1 ULB Rehefa mipetraka hihinana miaraka amin'ny mpanapaka ianao, dia diniho tsara izay eo anoloanao, BSB BSB: When you sit down to dine with a ruler, consider carefully what is set before you,
2 ULB ary ambano antsy ny tendanao raha olona tia mihinan-kanina be loatra ianao. BSB BSB: and put a knife to your throat if you possess a great appetite.
3 ULB Aza maniry loatra ny hanim-piny, fa haninin'ny lainga izany. BSB BSB: Do not crave his delicacies, for that food is deceptive.
4 ULB Aza dia miasa mafy loatra hahazoana harena; hendre tsara hahafantaranao ny fotoana hitsaharana. BSB BSB: Do not wear yourself out to get rich; be wise enough to restrain yourself.
5 ULB Hamela ny masonao hirehitra amin'izany ve ianao? Ho dify izany, fa ho hari-elatra tahaka ny voromahery tokoa izany ka hanidina eny amin'ny lanitra. BSB BSB: When you glance at wealth, it disappears, for it makes wings for itself and flies like an eagle to the sky.
6 ULB Aza mihinana ny hanin'ny olona manao maso ratsy—ary aza maniry ny hanim-piny, BSB BSB: Do not eat the bread of a stingy man, and do not crave his delicacies;
7 ULB fa karazan'olona manisa ny vidin-kanina izy. "Mihinàna ary misotroa!" hoy izy aminao, kanefa tsy aminao ny fony. BSB BSB: for he is keeping track, inwardly counting the cost. “Eat and drink,” he says to you, but his heart is not with you.
8 ULB Haloanao izay kely nohaninao ary ho very foana ny teny fandokanao. BSB BSB: You will vomit up what little you have eaten and waste your pleasant words.
9 ULB Aza miteny eo an-tsofin'ny adala, satria hanamavo ny fahendren'ny teninao izy. BSB BSB: Do not speak to a fool, for he will despise the wisdom of your words.
10 ULB Aza manakisaka ny fefy vato fahizay na mananika ny sahan'ny kamboty, BSB BSB: Do not move an ancient boundary stone or encroach on the fields of the fatherless,
11 ULB fa mahery ny Mpanavotra azy ireny ary Izy no hisolo vava azy ireo hanohitra anao. BSB BSB: for their Redeemer is strong; He will take up their case against you.
12 ULB Ampanekeo fampianarana ny fonao ary teny fahalalana ny sofinao. BSB BSB: Apply your heart to instruction and your ears to words of knowledge.
13 ULB Aza mitsitsy ny fampianarana tsy ho amin'ny zaza, satria raha manafay azy ianao, dia tsy ho faty izy. BSB BSB: Do not withhold discipline from a child; although you strike him with a rod, he will not die.
14 ULB Ianao no tsy maintsy hikapoka azy amin'ny tsorakazo ka hamonjy ny fanahiny amin'ny Fiainan-tsy hita. BSB BSB: Strike him with a rod, and you will deliver his soul from Sheol.
15 ULB Ry zanako, raha hendry ny fonao, dia ho faly ihany koa ny foko; BSB BSB: My son, if your heart is wise, my own heart will indeed rejoice.
16 ULB hiravoravo ny any anatiko rehefa milaza izay marina ny molotrao. BSB BSB: My inmost being will rejoice when your lips speak what is right.
17 ULB Aza avela hialona ireo mpanota ny fonao, fa mitoera amin'ny tahotra an'i Yaveh mandrakariva. BSB BSB: Do not let your heart envy sinners, but always continue in the fear of the LORD.
18 ULB Misy tokoa ny ho avy ary tsy ho foana ny fanantenanao. BSB BSB: For surely there is a future, and your hope will not be cut off.
19 ULB Mihainoa—ianao! —ry zanako, ary hendre ka hampizory amin'ny lalana mahitsy ny fonao. BSB BSB: Listen, my son, and be wise, and guide your heart on the right course.
20 ULB Aza minamana amin'ny mamolava, na amin'ny fatra-pihinan-kena, BSB BSB: Do not join those who drink too much wine or gorge themselves on meat.
21 ULB fa ny mamolava sy ny tendan-kanina ary ireo be torimaso dia hahantra ary ny faharendrehana no hampitafy azy amin'ny voro-damba. BSB BSB: For the drunkard and the glutton will come to poverty, and drowsiness will clothe them in rags.
22 ULB Henoy ny rainao niteraka anao ary aza manao tsinontsinona ny reninao rehefa antitra izy. BSB BSB: Listen to your father who gave you life, and do not despise your mother when she is old.
23 ULB Vidio ny marina, fa aza mivarotra izany; mividiana fahendrena, fampianarana, ary fahazavan-tsaina. BSB BSB: Invest in truth and never sell it—in wisdom and instruction and understanding.
24 ULB Hiravoravo tokoa ny rain'ny olo-marina, ary izay miteraka zaza hendry dia ho faly aminy. BSB BSB: The father of a righteous man will greatly rejoice, and he who fathers a wise son will delight in him.
25 ULB Aoka ny rainao sy ny reninao ho faly ary aoka hiravoravo izay niteraka anao. BSB BSB: May your father and mother be glad, and may she who gave you birth rejoice!
26 ULB Ry zanako, omeo ahy ny fonao ary aoka ny masonao hitandriana ny lalako. BSB BSB: My son, give me your heart, and let your eyes delight in my ways.
27 ULB Fa ny vehivavy janga dia lavaka lalina, ary fantsakana tery ny vehivavy ratsy fitondran-tena. BSB BSB: For a prostitute is a deep pit, and an adulteress is a narrow well.
28 ULB Miandriandry tahaka ny mpandroba izy ary mampitombo ny isan'ireo mpamadika eo amin'ny zanak'olombelona. BSB BSB: Like a robber she lies in wait and multiplies the faithless among men.
29 ULB Iza no misy ozona? Iza no manana alahelo? Iza no manana ady? Iza no manana fitarainana? Iza no manana fery tsy ahoan-tsy ahoana? Iza no manana maso mivoara-mena? BSB BSB: Who has woe? Who has sorrow? Who has contentions? Who has complaints? Who has needless wounds? Who has bloodshot eyes?
30 ULB Ireo izay mifikitra amin'ny divay, ireo izay manandrana ny divay mifangaro. BSB BSB: Those who linger over wine, who go to taste mixed drinks.
31 ULB Aza mijery ny divay raha mena izany, rehefa manganohano ao amin'ny kapoaka izany ka miraraka tsimoramora. BSB BSB: Do not gaze at wine while it is red, when it sparkles in the cup and goes down smoothly.
32 ULB Amin'ny farany izany dia manaikitra toy ny bibilava ary manindrona toy ny menarana. BSB BSB: In the end it bites like a snake and stings like a viper.
33 ULB Hahita zavatra hafahafa ny masonao ary ny fonao hamoaka zava-betaveta. BSB BSB: Your eyes will see strange things, and your mind will utter perversities.
34 ULB Ho tahaka ny olona izay matory eo amin'ny ranomasina manonja ianao na mandry eo an-tampon'ny andrin-tsambo. BSB BSB: You will be like one sleeping on the high seas or lying on the top of a mast:
35 ULB "Namely ahy ireny," hoy ianao, "fa tsy voa aho. Nikapoka ahy ireny, fa tsy tsapako izany. Rahoviana aho no hifoha? Hitady ho sotroina hafa indray aho." BSB BSB: “They struck me, but I feel no pain! They beat me, but I did not know it! When can I wake up to search for another drink?”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.