1 ULB Aza mialona ireo izay ratsy, na maniry ny hiombona amin'izy ireo, BSB BSB: Do not envy wicked men or desire their company;
2 ULB satria miteti-dratsy hanao herisetra ny fon'izy ireo ary milaza fahoriana ny molotr'izy ireo. BSB BSB: for their hearts devise violence, and their lips declare trouble.
3 ULB Amin'ny fahendrena no ananganana trano ary amin'ny fahazavan-tsaina no anorenana azy. BSB BSB: By wisdom a house is built and by understanding it is established;
4 ULB Amin'ny fahalalana no hamenoana harena sarobidy sy mahafinaritra rehetra ireo efitrano. BSB BSB: through knowledge its rooms are filled with every precious and beautiful treasure.
5 ULB Mahery ny mpiadin'ny fahendrena, ary ny olon'ny fahalalana dia mampitombo ny heriny; BSB BSB: A wise man is strong, and a man of knowledge enhances his strength.
6 ULB fa amin'ny torolalana hendry no ahafahanao miady ny adinao ary amin'ireo mpanolo-tsaina maro no misy fandresena. BSB BSB: Only with sound guidance should you wage war, and victory lies in a multitude of counselors.
7 ULB Avo loatra ho an'ny adala ny fahendrena; tsy manoka-bava eo am-bavahady izy. BSB BSB: Wisdom is too high for a fool; he does not open his mouth in the meeting place.
8 ULB Misy olona mitetika hanao ratsy— antsoin'ny olona hoe tompon'ny tetika izy. BSB BSB: He who plots evil will be called a schemer.
9 ULB Ny tetiky ny adala dia fahotana ary ny olona dia manao tsinontsinona ny mpaniratsira. BSB BSB: A foolish scheme is sin, and a mocker is detestable to men.
10 ULB Raha tonga malemin'ny tahotra amin'ny androm-pahoriana ianao, dia kely ny herinao. BSB BSB: If you faint in the day of distress, how small is your strength!
11 ULB Avoty ireo izay nalaina hovonoina ary arovy ireo izay mivembena eo amin'ny famonoana. BSB BSB: Rescue those being led away to death, and restrain those stumbling toward the slaughter.
12 ULB Raha miteny ianao hoe: "Indro, tsy nahalala na inona na inona momba izany izahay", moa ve ilay iray izay mandanja ny fo tsy hahatakatra izay lazainao? Ilay iray izay miambina ny ainao, moa ve izy tsy mahalala izany? Moa ve Andriamanitra tsy manome ny tsirairay avy izay mendrika azy? BSB BSB: If you say, “Behold, we did not know about this,” does not He who weighs hearts consider it? Does not the One who guards your life know? Will He not repay a man according to his deeds?
13 ULB Ry zanako, mihinàna tantely satria tsara izany, satria mamy ny tantely mitete amin'ny tohon-tantely raha andramana. BSB BSB: Eat honey, my son, for it is good, and the honeycomb is sweet to your taste.
14 ULB Tahaka izany ny fahendrena ho an'ny fanahinao—raha hitanao izany, dia hisy hoavy ary tsy ho foana ny fanantenanao. BSB BSB: Know therefore that wisdom is sweet to your soul. If you find it, there is a future for you, and your hope will never be cut off.
15 ULB Aza manotrika tahaka ny olona ratsy fanahy izay manafika ny tranon'ny olo-marina. Aza mandrava ny tranony! BSB BSB: Do not lie in wait, O wicked man, near the dwelling of the righteous; do not destroy his resting place.
16 ULB Fa lavo impito ny olo-marina fa tafarina ihany, fa lavo amin'ny loza ny olona ratsy fanahy. BSB BSB: For though a righteous man may fall seven times, he still gets up; but the wicked stumble in bad times.
