1 ULB Tsara kokoa ny olona mahantra izay mandeha amin'ny fahitsiany toy izay olona mivadika amin'ny teniny ary adala. BSB BSB: Better a poor man who walks with integrity than a fool whose lips are perverse.
2 ULB Ary koa, tsy tsara ny manana faniriana tsy misy fahalalana ary izay mihazakazaka mafy loatra dia ho diso lalana. BSB BSB: Even zeal is no good without knowledge, and he who hurries his footsteps misses the mark.
3 ULB Ny hadalan'ny olona no mamotika ny fiainany ka amin'i Yaveh no sosotra ny fony. BSB BSB: A man’s own folly subverts his way, yet his heart rages against the LORD.
4 ULB Mahabe namana ny harena, fa ny olona mahantra kosa dia tafasaraka amin'ireo namany. BSB BSB: Wealth attracts many friends, but a poor man is deserted by his friend.
5 ULB Ny vavolombelona sandoka dia tsy ho afa-maina ary izay mamoaka lainga dia tsy ho afa-bela. BSB BSB: A false witness will not go unpunished, and one who utters lies will not escape.
6 ULB Maro no hila sitraka amin'ny olona malala-tanana ary ny rehetra dia naman'izay manolotra fanomezana. BSB BSB: Many seek the favor of the prince, and everyone is a friend of the gift giver.
7 ULB Halan'ny rahalahiny rehetra ny olona mahantra; koa mainka fa ireo namany izay manalavitra azy! Hiantso azy ireo izy, saingy efa lasa izy ireo. BSB BSB: All the brothers of a poor man hate him—how much more do his friends avoid him! He may pursue them with pleading, but they are nowhere to be found.
8 ULB Izay mahazo fahendrena dia tia ny ainy; izay mitazona ny fahalalana dia hahita soa. BSB BSB: He who acquires wisdom loves himself; one who safeguards understanding will find success.
9 ULB Ny vavolombelona sandoka dia tsy ho afa-maina, fa izay mamoaka lainga kosa dia ho faty. BSB BSB: A false witness will not go unpunished, and one who pours out lies will perish.
10 ULB Tsy mety amin'ny adala ny miaina amin'ny harena mahafinaritra— mainka fa ny hanapahan'ny andevo eo amin'ireo andriandahy. BSB BSB: Luxury is unseemly for a fool—how much worse for a slave to rule over princes!
11 ULB Ny fahamalinana mahatonga ny olona tsy ho mora tezitra ary voninahitra ho azy ny tsy mijery ny fahadisoana. BSB BSB: A man’s insight gives him patience, and his virtue is to overlook an offense.
12 ULB Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia tahaka ny fieron'ny liona tanora, fa ny sitrany kosa dia tahaka ny ando amin'ny ahitra. BSB BSB: A king’s rage is like the roar of a lion, but his favor is like dew on the grass.
13 ULB Ny zanaka adala dia faharavana ho an'ny rainy ary ny vady mpifanditra dia toy ny rano mitete tsy tapaka. BSB BSB: A foolish son is his father’s ruin, and a quarrelsome wife is like a constant dripping.
14 ULB Ny trano sy harena no lova avy amin'ny ray aman-dreny, fa vady hendry kosa no avy amin'i Yaveh. BSB BSB: Houses and wealth are inherited from fathers, but a prudent wife is from the LORD.
15 ULB Ny hakamoana dia mandatsaka ny olona anaty torimaso lalina, fa izay tsy vonon-kiasa kosa dia ho noana. BSB BSB: Laziness brings on deep sleep, and an idle soul will suffer hunger.
16 ULB Izay mankatoa ny didy dia miaro ny ainy, fa ny olona izay tsy mihevitra ny lalany kosa dia ho faty. BSB BSB: He who keeps a commandment preserves his soul, but he who is careless in his ways will die.
17 ULB Ireo izay rehetra miantra ny mahantra dia mampisambotra an'i Yaveh ary honerany izy noho ireo izay nataony. BSB BSB: Kindness to the poor is a loan to the LORD, and He will repay the lender.
18 ULB Fehezo ny zanakao lahy dieny misy fanantenana ary aza entim-paniriana hamono azy. BSB BSB: Discipline your son, for in that there is hope; do not be party to his death.
19 ULB Ny olona be kizitina dia tsy maintsy manefa ny sazy; raha mamonjy azy ianao, dia tsy maintsy hamerina izany fanindroany ianao. BSB BSB: A man of great anger must pay the penalty; if you rescue him, you will have to do so again.
20 ULB Henoy ny torohevitra ary ekeo ny fampianarana, mba ho tonga hendry ianao any amin'ny fiafaran'ny fiainanao. BSB BSB: Listen to counsel and accept discipline, that you may be wise the rest of your days.
21 ULB Maro ny fikasana ao am-pon'ny olona, fa ny tanjon'i Yaveh no haharitra. BSB BSB: Many plans are in a man’s heart, but the purpose of the LORD will prevail.
22 ULB Ny tsy fivadihana no irian'ny olona ary tsara kokoa ny olona mahantra noho ny mpandainga. BSB BSB: The desire of a man is loving devotion; better to be poor than a liar.
23 ULB Ny fanomezam-boninahitra an'i Yaveh no mitarika ny olona amin'ny fiainana; izay rehetra manana izany dia ho afapo ary tsy ampahorian'ny ratsy. BSB BSB: The fear of the LORD leads to life, that one may rest content, without visitation from harm.
24 ULB Ny kamo dia handevina ny tanany ao an-dovia; tsy hamerina hampiakatra izany ao am-bavany akory izy. BSB BSB: The slacker buries his hand in the dish; he will not even bring it back to his mouth.
25 ULB Veleso ny mpaniratsira, dia ho mailo ny olona bado; anaro izay manan-tsaina, dia hahazo fahalalana izy. BSB BSB: Strike a mocker, and the simple will beware; rebuke the discerning man, and he will gain knowledge.
26 ULB Izay mandroba ny rainy ary mandroaka ny reniny dia zanaka mitondra henatra sy fahafaham-baraka. BSB BSB: He who assaults his father or evicts his mother is a son who brings shame and disgrace.
27 ULB Raha mitsahatra ny mihaino fampianarana ianao, ry zanako lahy, dia hania hiala amin'ireo tenin'ny fahalalana ianao. BSB BSB: If you cease to hear instruction, my son, you will stray from the words of knowledge.
28 ULB Ny vavolombelona mpivadika dia maniratsira ny fitsarana ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina heloka. BSB BSB: A corrupt witness mocks justice, and a wicked mouth swallows iniquity.
29 ULB Vonona ho an'ireo mpaniratsiratsira ny fanamelohana ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala. BSB BSB: Judgments are prepared for mockers, and beatings for the backs of fools.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.