1 ULB An'ny olona ny fikasan'ny fo, fa avy amin'i Yaveh ny valin-teny avy amin'ny lelany. BSB BSB: The plans of the heart belong to man, but the reply of the tongue is from the LORD.
2 ULB Madio eo imasony ihany ny lalan'ny olona rehetra, fa Yaveh no mandanja ny fanahy. BSB BSB: All a man’s ways are pure in his own eyes, but his motives are weighed out by the LORD.
3 ULB Ankino amin'i Yaveh ny asanao dia ho lavorary izay kasainao. BSB BSB: Commit your works to the LORD and your plans will be achieved.
4 ULB Nataon'i Yaveh ho amin'ny antony avokoa ny zavatra rehetra, na ny ratsy fanahy aza dia ho amin'ny androm-pahoriana. BSB BSB: The LORD has made everything for His purpose—even the wicked for the day of disaster.
5 ULB Yaveh mankahala ny olona rehetra izay manana fo miavonavona, azo antoka fa tsy ho afa-maina ireny. BSB BSB: Everyone who is proud in heart is detestable to the LORD; be assured that he will not go unpunished.
6 ULB Amin'ny tsy fivadiham-panekena sy fahamendreham-pitokisana no hanavotana amin'ny heloka ary amin'ny tahotra an'i Yaveh no hialan'ny olona amin'ny ratsy. BSB BSB: By loving devotion and faithfulness iniquity is atoned for, and by the fear of the LORD one turns aside from evil.
7 ULB Rehefa ankasitrahan'i Yaveh ny lalan'ny olona iray, na ny fahavalon'izany olona izany aza dia ataony mihavana aminy. BSB BSB: When a man’s ways please the LORD, He makes even the man’s enemies live at peace with him.
8 ULB Aleo kely amin'ny fahamarinana, toy izay vola be amin'ny tsy rariny. BSB BSB: Better a little with righteousness than great gain with injustice.
9 ULB Ao am-pony no andrafetan'ny olona ny lalany, fa Yaveh no mampizotra ny diany. BSB BSB: A man’s heart plans his course, but the LORD determines his steps.
10 ULB Fanapahan-kevitra lalina no eo amin'ny molotry ny mpanjaka, ny vavany dia tsy mba hamadika ny rariny. BSB BSB: A divine verdict is on the lips of a king; his mouth must not betray justice.
11 ULB Avy amin'i Yaveh ny fandanjana marina; ny lanja rehetra ao amin'ny kitapo dia asany avokoa. BSB BSB: Honest scales and balances are from the LORD; all the weights in the bag are His concern.
12 ULB Rehefa manao zava-dratsy ny mpanjaka, dia tokony ho zavatra hatao tsinontsinona izany, satria ny seza fiandrianana dia miorina amin'ny fanaovana ny marina. BSB BSB: Wicked behavior is detestable for kings, for a throne is established through righteousness.
13 ULB Finaritra amin'ny molotra milaza ny marina ny mpanjaka ary tiany ny olona izay miteny mahitsy. BSB BSB: Righteous lips are a king’s delight, and he who speaks honestly is beloved.
14 ULB Ny fahaviniran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana fa ny olon-kendry kosa dia hiezaka hampitony ny hatezerany. BSB BSB: The wrath of a king is a messenger of death, but a wise man will pacify it.
15 ULB Ao amin'ny fahazavan'ny tavan'ny mpanjaka ny fiainana ary ny fankasitrahany dia sahala amin'ny rahona izay mitondra oran-dohataona. BSB BSB: When a king’s face brightens, there is life; his favor is like a rain cloud in spring.
16 ULB Endrey ny hatsaran'ny fahazoana fahendrena mihoatra lavitra noho ny volamena. Aleo mifidy ny hahazo fahazavan-tsaina toy izay volafotsy. BSB BSB: How much better to acquire wisdom than gold! To gain understanding is more desirable than silver.
17 ULB Ny lalam-ben'ny olo-marina dia miala amin'ny ratsy; izay miaro ny ainy dia miambina ny lalany. BSB BSB: The highway of the upright leads away from evil; he who guards his way protects his life.
18 ULB Avy mialohan'ny faharavana ny fireharehana ary ny fanahy mieboebo mialohan'ny fahalavoana. BSB BSB: Pride goes before destruction, and a haughty spirit before a fall.
19 ULB Tsara kokoa ny manetri-tena eo amin'ireo olona mahantra toy izay mizara izay nobaboina amin'ny olona mpirehareha. BSB BSB: It is better to be lowly in spirit among the humble than to divide the spoil with the proud.
20 ULB Izay rehetra mibanjina izay nampianarina azy ireo dia hahita soa, ary ireo izay mitoky amin'i Yaveh dia ho voatahy. BSB BSB: Whoever heeds instruction will find success, and blessed is he who trusts in the LORD.
21 ULB Izay hendry am-po no antsoina hoe manan-tsaina ary ny hamamin'ny teny no mpampivoatra ny fahaiza-mampianatra. BSB BSB: The wise in heart are called discerning, and pleasant speech promotes instruction.
22 ULB Ny fahazavan-tsaina dia loharanon'aina ho an'izay manana izany, fa ny fampianaran'ny adala dia ny fahadalany. BSB BSB: Understanding is a fountain of life to its possessor, but the discipline of fools is folly.
23 ULB Ny fon'ny olon-kendy manome saina ny vavany ary manampy fandresen-dahatra ny molony. BSB BSB: The heart of the wise man instructs his mouth and adds persuasiveness to his lips.
24 ULB Tohon-tantely ny teny mahafinaritra— mamy amin'ny fanahy ary fanasitranana ho an'ny taolana. BSB BSB: Pleasant words are a honeycomb, sweet to the soul and healing to the bones.
25 ULB Misy lalana izay toa marina amin'ny olona, fa ny fiafarany dia lalana mankany amin'ny fahafatesana. BSB BSB: There is a way that seems right to a man, but its end is the way of death.
26 ULB Ny homan'ny mpiasa no miasa ho azy; ny hanoanany no manosika azy. BSB BSB: A worker’s appetite works for him because his hunger drives him onward.
27 ULB Ny olona tsinontsinona dia mihady sompatra ary ny teniny dia tahaka ny afo mandoro. BSB BSB: A worthless man digs up evil, and his speech is like a scorching fire.
28 ULB Ny olona rasty fitondran-tena manetsika ady ary ny mpifosa mampisaraka ny mpianamana akaiky. BSB BSB: A perverse man spreads dissension, and a gossip divides close friends.
29 ULB Ny olona maherisetra dia mandainga amin'ny namany ary mampivarina azy amin'ny lalana izay tsy tsara. BSB BSB: A violent man entices his neighbor and leads him down a path that is not good.
30 ULB Izay mipi-maso dia mitetika zavatra ratsy; ireo izay manaiki-molotra dia mampandalo ny rasty. BSB BSB: He who winks his eye devises perversity; he who purses his lips is bent on evil.
31 ULB Ny volo-fotsy dia satro-boninahitra; azo amin'ny fiainana ny lala-marina izany. BSB BSB: Gray hair is a crown of glory; it is attained along the path of righteousness.
32 ULB Tsara ny tsy mora tezitra noho ny mpiady ary ny olona manapaka ny fanahiny dia mahery noho ny olona izay mambabo tanàna iray. BSB BSB: He who is slow to anger is better than a warrior, and he who controls his temper is greater than one who captures a city.
33 ULB Ny filokana dia atsipy eo am-pofoana, fa ny fanapahan-kevitra dia avy amin'i Yaveh. BSB BSB: The lot is cast into the lap, but its every decision is from the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.