1 ULB Ny vehivavy hendry manangana ny tranony, fa ny vehivavy adala mandrava izany amin'ny tanany ihany. BSB BSB: Every wise woman builds her house, but a foolish one tears it down with her own hands.
2 ULB Izay mandeha am-pahitsiana dia matahotra an'i Yaveh, fa izay tsy marina amin'ny lalany dia manao tsinontsinona Azy. BSB BSB: He who walks in uprightness fears the LORD, but the one who is devious in his ways despises Him.
3 ULB Amin'ny vavan'ny adala no hiavian'ny tsimoky ny fireharehany, fa ny molotry ny hendry hiaro azy ireo. BSB BSB: The proud speech of a fool brings a rod to his back, but the lips of the wise protect them.
4 ULB Any amin'izay tsy misy biby fiompy no madio ny tavy fihinanana, fa be ny vokatra mety ho tonga amin'ny tanjaky ny omby. BSB BSB: Where there are no oxen, the manger is empty, but an abundant harvest comes through the strength of the ox.
5 ULB Ny vavolombelona mahatoky dia tsy mandainga, fa ny vavolombelona sandoka mamoaka lainga. BSB BSB: An honest witness does not deceive, but a dishonest witness pours forth lies.
6 ULB Mitady fahendrena ny mpaneso fa tsy mahita, fa ho tonga mora foana amin'izay manan-tsaina ny fahalalana. BSB BSB: A mocker seeks wisdom and finds none, but knowledge comes easily to the discerning.
7 ULB Mialà amin'ny olona adala, fa tsy hahita fahalalana eo amin'ny molony ianao. BSB BSB: Stay away from a foolish man; you will gain no knowledge from his speech.
8 ULB Ny fahendrena ho an'ny olona malina dia ny mahatakatra ny lalany ihany, fa ny fahadalan'ireo adala dia fitaka. BSB BSB: The wisdom of the prudent is to discern his way, but the folly of fools deceives them.
9 ULB Maneso ireo adala rehefa voasorona ny fanatitra nohon'ny heloka, fa voazara eo amin'ireo mahitsy ny fankasitrahana. BSB BSB: Fools mock the making of amends, but goodwill is found among the upright.
10 ULB Ny fo mahalala ny ngidiny ary tsy misy vahiny mizara ny hafaliany. BSB BSB: The heart knows its own bitterness, and no stranger shares in its joy.
11 ULB Ho potika ny tranon'ny olona ratsy fanahy fa handrombona ny lain'ny olo-mahitsy. BSB BSB: The house of the wicked will be destroyed, but the tent of the upright will flourish.
12 ULB Misy lalana izay toa marina eo amin'ny olona, fa ny farany ihany no mitarika amin'ny fahafatesana. BSB BSB: There is a way that seems right to a man, but its end is the way of death.
13 ULB Afaka mihomehy ny fo nefa manaintaina ary mety hiafara amin'ny alahelo ny hafaliana. BSB BSB: Even in laughter the heart may ache, and joy may end in sorrow.
14 ULB Izay tsy mahatoky dia hahazo izay mendrika ny lalany, fa ny olona tsara hahazo izay azy. BSB BSB: The backslider in heart receives the fill of his own ways, but a good man is rewarded for his ways.
16 ULB Matahotra ny olona hendry ary miala amin'ny ratsy, fa ny adala kosa mandà fampitandremana amin-toky. BSB BSB: A wise man fears and turns from evil, but a fool is careless and reckless.
17 ULB Izay malaky tezitra dia manao zavatra adaladala, ary ny olona izay manao teti-dratsy dia ankahalaina. BSB BSB: A quick-tempered man acts foolishly, and a devious man is hated.
18 ULB Ny bado dia mandova fahadalana, fa ny olo-kendry kosa ho satrohim-boninahitra amin'ny fahalalana. BSB BSB: The simple inherit folly, but the prudent are crowned with knowledge.
19 ULB Ny olon-dratsy hiankohoka eo anoloan'izay tsara ary ireo izay ratsy fanahy hiankohoka eo amin'ireo vavahadin'ny olo-marina. BSB BSB: The evil bow before the good, and the wicked at the gates of the righteous.
