1 ULB Mandre ny fampianaran'ny rainy ny zanaka hendry, fa ny mpaneso dia tsy mihaino fibedesana. BSB BSB: A wise son heeds his father’s discipline, but a mocker does not listen to rebuke.
2 ULB Avy amin'ny vokatry ny vavany no isitrahan'ny olona ireo zava-tsoa, fa ny homan'ny mpamitaka dia ho an'ny herisetra. BSB BSB: From the fruit of his lips a man enjoys good things, but the desire of the faithless is violence.
3 ULB Izay mitandrina ny vavany no miaro ny ainy, fa izay misanasana vava dia handrava ny tenany ihany. BSB BSB: He who guards his mouth protects his life, but the one who opens his lips invites his own ruin.
4 ULB Ny homan'ireo olona kamo dia maniry nefa tsy mahazo na inona na inona, fa ny homan'ny olona mazoto dia ho afa-po tanteraka. BSB BSB: The slacker craves yet has nothing, but the soul of the diligent is fully satisfied.
5 ULB Ireo olona marina dia mankahala ny lainga, fa ny olona ratsy fanahy dia manao ny tenany ho marikoriko, ary manao izay mahamenatra izy. BSB BSB: The righteous hate falsehood, but the wicked bring shame and disgrace.
6 ULB Ny fahamarinana dia miaro an'ireo izay tsy misy tsiny amin'ny lalany, fa ny faharatsiana mampivadika ireo izay manota. BSB BSB: Righteousness guards the man of integrity, but wickedness undermines the sinner.
7 ULB Misy olona mampanan-karena ny tenany, nefa tsy manana na inona na inona mihitsy ary misy olona mahafoy ny zava-drehetra, nefa tena manan-karena. BSB BSB: One pretends to be rich, but has nothing; another pretends to be poor, yet has great wealth.
8 ULB Ny solo vaikan'ny ain'ny olona manan-karena dia ny hareny, fa ny olona mahantra tsy mandre fampitahorana. BSB BSB: Riches may ransom a man’s life, but a poor man hears no threat.
9 ULB Miravoravo ny hazavan'ny olo-marina, fa ny jiron'ny ratsy fanahy dia ho vonoina. BSB BSB: The light of the righteous shines brightly, but the lamp of the wicked is extinguished.
10 ULB Fifandirana ihany no ateraky ny avonavona, fa ho an'ireo izay mihaino torohevitra tsara no misy fahendrena. BSB BSB: Arrogance leads only to strife, but wisdom is with the well-advised.
11 ULB Hihena ny harena rehefa be loatra ny zava-poana, fa ilay iray izay mihary vola amin'ny asan'ny tanany dia hampitombo ny volany. BSB BSB: Dishonest wealth will dwindle, but what is earned through hard work will be multiplied.
12 ULB Rehefa mihemotra ny fanantenana, dia mandratra fo izany, fa ny faniriana tanteraka no hazon'aina. BSB BSB: Hope deferred makes the heart sick, but desire fulfilled is a tree of life.
13 ULB Izay mankahala ny fampianarana no mbola hiharan'izany, fa izay manaja ny didy dia hahazo valisoa. BSB BSB: He who despises instruction will pay the penalty, but the one who respects a command will be rewarded.
14 ULB Ny fampianaran'ny olon-kendry dia loharanon'aina, manala anao amin'ny fandriky ny fahafatesana. BSB BSB: The teaching of the wise is a fountain of life, turning one from the snares of death.
15 ULB Ny fitandremana tsara dia ahazoana fitia, fa ny lalan'ny mpamadika tsy ho tapitra mandrakizay. BSB BSB: Good understanding wins favor, but the way of the faithless is difficult.
16 ULB Ny olona malina dia mandray ny fanapahan-kevitra rehetra amin'ny fahalalana, fa ny adala dia mampiharihary ny hadalany. BSB BSB: Every prudent man acts with knowledge, but a fool displays his folly.
17 ULB Ny iraka ratsy fanahy ho latsaka anaty fahoriana, fa ny iraka mahatoky mitondra fampihavanana. BSB BSB: A wicked messenger falls into trouble, but a faithful envoy brings healing.
18 ULB Izay tsy miraharaha fampianarana hahantra sy ho menatra, fa ny voninahitra dia ho tonga amin'izay mianatra amin'ny fanitsiana. BSB BSB: Poverty and shame come to him who ignores discipline, but whoever heeds correction is honored.
19 ULB Ny faniriana tanteraka mamin'ny fo, fa ny adala mankahala ny fialana amin'ny ratsy. BSB BSB: Desire fulfilled is sweet to the soul, but turning from evil is detestable to fools.
20 ULB Miaraha lalana amin'ny olon-kendry dia ho hendry ianao, fa ny naman'ny adala dia hijaly amin'ny ratsy. BSB BSB: He who walks with the wise will become wise, but the companion of fools will be destroyed.
21 ULB Manenjika ny mpanota ny loza, fa ny olo-marina dia omena valisoa amin'ny tsara. BSB BSB: Disaster pursues sinners, but prosperity is the reward of the righteous.
22 ULB Mamela lova ho an'ny zafiny ny olona tsara, fa ny haren'ny mpanota dia voatahiry ho an'ny olo-marina. BSB BSB: A good man leaves an inheritance to his children’s children, but the sinner’s wealth is passed to the righteous.
23 ULB Ny saha tsy mbola niasan'ireo mahantra dia afaka mamokatra hanina maro, fa voafafa amin'ny tsy rariny izany. BSB BSB: Abundant food is in the fallow ground of the poor, but without justice it is swept away.
24 ULB Izay tsy manitsy ny zanany dia mankahala azy, fa izay tia ny zanany dia mitandrina ny hampianatra azy tsara. BSB BSB: He who spares the rod hates his son, but he who loves him disciplines him diligently.
25 ULB Ny olo-marina dia hihinana mandra-pahavokiny, fa ny kibon'ny ratsy fanahy dia ho noana mandrakariva. BSB BSB: A righteous man eats to his heart’s content, but the stomach of the wicked is empty.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.