1 ULB Aza mirehareha amin'ny ampitso, fa tsy fantatrao izay mety ho entin'ny anio. BSB BSB: Do not boast about tomorrow, for you do not know what a day may bring.
2 ULB Aoka olon-kafa no handoka anao fa tsy ny vavanao ihany; ny vahiny fa tsy ny molotrao ihany. BSB BSB: Let another praise you, and not your own mouth—a stranger, and not your own lips.
3 ULB Saino ny havesatry ny vato sy ny lanjan'ny fasika— ny fihantsian'ny adala dia mavesatra kokoa noho ireo roa ireo. BSB BSB: A stone is heavy and sand is a burden, but aggravation from a fool outweighs them both.
4 ULB Misy ny habibian'ny havinirana sy ny fandriaky ny hatezerana, fa iza no afaka hijoro eo anoloan'ny hasarotam-piaro? BSB BSB: Wrath is cruel and anger is like a flood, but who can withstand jealousy?
5 ULB Aleo anatra ampahibemaso toy izay fitia afenina. BSB BSB: Better an open rebuke than love that is concealed.
6 ULB Mahatoky ny ratra ataon'ny namana, fa ny fahavalo dia mety hanoroka mitafotafo anao. BSB BSB: The wounds of a friend are faithful, but the kisses of an enemy are deceitful.
7 ULB Ny olona izay nihinana mandra-pahavoky dia mandà na dia ny tohon-tantely aza, fa ho an'ny olona noana kosa, dia mamy ny zava-mangidy rehetra. BSB BSB: The soul that is full loathes honey, but to a hungry soul, any bitter thing is sweet.
8 ULB Toy ny vorona izay mirenireny miala amin'ny akaniny ny olona izay maniasia miala amin'ny fonenany. BSB BSB: Like a bird that strays from its nest is a man who wanders from his home.
9 ULB Ny ranomanitra sy emboka manitra dia mampifaly ny fo, fa ny hamamian'ny namana dia tonga avy amin'ny toroheviny amin-kitsim-po. BSB BSB: Oil and incense bring joy to the heart, and the counsel of a friend is sweetness to the soul.
10 ULB Aza mahafoy ny namanao sy ny rain'ny namanao, ary aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andro-pahavoazanao. Tsara kokoa ny namana izay akaiky noho ny rahalahy izay lavitra. BSB BSB: Do not forsake your friend or your father’s friend, and do not go to your brother’s house in the day of your calamity; better a neighbor nearby than a brother far away.
11 ULB Hendre, ry zanako, dia ampifalio ny foko; dia hamaly an'ilay maneso ahy aho. BSB BSB: Be wise, my son, and bring joy to my heart, so that I can answer him who taunts me.
12 ULB Ny lehilahy mailo dia mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny olona bado dia mandroso ihany ka mijaly noho izany. BSB BSB: The prudent see danger and take cover, but the simple keep going and pay the penalty.
13 ULB Alaivo ny akanjon'izay nanome antoka amin'ny vahiny, ary tano ho antoka izany rehefa manome antoka amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena izy. BSB BSB: Take the garment of him who posts security for a stranger; get collateral if it is for a foreigner.
14 ULB Na iza na iza manome tso-drano ny namany amin'ny feo avo vao maraim-be, dia raisina ho toy ny ozona izany tso-drano izany! BSB BSB: If one blesses his neighbor with a loud voice early in the morning, it will be counted to him as a curse.
15 ULB Ny vady mpifanditra dia tahaka ny ora-mikija amin'ny andro fahavaratra; BSB BSB: A constant dripping on a rainy day and a contentious woman are alike—
16 ULB ny mihazona azy dia toy ny mihazona rivotra, na miezaka mamihina diloilo amin'ny tananao ankavanana. BSB BSB: restraining her is like holding back the wind or grasping oil with one’s right hand.
17 ULB Ny vy mandranitra vy; tahaka izany, ny lehilahy mandranitra ny namany. BSB BSB: As iron sharpens iron, so one man sharpens another.
18 ULB Izay mikarakara ny hazon'aviavy dia hihinana ny voany, ary izay miaro ny tompony dia homen-boninahitra. BSB BSB: Whoever tends a fig tree will eat its fruit, and he who looks after his master will be honored.
19 ULB Tahaka ny taratry ny rano amin'ny endriky ny olona, ny taratry ny fon'ny olona amin'ny olona. BSB BSB: As water reflects the face, so the heart reflects the true man.
20 ULB Tahaka ny Fiainan-tsy hita sy ny Fandringanana tsy afapo mandrakizay, dia toy izany ny mason'ny olona tsy ho afapo mandrakizay. BSB BSB: Sheol and Abaddon are never satisfied; so the eyes of man are never satisfied.
21 ULB Ny memy ho an'ny volafotsy ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena; dia amin'ny fiderana azy no hitsapana ny olona. BSB BSB: A crucible for silver and a furnace for gold, but a man is tested by the praise accorded him.
22 ULB Na dia totoinao amin'ny fanoto aza ny adala—miaraka amin'ny vary—dia mbola tsy hiala aminy ihany ny adalany. BSB BSB: Though you grind a fool like grain with mortar and a pestle, yet his folly will not depart from him.
23 ULB Ataovy azo antoka fa fantatrao ny toetry ny ondrinao ary saino ny momba ireo biby fiompinao, BSB BSB: Be sure to know the state of your flocks, and pay close attention to your herds;
24 ULB fa ny harena dia tsy mandrakizay. Maharitra ho an'ny taranaka rehetra ve ny satro-boninahitra? BSB BSB: for riches are not forever, nor does a crown endure to every generation.
25 ULB Rehefa miala ny ahitra ary mitsiry ny solofony, dia angonina avy eny amin'ny havoana ny ahitra ho an'ireo ondry aman'osy. BSB BSB: When hay is removed and new growth appears and the grass from the hills is gathered,
26 ULB Ireo zanak'ondry ireo no hanome ny fitafianao ary ireo osy no hanome ny saran'ny saha. BSB BSB: the lambs will provide you with clothing, and the goats with the price of a field.
27 ULB Hisy rononon'osy ho an'ny sakafonao—sakafo ho an'ny tokantranonao— ary sakafo ho an'ny mpanomponao vavy. BSB BSB: You will have plenty of goats’ milk to feed you—food for your household and nourishment for your maidservants.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.