20 ULB Ankahalaina ny olo-mahantra na dia ireo namany ihany aza, fa ny olona manan-karena mana-namana betsaka. BSB BSB: The poor man is hated even by his neighbor, but many are those who love the rich.
21 ULB Izay mampiseho fanamavoana ny namany dia manota, fa sambatra izay mampiseho fankasitrahana amin'ny mahantra. BSB BSB: He who despises his neighbor sins, but blessed is he who shows kindness to the poor.
22 ULB Tsy ireo izay manao teti-dratsy ve no mandeha amin'ny hevi-diso? Fa ireo izay mikasa ny hanao ny tsara dia hahazo fanekena mahatoky sy fahamendreham-pitokisana. BSB BSB: Do not those who contrive evil go astray? But those who plan goodness find loving devotion and faithfulness.
23 ULB Avy amin'ny asa mafy rehetra no hiavian'ny tombony, fa raha resaka fotsiny, dia mitarika ho amin'ny fahantrana izany. BSB BSB: There is profit in all labor, but mere talk leads only to poverty.
24 ULB Satro-boninahitry ny olon-kendry ny hareny, fa ny adalan'ireo adala mitondra hadalana fanampiny azy ireo ihany. BSB BSB: The crown of the wise is their wealth, but the effort of fools is folly.
25 ULB Ny vavolombelona marina manavotra aina, fa ny vavolombelona sandoka mamoaka lainga. BSB BSB: A truthful witness saves lives, but one who utters lies is deceitful.
26 ULB Rehefa matahotra an'i Yaveh ny olona iray, dia manana fahatokisana betsaka aminy ihany koa izy; ireo zavatra ireo dia ho toy ny toerana fiarovana mafy ho an'izany zanak'izany lehilahy izany. BSB BSB: He who fears the LORD is secure in confidence, and his children shall have a place of refuge.
27 ULB Ny fahatahorana an'i Yaveh dia loharanon'aina, mba hahafahan'ny olona miala amin'ireo fandriky ny fahafatesana. BSB BSB: The fear of the LORD is a fountain of life, turning a man from the snares of death.
28 ULB Hita amin'ny habetsaky ny vahoakany ny voninahitry ny mpanjaka, fa raha tsy misy vahoaka dia rava ny andriana. BSB BSB: A large population is a king’s splendor, but a lack of subjects is a prince’s ruin.
29 ULB Ny olona maharitra dia manana fahalalana lehibe, fa ny olona malaky tezitra manandratra fahadalana. BSB BSB: A patient man has great understanding, but a quick-tempered man promotes folly.
30 ULB Ny fo milamina dia aina ho an'ny vatana, fa ny fialonana dia maha-lo ny taolana. BSB BSB: A tranquil heart is life to the body, but envy rots the bones.
31 ULB Izay mampahory ny mahantra dia manozona ny Mpamorona azy, fa izay iray maneho fankasitrahana amin'ny fadiranovana dia manome voninahitra azy. BSB BSB: Whoever oppresses the poor taunts their Maker, but whoever is kind to the needy honors Him.
32 ULB Ny olona ratsy fanahy dia ahetrin'ireo asa-ratsiny, fa ny olo-marina dia hanam-pialofana na amin'ny fahafatesana aza. BSB BSB: The wicked man is thrown down by his own sin, but the righteous man has a refuge even in death.
33 ULB Ny fahendrena mitoetra ao am-pon'ny mahalala, fa na dia eo amin'ireo adala aza dia avelany ho fantatra ny aminy. BSB BSB: Wisdom rests in the heart of the discerning; even among fools she is known.
34 ULB Ny fanaovana izay marina dia manandratra firenena, fa ny fahotana dia fahafam-baraka ho an'ny olona rehetra. BSB BSB: Righteousness exalts a nation, but sin is a disgrace to any people.
35 ULB Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia miaraka amin'ny mpanompo izay miasa am-pitandremana, fa ny fahatezerany dia ho an'izay miasa amim-pahamenarana. BSB BSB: A king delights in a wise servant, but his anger falls on the shameful.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.