
31 ULB Avy ao amin'ny vavan'ny olona marina no ihavian'ny vokatry ny fahendrena, fa ny lela mpandainga dia hofongorana. BSB BSB: The mouth of the righteous brings forth wisdom, but a perverse tongue will be cut out.
32 ULB Ny molotry ny olona marina mahalala izay mety, fa ny vavan'ny ratsy fanahy, mahalala izay fitaka. BSB BSB: The lips of the righteous know what is fitting, but the mouth of the wicked is perverse.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.