1 ULB Ny valin-teny malefaka dia mamily ny fahatezerana, fa ny teny masiaka manetsika fahasosorana. BSB BSB: A gentle answer turns away wrath, but a harsh word stirs up anger.
2 ULB Ny lelan'ny hendry mandoka fahalalana, fa ny vavan'ny adala kosa mandraraka fahadalana. BSB BSB: The tongue of the wise commends knowledge, but the mouth of the fool spouts folly.
3 ULB Fa amin'izao rehetra izao ny mason'i Yaveh, mandinika ny ratsy sy ny tsara. BSB BSB: The eyes of the LORD are in every place, observing the evil and the good.
4 ULB Ny lela manasitrana dia hazon'aina, fa ny lela mpamitaka dia manorotoro ny fanahy. BSB BSB: A soothing tongue is a tree of life, but a perverse tongue crushes the spirit.
5 ULB Ny adala manamavo ny fananaran-drainy, fa izay mandray ny fanitsiana no malina. BSB BSB: A fool rejects his father’s discipline, but whoever heeds correction is prudent.
6 ULB Ao an-tranon'ny olo-marina no misy harena be, fa fidiram-bolan'ny ratsy fanahy manome fahoriana azy. BSB BSB: The house of the righteous has great treasure, but the income of the wicked is trouble.
7 ULB Ny molotry ny hendry manaparitaka fahalalana, fa tsy mba toy izany kosa ny fon'ireo adala. BSB BSB: The lips of the wise spread knowledge, but not so the hearts of fools.
8 ULB Mankahala ny soron'ireo olona ratsy fanahy Yaveh, fa fahafinaretany kosa ny vavaky ny olona mahitsy. BSB BSB: The sacrifice of the wicked is detestable to the LORD, but the prayer of the upright is His delight.
9 ULB Mankahala ny fomban'ireo olona ratsy fanahy Yaveh, fa tia ilay iray izay manaraka ny marina Izy. BSB BSB: The LORD detests the way of the wicked, but He loves those who pursue righteousness.
10 ULB Miandry ny olona izay mahafoy ny lalana ny sazy mafy ary izay mankahala famaizana dia ho faty. BSB BSB: Discipline is harsh for him who leaves the path; he who hates correction will die.
11 ULB Ny fiainan-tsy hita sy fandringanana aza misokatra eo anatrehan'i Yaveh; koa mainka fa ny fon'ny zanak'olombelona? BSB BSB: Sheol and Abaddon lie open before the LORD—how much more the hearts of men!
12 ULB Ny mpaneso sosotra amin'ny fananarana azy; tsy handeha any amin'ny hendry izy. BSB BSB: A mocker does not love to be reproved, nor will he consult the wise.
13 ULB Ny fo ravoravo mahamirana ny tarehy, fa ny aretim-po kosa manorotoro ny fanahy. BSB BSB: A joyful heart makes a cheerful countenance, but sorrow of the heart crushes the spirit.
14 ULB Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahalalana, fa ny vavan'ireo adala homana fahadalana ihany. BSB BSB: A discerning heart seeks knowledge, but the mouth of a fool feeds on folly.
15 ULB Fadiranovana avokoa ireo andron'ny ory rehetra, fa ny fo miramirana dia fanasana tsy manam-petra. BSB BSB: All the days of the oppressed are bad, but a cheerful heart has a continual feast.
16 ULB Aleo kely amin'ny tahotra an'i Yaveh toy izay harem-be amin'ny ahiahy. BSB BSB: Better a little with the fear of the LORD than great treasure with turmoil.
17 ULB Aleo kokoa sakafo misy anana izay misy fitiavana toy izay omby mifahy aroso amim-pankahalana. BSB BSB: Better a dish of vegetables where there is love than a fattened ox with hatred.
18 ULB Ny olona mora tezitra manetsika ady, fa ny olona izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana. BSB BSB: A hot-tempered man stirs up strife, but he who is slow to anger calms dispute.
19 ULB Ny lalan'ny kamo dia tahaka ny toerana misy fefy tsilo, fa ny lalan'ny mahitsy dia lalam-be voavoatra tsara. BSB BSB: The way of the slacker is like a hedge of thorns, but the path of the upright is a highway.
20 ULB Ny zanaka hendry dia mitondra fifaliana ho an'ny rainy, fa ny olona adala manao tsinotsinona ny reniny. BSB BSB: A wise son brings joy to his father, but a foolish man despises his mother.
21 ULB Mahafinaritra ny olona tsy ampy saina ny adalana, fa izay manana fahazavan-tsaina mandeha amin'ny lalan-mahitsy. BSB BSB: Folly is joy to one who lacks judgment, but a man of understanding walks a straight path.
22 ULB Mandamoka ireo tetika rehefa tsy misy torohevitra, saingy rehefa miaraka amin'ny mpanolon-tsaina maro dia nahomby ireo. BSB BSB: Plans fail for lack of counsel, but with many advisers they succeed.
23 ULB Mahita hafaliana ny olona iray rehefa manome valiny mahafa-po izy; endrey ny hatsaran'ny teny izay voalaza ara-potoana! BSB BSB: A man takes joy in a fitting reply—and how good is a timely word!
24 ULB Mitondra miakatra ho an'ny olon-kendry ny lalan'ny fiainana, mba hialan'izy ireo amin'ny Fiainan-tsy hita any ambany. BSB BSB: The path of life leads upward for the wise, that he may avoid going down to Sheol.
25 ULB Ho potehin'i Yaveh ny lovan'ny mpirehareha, fa miaro ny fananan'ny mpitondratena kosa Izy. BSB BSB: The LORD tears down the house of the proud, but He protects the boundaries of the widow.
26 ULB Mankahala ny fisainan'ireo olona ratsy fanahy Yaveh, fa ireo tenin'ny fahatsaram-panahy dia madio. BSB BSB: The LORD detests the thoughts of the wicked, but the words of the pure are pleasant to Him.
27 ULB Mitondra olana ho an'ny fianakaviany ny mpangalatra, fa ny olona izay mankahala tsolotra dia ho velona. BSB BSB: He who is greedy for unjust gain brings trouble on his household, but he who hates bribes will live.
28 ULB Ny fon'ny marina dia misaintsaina mialohan'ny hamaliany, fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika ny ratsy ao aminy. BSB BSB: The heart of the righteous ponders how to answer, but the mouth of the wicked blurts out evil.
29 ULB Lavitra ireo ratsy fanahy Yaveh, fa mandre ny vavaky ny olo-marina kosa Izy. BSB BSB: The LORD is far from the wicked, but He hears the prayer of the righteous.
30 ULB Ny fahazavan'ny maso mitondra fifaliana ho an'ny fo ary ny vaovao tsara dia fahasalamana ho an'ny vatana. BSB BSB: The light of the eyes cheers the heart, and good news nourishes the bones.
31 ULB Raha mankatoa ianao rehefa manitsy ny fomba fiainanao ny olona, dia hitoetra eo amin'ireo olona hendry ianao. BSB BSB: He who listens to life-giving reproof will dwell among the wise.
32 ULB Izay mandà famaizana dia manao tsinontsinona ny tenany, fa izay mihaino anatra kosa dia mahazo fahazavan-tsaina. BSB BSB: He who ignores discipline despises himself, but whoever heeds correction gains understanding.
33 ULB Mampianatra fahendrena ny tahotra an'i Yaveh ary fanetren-tena no mialoha ny voninahitra. BSB BSB: The fear of the LORD is the instruction of wisdom, and humility comes before honor.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.