17 ULB Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao ary aoka tsy ho ravoravo ny fonao raha tafintohina izy, BSB BSB: Do not gloat when your enemy falls, and do not let your heart rejoice when he stumbles,
18 ULB raha tsy izany dia ho hitan'i Yaveh ary tsy ho ankasitrahany ka ho esoriny aminy ny fahatezerany. BSB BSB: or the LORD will see and disapprove, and turn His wrath away from him.
19 ULB Aza matahotra noho ireo mpanao ratsy, ary aza mialona ny ratsy fanahy, BSB BSB: Do not fret over evildoers, and do not be envious of the wicked.
20 ULB fa tsy mba manana hoavy ny olona ratsy ary ny jiron'ny ratsy fanahy dia ho faty. BSB BSB: For the evil man has no future; the lamp of the wicked will be extinguished.
21 ULB Matahora an'i Yaveh, ary matahora ny mpanjaka, ry zanako; aza miombona amin'ireo izay mikomy amin'izy ireo, BSB BSB: My son, fear the LORD and the king, and do not associate with the rebellious.
22 ULB fa ho tonga tampoka ny loza ho azy ireo ka iza no mahalala hoe hatraiza ny faharavana izay ho tonga amin'izy roa? BSB BSB: For they will bring sudden destruction. Who knows what ruin they can bring?
23 ULB Ireto ihany koa ireo fitenin'ny hendry. Tsy tsara fiangarana amin'ny fitsaran-draharaha amin'ny lalàna. BSB BSB: These also are sayings of the wise: To show partiality in judgment is not good.
24 ULB Na iza na iza miteny amin'ny ratsy fanahy hoe: "Olo-marina ianao", dia ho ozonin'ireo vahoaka ary ho halan'ireo firenena. BSB BSB: Whoever tells the guilty, “You are innocent”—peoples will curse him, and nations will denounce him;
25 ULB Nefa ireo izay manafay ny ratsy fanahy dia hahazo sitraka ary ho tonga amin'izy ireo ny fanomezan-tsoa. BSB BSB: but it will go well with those who convict the guilty, and rich blessing will come upon them.
26 ULB Ny olona izay mamaly amin-kitsim-po dia manoroka eo amin'ny molotra. BSB BSB: An honest answer given is like a kiss on the lips.
27 ULB Omano ny asanao any ivelany, ary ataovy vonona ho anao any an-tsaha ny zavatra rehetra; aorian'izay, dia amboary ny tranonao. BSB BSB: Complete your outdoor work and prepare your field; after that, you may build your house.
28 ULB Aza mijoro vavolombelona hanohitra ny mpiara-belona aminao amin'ny tsy antony ary aza mamitaka amin'ny molotrao. BSB BSB: Do not testify against your neighbor without cause, and do not deceive with your lips.
29 ULB Aza miteny hoe: "Ho ataoko aminy izay efa nataony tamiko; ho valiako aminy araka izay efa nataony." BSB BSB: Do not say, “I will do to him as he has done to me; I will repay the man according to his work.”
30 ULB Nandalo teny an-tsahan'ny olona kamo aho, niserana tamin'ny tanim-boaloboky ny olona tsy misy saina. BSB BSB: I went past the field of a slacker and by the vineyard of a man lacking judgment.
31 ULB Naniry teny rehetra teny ny tsilo; rakotry ny amiana ny tany, ary ireo vaton'ny manda dia rava. BSB BSB: Thorns had grown up everywhere, thistles had covered the ground, and the stone wall was broken down.
32 ULB Dia nahita aho ka nisaina izany; nijery aho ka nahazo anatra. BSB BSB: I observed and took it to heart; I looked and received instruction:
33 ULB Haka torimaso kely, faharendrehana kely, toho-tanana kely mba hitsaharana— BSB BSB: A little sleep, a little slumber, a little folding of the hands to rest,
34 ULB dia ho avy hanitsaka anao ny fahantrana, ary ireo filànao dia ho tahaka ny miaramila mirongo fiadiana. BSB BSB: and poverty will come upon you like a robber, and need like a bandit.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.