1 ULB Aleo misafidy ny laza tsara toy izay be harena ary tsara noho ny volafotsy sy volamena ny sitraka. BSB BSB: A good name is more desirable than great riches; favor is better than silver and gold.
2 ULB Ny mpanakarena sy ny mahantra dia samy manana izany—Yaveh no mpahary azy rehetra. BSB BSB: The rich and the poor have this in common: The LORD is Maker of them all.
3 ULB Ny olona mailo mahita ny loza ka miafina, fa ny bado kosa mandroso ary mijaly noho izany. BSB BSB: The prudent see danger and take cover, but the simple keep going and suffer the consequences.
4 ULB Ny valisoan'ny fanetren-tena sy fahatahorana an'i Yaveh dia harena, voninahitra, ary fiainana. BSB BSB: The rewards of humility and the fear of the LORD are wealth and honor and life.
5 ULB Ny tsilo sy ny fandrika no eo amin'ny lalan'ny maditra; fa izay miaro ny ainy dia hanalavitra azy ireo. BSB BSB: Thorns and snares lie on the path of the perverse; he who guards his soul stays far from them.
6 ULB Ampianaro amin'ny zaza ny lalana tokony alehany ary rehefa lehibe izy dia tsy hiala amin'izany fampianarana izany. BSB BSB: Train up a child in the way he should go, and when he is old he will not depart from it.
7 ULB Manapaka eo amin'ny ory ny mpanan-karena ary izay mindrana dia ho andevon'izay nampindrana. BSB BSB: The rich rule over the poor, and the borrower is slave to the lender.
8 ULB Izay mamafy ny tsy rariny dia hijinja fahoriana ary halazo ny tsorakazon'ny fahatezerany. BSB BSB: He who sows injustice will reap disaster, and the rod of his fury will be destroyed.
9 ULB Izay manana maso be fiantrana dia hotahina, satria mizara ny mofony amin'ny mahantra izy. BSB BSB: A generous man will be blessed, for he shares his bread with the poor.
10 ULB Roahy ny mpaniratsira dia ho lasa ny fifandirana; hitsahatra ny ady sy ny fanevatevana. BSB BSB: Drive out the mocker, and conflict will depart; even quarreling and insults will cease.
11 ULB Izay tia fo madio sy izay milaza fahasoavana, dia hanana ny mpanjaka ho namany. BSB BSB: He who loves a pure heart and gracious lips will have the king for a friend.
12 ULB Ny mason'i Yaveh dia miambina hatrany ny fahalalana, fa ny tenin'ny mpamadika dia ravainy. BSB BSB: The LORD’s eyes keep watch over knowledge, but He frustrates the words of the faithless.
13 ULB Ny olona malaina manao hoe: "Misy liona any an-dalana! Ho faty eny an-kalamanjana aho." BSB BSB: The slacker says, “There is a lion outside! I will be slain in the streets!”
14 ULB Ny vavan'ny vehivavy janga dia lavaka lalina; mihetsika amin'izay rehetra latsaka ao ny fahatezeran'i Yaveh. BSB BSB: The mouth of an adulteress is a deep pit; he who is under the wrath of the LORD will fall into it.
15 ULB Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny adalana, saingy ny tsorakazo famaizana hampiala izany. BSB BSB: Foolishness is bound up in the heart of a child, but the rod of discipline drives it far from him.
16 ULB Izay mampahory ny olona mahantra dia mampitombo ny hareny, ary ho tonga amin'ny fahantrana izay manome ny mpanan-karena. BSB BSB: Oppressing the poor to enrich oneself or giving gifts to the rich will surely lead to poverty.
17 ULB Atongilano ny sofinao ary mihainoa ireo tenin'ny hendry ka ampanekeo ny fahalalako ny fonao, BSB BSB: Incline your ear and hear the words of the wise—apply your mind to my knowledge—
18 ULB satria hahafinaritra anao ireo raha tandremanao ao aminao, raha vonona eo amin'ny molotrao izy rehetra. BSB BSB: for it is pleasing when you keep them within you and they are constantly on your lips.
19 ULB Ho ao amin'i Yaveh noho izany ny fahatokisanao, mampianatra anao izany aho anio—ianao dia ianao. BSB BSB: So that your trust may be in the LORD, I instruct you today—yes, you.
20 ULB Moa ve aho tsy efa nanoratra ohabolan'ny fampianarana sy fahalalana teolpolo ho anao, BSB BSB: Have I not written for you thirty sayings about counsel and knowledge,
21 ULB mba hampianarana anao ny marina amin'ireo teny mahatoky ireo, mba hanomezanao valin-teny mahatoky amin'ireo izay naniraka anao? BSB BSB: to show you true and reliable words, that you may soundly answer those who sent you?
22 ULB Aza mandroba ny malahelo satria mahantra izy, na manosihosy ny ory eo am-bavahady, BSB BSB: Do not rob a poor man because he is poor, and do not crush the afflicted at the gate,
23 ULB fa Yaveh no hisolo vava azy ireo, ary Izy handroba ny ain'ireo izay nandroba azy ireo. BSB BSB: for the LORD will take up their case and will plunder those who rob them.
24 ULB Aza misakaiza amin'ny olona izay fehezin'ny fahatezerana ary aza miaraka amin'izay romotra, BSB BSB: Do not make friends with an angry man, and do not associate with a hot-tempered man,
25 ULB sao ianao hianatra ny fanaony ary hahazo fandrika ho an'ny fanahinao. BSB BSB: or you may learn his ways and entangle yourself in a snare.
26 ULB Aza mety ho isan'izay maninji-tanana amin'ny fiantohana, na mianto-trosa. BSB BSB: Do not be one who gives pledges, who puts up security for debts.
27 ULB Raha tsy manana haloa ianao, inona moa no hahasakana ny olona tsy haka ny fandriana andrianao? BSB BSB: If you have nothing with which to pay, why should your bed be taken from under you?
28 ULB Aza manakisaka ny fefy vato fahizay izay efa napetraky ny razanareo. BSB BSB: Do not move an ancient boundary stone which your fathers have placed.
29 ULB Mahita olona kinga amin'ny asany ve ianao? Hitsangana eo anoloan'ireo mpanjaka izy; tsy hitsangana eo anoloan'ny olona mahazatra izy. BSB BSB: Do you see a man skilled in his work? He will be stationed in the presence of kings; he will not stand before obscure men.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.