1 ULB Ny fon'ny mpanjaka dia rano mikoriana eo an-tanan'i Yaveh; aviliny eny amin'izay itiavany azy izany. BSB BSB: The king’s heart is a waterway in the hand of the LORD; He directs it where He pleases.
2 ULB Ny lalan'olona rehetra dia mahitsy eo imasony ihany, fa Yaveh no mandanja ny fo. BSB BSB: All a man’s ways seem right to him, but the LORD weighs the heart.
3 ULB Izay manao ny marina sy mahitsy dia sitrak'i Yaveh kokoa mihoatra ny sorona. BSB BSB: To do righteousness and justice is more desirable to the LORD than sacrifice.
4 ULB Ny fiavonavon'ny maso sy fireharehan'ny fo—ny jiron'ny ratsy fanahy— dia fahotana. BSB BSB: Haughty eyes and a proud heart—the guides of the wicked—are sin.
5 ULB Ireo fikasan'ny mazoto dia mitarika makany amin'ny fanambinana ihany, fa ny olona rehetra izay maimaika loatra dia tonga amin'ny fahantrana ihany. BSB BSB: The plans of the diligent bring plenty, as surely as haste leads to poverty.
6 ULB Ny fihariana harena amin'ny lela mandainga dia entona mihelina ary fandrika mamono. BSB BSB: Making a fortune by a lying tongue is a vanishing mist, a deadly pursuit.
7 ULB Ny herisetran'ny ratsy fanahy dia hisintona azy ireo, satria mandà ny hanao izay rariny izy ireo. BSB BSB: The violence of the wicked will sweep them away because they refuse to do what is just.
8 ULB Miolakolaka ny lalan'ny olona meloka, fa ny olona izay madio dia manao izay marina BSB BSB: The way of a guilty man is crooked, but the conduct of the innocent is upright.
9 ULB Aleo kokoa mipetraka eo amin'ny zoron'ny tafo toy izay miray trano amin'ny vady mpila ady. BSB BSB: Better to live on a corner of the roof than to share a house with a quarrelsome wife.
10 ULB Ny hanoanan'ny ratsy fanahy dia maniry fatratra ny ratsy; tsy mahita fahatsarana eo amin'ny masony ireo namany izy. BSB BSB: The soul of the wicked man craves evil; his neighbor finds no favor in his eyes.
11 ULB Rehefa faizina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina, ary rehefa anarina ny olona hendry, dia hihazona fahalalana izy. BSB BSB: When a mocker is punished, the simple gain wisdom; and when a wise man is instructed, he acquires knowledge.
12 ULB Mandinika ny tranon'ny olona ratsy fanahy ny olo-marina; mitondra ny olona ratsy fanahy ho amin'ny loza izy. BSB BSB: The Righteous One considers the house of the wicked and brings the wicked to ruin.
13 ULB Ny olona izay manampina ny sofiny amin'ny fitarainan'ny mahantra, dia mbola hitaraina ihany koa, saingy tsy hisy hamaly azy. BSB BSB: Whoever shuts his ears to the cry of the poor, he too shall cry out and receive no answer.
14 ULB Ny fanomezana mangingina mampitony ny hatezerana ary ny fanomezana miafina dia mampilefy ny fahatezerana mafy. BSB BSB: A gift in secret soothes anger, and a covert bribe pacifies great wrath.
15 ULB Rehefa vita ny fitsarana, dia mitondra fifaliana ho an'ny olo-marina izany, saingy mitondra horohoro ho an'ireo mpanao ratsy izany. BSB BSB: Justice executed is a joy to the righteous, but a terror to the workers of iniquity.
16 ULB Izay mirenireny miala amin'ny lalan'ny fahazavan-tsaina, dia hitsahatra ao amin'ny fiangonan'ny maty. BSB BSB: The man who strays from the path of understanding will rest in the assembly of the dead.
17 ULB Izay tia fahafinaretana dia hahantra; izay tia divay sy diloilo dia tsy hanan-karena. BSB BSB: He who loves pleasure will become poor; the one who loves wine and oil will never be rich.
18 ULB Ny olona ratsy fanahy dia solovaika ho an'ny olo-marina, ary ny olona mpamitaka dia vidim-panavotana ho an'ny olona mahitsy. BSB BSB: The wicked become a ransom for the righteous, and the faithless for the upright.
19 ULB Aleo mitoetra any an-tany efitra toy izay miaraka amin'ny vady mpifanditra sy tezitra. BSB BSB: Better to live in the desert than with a contentious and ill-tempered wife.
20 ULB Harena sarobidy sy diloilo no ao an-tranon'ny hendry, fa ny olona adala kosa mandany ireo. BSB BSB: Precious treasures and oil are in the dwelling of the wise, but a foolish man consumes them.
21 ULB Izay manao ny marina sy tsara fanahy— izany olona izany dia hahita ny fiainana, fahamarinana, ary voninahitra. BSB BSB: He who pursues righteousness and loving devotion finds life, righteousness, and honor.
22 ULB Ny olona hendry mananika ny tanànan'ireo mahery, ary mandrodana ny fiarovana mafy izay nitokian'ireo. BSB BSB: A wise man scales the city of the mighty and pulls down the stronghold in which they trust.
23 ULB Na iza na iza miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny tenany amin'ny fahoriana. BSB BSB: He who guards his mouth and tongue keeps his soul from distress.
24 ULB Ny olona miavonavona sy mirehareha—"Mpaniratsira" no anarany— dia manao fihetsika feno fiavonavonana. BSB BSB: Mocker is the name of the proud and arrogant man—of him who acts with excessive pride.
25 ULB Ny fanirian'ny kamo dia mahafaty azy, satria mandà ny hiasa ny tanany. BSB BSB: The craving of the slacker kills him because his hands refuse to work.
26 ULB Maniry fatratra mandritra ny tontolo andro izy, fa ny olo-marina dia manome sady tsy kahihitra. BSB BSB: All day long he covets more, but the righteous give without restraint.
27 ULB Maharikoriko ny sorona avy amin'ny ratsy fanahy; maharikoriko kokoa aza izany rehefa mitondra izany amin'ny antony ratsy izy. BSB BSB: The sacrifice of the wicked is detestable—how much more so when brought with ill intent!
28 ULB Ho faty ny vavolombelona sandoka, fa ny olona izay mihaino dia hiteny amin'ny fotoana rehetra. BSB BSB: A lying witness will perish, but the man who listens to truth will speak forever.
29 ULB Ny olona ratsy fanahy dia manamafy ny endriny, fa ny olona mahitsy dia matoky amin'ny lalany. BSB BSB: A wicked man hardens his face, but the upright man makes his way sure.
30 ULB Tsy misy fahendrena, tsy misy fahalalana, ary tsy misy torohevitra afaka mijoro hanohitra an'i Yaveh. BSB BSB: There is no wisdom, no understanding, no counsel that can prevail against the LORD.
31 ULB Ny soavaly nomanina ho amin'ny andron'ny ady, saingy an'i Yaveh ny fandresena. BSB BSB: A horse is prepared for the day of battle, but victory is of the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.