1 ULB Izay mitoka-tena dia mitady ny faniriany manokana ary mifanditra amin'ny fitsaràna tsara rehetra izy. BSB BSB: He who isolates himself pursues selfish desires; he rebels against all sound judgment.
2 ULB Ny adala dia tsy mahita fahafinaretana amin'ny fahazavan-tsaina, fa amin'ny fanambarana izay ao am-pony ihany. BSB BSB: A fool does not delight in understanding, but only in airing his opinions.
3 ULB Rehefa misy olona ratsy fanahy tonga, dia tonga miaraka aminy ny fanamavoana— miaraka amin'ny henatra sy fahafaham-baraka. BSB BSB: With a wicked man comes contempt as well, and shame is accompanied by disgrace.
4 ULB Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona; ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena. BSB BSB: The words of a man’s mouth are deep waters; the fountain of wisdom is a bubbling brook.
5 ULB Tsy tsara ny miangatra amin'ny olona ratsy fanahy, na mandà ny rariny amin'ny olo-marina. BSB BSB: Showing partiality to the wicked is not good, nor is depriving the innocent of justice.
6 ULB Ny molotry ny adala dia mitondra ady ho azy ary ny vavany mihantsy kapoka. BSB BSB: A fool’s lips bring him strife, and his mouth invites a beating.
7 ULB Ny vavan'ny adala no faharavany ary mamandrika ny tenany amin'ny molony izy. BSB BSB: A fool’s mouth is his ruin, and his lips are a snare to his soul.
8 ULB Ny tenin'ny mpifosa dia toy ny sombin-kanina matsiro ary midina any anatin'ny vatana ireo. BSB BSB: The words of a gossip are like choice morsels that go down into the inmost being.
9 ULB Izay miraviravy amin'ny asany ihany koa dia rahalahin'izay mamotika indrindra. BSB BSB: Whoever is slothful in his work is brother to him who destroys.
10 ULB Tilikambo mahery ny anaran'i Yaveh; mihazakazaka mankao ny marina ka voaaro. BSB BSB: The name of the LORD is a strong tower; the righteous run to it and are safe.
11 ULB Ny haren'ny mpanan-karena no tanàna voaarony ary ny tahaka ny manda avo ao an'eritreriny. BSB BSB: A rich man’s wealth is his fortified city; it is like a high wall in his imagination.
12 ULB Mialoha ny faharavany dia mirehareha ny fon'ny olona, fa ny fanetre-tena no tonga alohan'ny voninahitra. BSB BSB: Before his downfall a man’s heart is proud, but humility comes before honor.
13 ULB Izay mamaly mialohan'ny fihainoana— dia adalana sy henatra ho azy izany. BSB BSB: He who answers a matter before he hears it—this is folly and disgrace to him.
14 ULB Zakan'ny fanahin'ny olona ny faharariana, fa iza no hahazaka izany fanahy torotoro izany? BSB BSB: The spirit of a man can endure his sickness, but who can survive a broken spirit?
15 ULB Ny fon'ny manan-tsaina dia mandranto fahalalana ary ny sofin'ny hendry mitady izany. BSB BSB: The heart of the discerning acquires knowledge, and the ear of the wise seeks it out.
16 ULB Ny fanomezan'ny olona dia mety hanokatra lalana sy hitondra azy eo anoloan'ny olom-be. BSB BSB: A man’s gift opens doors for him, and brings him before great men.
17 ULB Izay voalohany mitondra ny raharahany dia toa marina mandra-pihavin'ny mpifanandrina aminy ka hanontany azy. BSB BSB: The first to state his case seems right until another comes and cross-examines him.
18 ULB Ny filokana dia mandamina fifandirana sy manasaraka ireo mpifanandrina mahery. BSB BSB: Casting the lot ends quarrels and separates strong opponents.
19 ULB Ny rahalahy tafintohina dia sarotra azo noho ny tanàna mahery, ary ny fifandirana dia toy ny hidin'ny lapa. BSB BSB: An offended brother is harder to win than a fortified city, and disputes are like the bars of a castle.
20 ULB Avy amin'ny vokatry ny vavany no mahafeno ny kibon'ny olona iray; amin'ny vokatry ny molony no maha-afapo azy. BSB BSB: From the fruit of his mouth a man’s belly is filled; with the harvest from his lips he is satisfied.
21 ULB Ny fahafatesana sy aina dia fehezin'ny lela, ary ireo izay tia ny lela dia hihinana ny vokany. BSB BSB: Life and death are in the power of the tongue, and those who love it will eat its fruit.
22 ULB Izay lehilahy mahita vady dia mahita zavatra tsara ary mahazo sitraka amin'i Yaveh. BSB BSB: He who finds a wife finds a good thing and obtains favor from the LORD.
23 ULB Ny olona mahantra dia miangavy famindram-po, fa ny olona manan-karena kosa mamaly an-kasiahana. BSB BSB: The poor man pleads for mercy, but the rich man answers harshly.
24 ULB Izay milaza manana namana maro dia ho ravain'izy ireo, fa misy namana izay akaiky kokoa noho ny rahalahy. BSB BSB: A man of many companions may come to ruin, but there is a friend who stays closer than a brother.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.