1 ULB Tsara kokoa ny miaina mangingina miaraka amin'ny tapa-mofo toy izay ao amin'ny trano feno hanina misy fifandirana. BSB BSB: Better a dry morsel in quietness than a house full of feasting with strife.
2 ULB Ny mpanompo hendry dia hanapaka eo amin'ny zanany izay manao toetra mahamenatra ary hiray lova tahaka ny iray amin'ireo rahalahy. BSB BSB: A wise servant will rule over a disgraceful son and share his inheritance as one of the brothers.
3 ULB Ny memy ho an'ny volafotsy ary ny lafaoro fandrendrehana ho an'ny volamena, fa Yaveh no manefy ny fo. BSB BSB: A crucible for silver and a furnace for gold, but the LORD is the tester of hearts.
4 ULB Ny mpanao ratsy mihaino ny molotry ny ratsy fanahy; manongilan-tsofina amin'ny lela mpandringana ny mpandainga. BSB BSB: A wicked man listens to evil lips; a liar gives ear to a destructive tongue.
5 ULB Na iza na iza maneso ny malahelo dia miteny ratsy ny Mpahary azy ary izay mifaly amin'ny fahavoazana dia tsy afa-bela amin'ny famaizana. BSB BSB: He who mocks the poor insults their Maker; whoever gloats over calamity will not go unpunished.
6 ULB Satro-boninahitry ny antitra ny zafy ary mitondra voninahitra ho an'ireo zanany ny ray aman-dreny. BSB BSB: Grandchildren are the crown of the aged, and the glory of a son is his father.
7 ULB Ny kabary tsara lahatra dia tsy mety amin'ny adala; koa mainka fa ny molotra mpandainga ho mety ho an'ny fianakavian'ny mpanjaka. BSB BSB: Eloquent words are unfit for a fool; how much worse are lying lips to a ruler!
8 ULB Tahaka ny vato mahagaga ny kolikoly ho an'ny olona izay manome izany; na aiza na aiza itodihany, dia mahomby izy. BSB BSB: A bribe is a charm to its giver; wherever he turns, he succeeds.
9 ULB Izay manarona heloka dia mitady fitiavana, fa izay mamerina ny fahadisoana taloha dia mampisaraka ireo mpisakaiza akaiky. BSB BSB: Whoever conceals an offense promotes love, but he who brings it up separates friends.
10 ULB Miditra lalina kokoa any amin'ny olona izay manana fahazavan-tsaina ny teny mafy noho ny kapoka injato mankany amin'ny adala. BSB BSB: A rebuke cuts into a man of discernment deeper than a hundred lashes cut into a fool.
11 ULB Ny olon-dratsy dia mitady fikomiana fotsiny, koa dia halefa hanohitra azy ny iraka lozabe. BSB BSB: An evil man seeks only rebellion; a cruel messenger will be sent against him.
12 ULB Aleo mifanena amin'ny bera very anaka toy izay mifanena amin'adala amin'ny fahadalany. BSB BSB: It is better to meet a bear robbed of her cubs than a fool in his folly.
13 ULB Raha misy olona mamaly ratsy ny tsara, dia tsy handao ny tranony mandrakizay ny ratsy. BSB BSB: If anyone returns evil for good, evil will never leave his house.
14 ULB Ny fiandohan'ady dia tahaka izay mamela ny rano hiparitaka eny rehetra eny, koa dia alaviro ny fifandirana dieny mbola tsy vaky izany. BSB BSB: To start a quarrel is to release a flood; so abandon the dispute before it breaks out.
15 ULB Ny olona izay manamarina ny olon-dratsy ary ny olona izay manameloka ny olo-marina— dia samy fahavetavetana eo amin'i Yaveh ireo. BSB BSB: Acquitting the guilty and condemning the righteous—both are detestable to the LORD.
16 ULB Nahoana ny adala no tokony handoa vola mba hianatra momba ny fahendrena, nefa izy tsy manana fahafahana akory ny hianatra izany? BSB BSB: Why should the fool have money in his hand with no intention of buying wisdom?
17 ULB Ny sakaiza dia tia amin'ny fotoana rehetra sady rahalahy nateraka ho amin'ny fotoan'ny fahoriana. BSB BSB: A friend loves at all times, and a brother is born for adversity.
18 ULB Ny lehilahy tsy misy saina manao fampanantenana mamatotra ka tonga tompon'antoka amin'ny trosan'ny namany. BSB BSB: A man lacking judgment strikes hands in pledge and puts up security for his neighbor.
19 ULB Na iza na iza tia ady dia tia heloka; izay manao ny tokonam-baravarany ho avo loatra dia manapotika ny taolana. BSB BSB: He who loves transgression loves strife; he who builds his gate high invites destruction.
20 ULB Ny olona izay manana fo maditra dia tsy hahita na inona na inona tsara; mianjera amin'ny loza izay manana lela mpamitaka. BSB BSB: The one with a perverse heart finds no good, and he whose tongue is deceitful falls into trouble.
21 ULB Na iza na iza ray aman-drenin'adala dia mitondra alahelo ho an'ny tenany; ary tsy manana hafaliana ny rain'ny adala. BSB BSB: A man fathers a fool to his own grief; the father of a fool has no joy.
22 ULB Fanafody tsara ny fo miramirana, fa ny fanahy ketraka kosa mahamaina ny taolana. BSB BSB: A joyful heart is good medicine, but a broken spirit dries up the bones.
23 ULB Ny lehilahy ratsy fanahy mankasitraka kolikoly miafina mba hamadihana ireo lalan'ny rariny. BSB BSB: A wicked man takes a covert bribe to subvert the course of justice.
24 ULB Ny olona izay manana fahazavan-tsaina dia mampitodika ny tarehiny mankany amin'ny fahendrena, fa ny mason'ny adala kosa mitodika any amin'ireo vazan-tany. BSB BSB: Wisdom is the focus of the discerning, but the eyes of a fool wander to the ends of the earth.
25 ULB Ny zanaka adala dia alahelo ho an'ny rainy ary fangidiana ho an'ny vehivavy izay niteraka azy. BSB BSB: A foolish son brings grief to his father and bitterness to her who bore him.
26 ULB Ary koa, tsy tsara mihitsy ny manasazy ny olo-marina; na mikapoka olona mendri-kaja izay manana fahitsiana. BSB BSB: It is surely not good to punish the innocent or to flog a noble for his honesty.
27 ULB Izay manam-pahalalana mampiasa teny fohy ary izay manana fahazavan-tsaina dia mahatsindry fo. BSB BSB: A man of knowledge restrains his words, and a man of understanding maintains a calm spirit.
28 ULB Na dia adala aza heverina ho hendry raha toa ka mangina; rehefa manakombom-bava izy, dia heverina ho manan-tsaina. BSB BSB: Even a fool is considered wise if he keeps silent, and discerning when he holds his tongue.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.