1 ULB Na iza na iza tia fananarana dia tia fahalalana, fa vendrana izay mankahala fanitsiana. BSB BSB: Whoever loves discipline loves knowledge, but he who hates correction is stupid.
2 ULB Yaveh dia manome sitraka ny olona tsara, fa manameloka ny olona izay manao teti-dratsy Izy. BSB BSB: The good man obtains favor from the LORD, but the LORD condemns a man who devises evil.
3 ULB Ny olona dia tsy ho tafatombina amin'ny faharatsiana, fa ny olo-marina tsy afaka hofongorana. BSB BSB: A man cannot be established through wickedness, but the righteous cannot be uprooted.
4 ULB Ny vady mendrika dia satro-boninahitry ny vadiny, fa izay mitondra henatra dia toy ny aretina izay maha-lo ny taolany. BSB BSB: A wife of noble character is her husband’s crown, but she who causes shame is like decay in his bones.
5 ULB Mahitsy ny fikasan'ny marina, fa mamitaka ny toro-hevitry ny ratsy. BSB BSB: The plans of the righteous are just, but the counsel of the wicked leads to deceit.
6 ULB Ny tenin'ny olona ratsy fanahy dia otrika miandry vintana hamonoana, fa ny tenin'ny mahitsy kosa no miaro azy ireo. BSB BSB: The words of the wicked lie in wait for blood, but the speech of the upright rescues them.
7 ULB Ny olona ratsy fanahy dia fongorina ary lasa izy ireo, fa ny tranon'ny olo-marina kosa dia hijoro. BSB BSB: The wicked are overthrown and perish, but the house of the righteous will stand.
8 ULB Deraina amin'ny habetsaky ny fahendrena hananany ny olona, fa izay manao safidy ratsy kosa dia atao tsinotsinona. BSB BSB: A man is praised according to his wisdom, but a twisted mind is despised.
9 ULB Tsara kokoa ny manana toerana tsy manan-danja— mpanompo fotsiny ihany— noho ny mirehareha amin'ny fahambonianao nefa tsy manan-kohanina. BSB BSB: Better to be lightly esteemed yet have a servant, than to be self-important but lack food.
11 ULB Izay miasa ny taniny dia hanana sakafo be, fa na iza na iza manenjika ireo tetikasa tsy misy dikany kosa dia tsy misy saina. BSB BSB: The one who works his land will have plenty of food, but whoever chases fantasies lacks judgment.
12 ULB Ny olona ratsy fanahy maniry izay nangalarin'ny olon-dratsy tamin'ny hafa, fa ny vokatry ny olo-marina kosa dia avy amin'ny tenan'izy ireo ihany. BSB BSB: The wicked desire the plunder of evil men, but the root of the righteous flourishes.
13 ULB Ny olon-dratsy dia voafandriky ny resa-dratsiny, fa ny olo-marina kosa dia mandositra ny olana. BSB BSB: An evil man is trapped by his rebellious speech, but a righteous man escapes from trouble.
14 ULB Avy amin'ny vokatry ny teniny no maha-feno zava-tsoa ny olona, tahaka ny hamalian'ny asan'ny tanany soa azy ihany. BSB BSB: By fruitful speech a man is filled with good things, and the work of his hands returns to him.
15 ULB Ny lalan'ny adala dia marina eo imasony ihany, fa ny olon-kendry kosa mihaino torohevitra. BSB BSB: The way of a fool is right in his own eyes, but a wise man listens to counsel.
16 ULB Ny adala dia mampiseho ny hatezerany am-boalohany, fa izay tsy miraharaha faniratsiràna kosa no malina. BSB BSB: A fool’s anger is known at once, but a prudent man overlooks an insult.
17 ULB Izay miteny ny marina dia milaza izay rariny, fa ny fijoroana vavolombelona diso kosa milaza lainga. BSB BSB: He who speaks the truth declares what is right, but a false witness speaks deceit.
18 ULB Ny tenin'izay miresaka an-kamehana dia tahaka fanindron'ny sabatra, fa mitondra fanasitranana kosa ny lelan'ny hendry. BSB BSB: Speaking rashly is like a piercing sword, but the tongue of the wise brings healing.
19 ULB Ny molotra marina dia maharitra mandrakizay, fa ny lela mpandainga kosa ho amin'ny fotoana fohy fotsiny ihany. BSB BSB: Truthful lips endure forever, but a lying tongue lasts only a moment.
20 ULB Misy fitaka ao am-pon'ireo izay manao teti-dratsy, fa hafaliana kosa no avy amin'ireo mpanolo-tsaina fiadanana. BSB BSB: Deceit is in the hearts of those who devise evil, but the counselors of peace have joy.
21 ULB Tsy misy aretina tonga amin'ny olo-marina, fa ny olona ratsy fanahy kosa feno olana. BSB BSB: No harm befalls the righteous, but the wicked are filled with trouble.
22 ULB Mankahala ny molotra mandainga Yaveh, fa ireo izay miaina amim- pahatokiana kosa no sitrany. BSB BSB: Lying lips are detestable to the LORD, but those who deal faithfully are His delight.
23 ULB Manafina ny fahalalany ny olona hendry, fa ny fon'ny adala kosa mihiaka fahadalana. BSB BSB: A shrewd man keeps his knowledge to himself, but a foolish heart proclaims its folly.
24 ULB Ny tanan'ny mazoto dia hanapaka, fa ny olona kamo kosa alefa manao asa an-terivozona. BSB BSB: The hand of the diligent will rule, but laziness ends in forced labor.
25 ULB Ny fanahiana ao am-pon'ny olona mampitanondrika azy, fa ny teny soa kosa maharavo azy. BSB BSB: Anxiety weighs down the heart of a man, but a good word cheers it up.
26 ULB Ny olo-marina dia mpitari-dia ho an'ny namany, fa ny lalan'ny ratsy fanahy mitarika azy ireo amin'ny lalan-diso. BSB BSB: A righteous man is cautious in friendship, but the ways of the wicked lead them astray.
27 ULB Ny olona kamo dia tsy hanatono ny hazan'izy ireo, fa ny olona mazoto kosa hahazo harena sarobidy. BSB BSB: A lazy man does not roast his game, but a diligent man prizes his possession.
28 ULB Ireo izay mandeha amin'ny lala-marina dia mahita fiainana ary tsy misy fahafatesana ny lalan'izany. BSB BSB: There is life in the path of righteousness, but another path leads to death.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.