1 ULB Ny divay dia mpaniratsira ary ny zava-pisotro mahery dia mpitabataba; izay voavily lalana amin'ny fisotroana amin'ny lalan-diso dia tsy hendry. BSB BSB: Wine is a mocker, strong drink is a brawler, and whoever is led astray by them is not wise.
2 ULB Ny tahotra ny mpanjaka dia tahaka ny tahotra ny liona tanora izay mierona; izay mampahatezitra azy dia manary ny ainy. BSB BSB: The terror of a king is like the roar of a lion; whoever provokes him forfeits his own life.
3 ULB Voninahitra ho an'ny rehetra ny misoroka fifandirana, fa ny adala rehetra dia miantsampy amin'ny fiadian-kevitra. BSB BSB: It is honorable for a man to resolve a dispute, but any fool will quarrel.
4 ULB Ny olona kamo dia tsy miasa tany amin'ny lohataona; mitady vokatra izy amin'ny fararano fa tsy hahazo na inona na inona. BSB BSB: The slacker does not plow in season; at harvest time he looks, but nothing is there.
5 ULB Ny tanjona ao am-pon'ny olona dia tahaka ny rano lalina, fa ny olona izay manam-pahalalana kosa hamoaka azy. BSB BSB: The intentions of a man’s heart are deep waters, but a man of understanding draws them out.
6 ULB Maro ny olona milaza fa tsy mpivadika, saingy iza no afaka hahita olona mahatoky? BSB BSB: Many a man proclaims his loving devotion, but who can find a trustworthy man?
7 ULB Ny olona marina dia mandeha amin'ny fahitsiana, ary ireo zanany izay mandimby azy aoriany dia hotahiana. BSB BSB: The righteous man walks with integrity; blessed are his children after him.
8 ULB Ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany manatanteraka ireo adidin'ny mpitsara dia manivana ireo ratsy rehetra izay eo alohany amin'ny masony. BSB BSB: A king who sits on a throne to judge sifts out all evil with his eyes.
9 ULB Iza no afaka miteny hoe: "Efa nihazona ny foko hadio aho; afaka amin'ny otako aho"? BSB BSB: Who can say, “I have kept my heart pure; I am cleansed from my sin”?
10 ULB Ny mizana tsy mitovy lanja sy ny fandrefesana tsy mitovy— dia samy halan'i Yaveh. BSB BSB: Differing weights and unequal measures—both are detestable to the LORD.
11 ULB Na ny tanora aza dia fantatra amin'ny ataony, raha madio sy mahitsy ny fitondran-tenany. BSB BSB: Even a young man is known by his actions—whether his conduct is pure and upright.
12 ULB Ny sofina izay maheno ary ny maso izay mahita— dia samy nataon'i Yaveh avokoa ireo. BSB BSB: Ears that hear and eyes that see—the LORD has made them both.
13 ULB Aza mitia torimaso fandrao ho tonga amin'ny fahantrana ianao; sokafy ny masonao dia hanan- kohanina be ianao. BSB BSB: Do not love sleep, or you will grow poor; open your eyes, and you will have plenty of food.
14 ULB "Ratsy! Ratsy! hoy ny mpividy, fa rehefa lasa izy dia mirehareha. BSB BSB: “Worthless, worthless!” says the buyer, but on the way out, he gloats.
15 ULB Misy ny volamena sy vato lafo vidy maro be, fa ny molotry ny fahalalana dia firavaka sarobidy. BSB BSB: There is an abundance of gold and rubies, but lips of knowledge are a rare treasure.
16 ULB Alao ny akanjon'izay nampisy fiarovana ho an'ireo vahiny, ary tazony ho antoka izany raha manisy fiarovana ho an'ny vehivahy ratsy fitondran-tena izy. BSB BSB: Take the garment of the one who posts security for a stranger; get collateral if it is for a foreigner.
17 ULB Mamy ny tsiron'ny mofo azo amin'ny fitaka, saingy rehefa afaka izany dia ho feno vatokely ny vavany. BSB BSB: Food gained by fraud is sweet to a man, but later his mouth is full of gravel.
18 ULB Ireo paika dia voalamin'ny torohevitra ary amin'ny tari-dalana hendry ihany no tokony hitondranao ny ady. BSB BSB: Set plans by consultation, and wage war under sound guidance.
19 ULB Ny fifosana mamoaka tsiambaratelo ary noho izany dia tsy tokony hiaraka amin'ireo olona izay mpiteny foana ianao. BSB BSB: He who reveals secrets is a constant gossip; avoid the one who babbles with his lips.
20 ULB Raha misy olona manozona ny rainy sy ny reniny, dia ho faty eo afovoan'ny aizina ny jirony. BSB BSB: Whoever curses his father or mother, his lamp will be extinguished in deepest darkness.
21 ULB Ny lova azo mora foana any am-piandohana dia tsy dia hahasoa any am-parany. BSB BSB: An inheritance gained quickly will not be blessed in the end.
22 ULB Aza miteny hoe: "Hamaly anao noho iny ratsy iny aho!" Miandrasa an'i Yaveh dia hamonjy anao Izy. BSB BSB: Do not say, “I will avenge this evil!” Wait on the LORD, and He will save you.
23 ULB Halan'i Yaveh ireo vato fandanjana tsy mitovy ary ny mizana tsy marina dia tsy tsara. BSB BSB: Unequal weights are detestable to the LORD, and dishonest scales are no good.
24 ULB Ny dian'ny olona dia tarihan'i Yaveh; koa ahoana no ahalalany izay lalany? BSB BSB: A man’s steps are from the LORD, so how can anyone understand his own way?
25 ULB Fandrika ho an'ny olona ny miteny an-kamehana hoe: "Masina ity zavatra ity," ary rehefa avy nanao ny voadiny vao manomboka mieritreritra izay dikany. BSB BSB: It is a trap for a man to dedicate something rashly, only later to reconsider his vows.
26 ULB Ny mpanjaka hendry dia manivana ny ratsy fanahy ary mamadika ny kodiaran'ny fikororohana eo amin'izy ireo. BSB BSB: A wise king separates out the wicked and drives the threshing wheel over them.
27 ULB Ny fanahin'ny olona no jiron'i Yaveh, mitady ireo singa anatiny indrindra. BSB BSB: The spirit of a man is the lamp of the LORD, searching out his inmost being.
28 ULB Tsy fivadiham-panekena sy fahamendreham-pitokisana no miaro ny mpanjaka; ny seza fiandrianany dia voaaron'ny fitiavana. BSB BSB: Loving devotion and faithfulness preserve a king; by these he maintains his throne.
29 ULB Ny voninahitr'ireo tovolahy dia ny tanjany ary ny famirapiratan'ny olona antitra dia ny volofotsiny. BSB BSB: The glory of young men is their strength, and gray hair is the splendor of the old.
30 ULB Ireo famelezana izay mandratra manaisotra ny ratsy ary ny kapoka dia mahatonga ny any anaty lalina hadio. BSB BSB: Lashes and wounds scour evil, and beatings cleanse the inmost parts.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.