1 ULB Ny tenin'i Agora zanak'i Jake—fampitana: nitory tamin'i Itiela io lehilahy io, tamin'i Itiela sy Okala: BSB BSB: These are the words of Agur son of Jakeh—the burden that this man declared to Ithiel: “I am weary, O God, and worn out.
2 ULB Toy ny biby tokoa aho mihoatra ny olona ary tsy manana ny fahazavan-tsain'ny olombelona aho. BSB BSB: Surely I am the most ignorant of men, and I lack the understanding of a man.
3 ULB Tsy nianatra fahendrena aho, na manana ny fahalalana ilay Iray Masina. BSB BSB: I have not learned wisdom, and I have no knowledge of the Holy One.
4 ULB Iza no niakatra sy nidina tany an-danitra? Iza no nanangona ny rivotra teny an-tanany? Iza no navoangona ny rano teo amin'ny lambany? Iza no nanorina ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran-janany? Fantatrao tokoa izany! BSB BSB: Who has ascended to heaven and come down? Who has gathered the wind in His hands? Who has bound up the waters in His cloak? Who has established all the ends of the earth? What is His name, and what is the name of His Son—surely you know!
5 ULB Voazaha toetra avokoa ny tenin'Andriamanitra; ampinga ho an'ireo izay mialoka aminy Izy. BSB BSB: Every word of God is flawless; He is a shield to those who take refuge in Him.
6 ULB Aza manampy amin'ny teniny, sao ho faiziny ianao, ary ho voaporofo fa mpandainga. BSB BSB: Do not add to His words, lest He rebuke you and prove you a liar.
7 ULB Zavatra roa no angatahiko aminao, ary aza mihazona ireo mialohan'ny hahafatesako: BSB BSB: Two things I ask of You—do not refuse me before I die:
8 ULB Alaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga. Aza omena ahy na ny fahantrana na ny harena, fa omeo ahy fotsiny ny hanina izay ilaiko. BSB BSB: Keep falsehood and deceitful words far from me. Give me neither poverty nor riches; feed me with the bread that is my portion.
9 ULB Fa raha manana be loatra aho, dia mety handà anao ka hiteny hoe: "Iza moa Yaveh?" Na raha tonga mahantra aho, dia mety hangalatra ka handoto ny anaran'ny Andriamanitro. BSB BSB: Otherwise, I may have too much and deny You, saying, ‘Who is the LORD?’ Or I may become poor and steal, profaning the name of my God.
10 ULB Aza manendrikendrika ny andevo eo anatrehan'ny tompony, sao hanozona anao izy ary ho voatana ho meloka ianao. BSB BSB: Do not slander a servant to his master, or he will curse you, and you will bear the guilt.
11 ULB Misy taranaka manozona ny rainy sady tsy misaotra ny reniny. BSB BSB: There is a generation of those who curse their fathers and do not bless their mothers.
12 ULB Misy taranaka madio eo imasony ihany, kinanjo tsy voasasa tamin'ny lotony akory. BSB BSB: There is a generation of those who are pure in their own eyes and yet unwashed of their filth.
13 ULB Misy taranaka manandratra ny masony, ary endrey ny fisandratan'ny hodi-masony! BSB BSB: There is a generation—how haughty are their eyes and pretentious are their glances—
14 ULB Misy taranaka izay sabatra ny nifiny, ary ny valanoranony tahaka ny antsy, mba handrapahany ny mahantra hiala amin'ny tany ary ny ory tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona. BSB BSB: there is a generation whose teeth are swords and whose jaws are knives, devouring the oppressed from the earth and the needy from among men.
15 ULB Ny dinta manan-janaka vavy roa: "Omeo, Omeo" hoy ny fihiakiakany. Misy zavatra telo izay tsy mety afapo, efatra izay tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy izay": BSB BSB: The leech has two daughters: Give and Give. There are three things that are never satisfied, four that never say, ‘Enough!’:
16 ULB dia ny Fiainan-tsy hita; ny kibo momba; ny tany tsy vonton-drano; ary ny afo no tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy izay!" BSB BSB: Sheol, the barren womb, land never satisfied with water, and fire that never says, ‘Enough!’
17 ULB Ny maso izay maniratsira ny ray sady mandrabiraby ny fankatoavana ny reny, ho tsaingohan'ny goaika any an-tsaha ny mason'izany, ary ho lanin'ny volotoro izy. BSB BSB: As for the eye that mocks a father and scorns obedience to a mother, may the ravens of the valley pluck it out and young vultures devour it.
18 ULB Misy zavatra telo izay mahagaga loatra ho ahy, eny efatra izay tsy takatro: BSB BSB: There are three things too wonderful for me, four that I cannot understand:
19 ULB ny lalan'ny voromahery eny an-danitra; ny lalan'ny bibilava eny amin'ny vatolampy; ny lalan'ny sambo eny afovoan'ny ranomasina; ary ny lalan'ny lehilahy miaraka amin'ny tovovavy. BSB BSB: the way of an eagle in the sky, the way of a snake on a rock, the way of a ship at sea, and the way of a man with a maiden.
20 ULB Izao no fomban'ny vehivavy janga: mihinana izy ka mamafa ny vavany ary miteny hoe: "Tsy nanao ratsy aho." BSB BSB: This is the way of an adulteress: She eats and wipes her mouth and says, ‘I have done nothing wrong.’
21 ULB Mihovitrovitra eo ambanin'ny zavatra telo ny tany, ary ambanin'ny zavatra efatra no tsy zakany: BSB BSB: Under three things the earth trembles, under four it cannot bear up:
22 ULB dia ny andevo raha tonga mpanjaka, ny adala raha voky hanina; BSB BSB: a servant who becomes king, a fool who is filled with food,
23 ULB ny vehivavy ankahalaina raha ampakarina; ary ny mpanompo vavy raha maka ny toeran'ny tompo vaviny. BSB BSB: an unloved woman who marries, and a maidservant who supplants her mistress.
24 ULB Zavatra efatra eto an-tany no kely kanefa hendry tokoa: BSB BSB: Four things on earth are small, yet they are exceedingly wise:
25 ULB ny vitsika dia voahary tsy matanjaka, kanefa manomana ny sakafony amin'ny fahavaratra izy ireo; BSB BSB: The ants are creatures of little strength, yet they store up their food in the summer;
26 ULB ny hyraky ny vato dia tsy voahary mahery, kanefa manao ny fonenany anaty vatolampy. BSB BSB: the rock badgers are creatures of little power, yet they make their homes in the rocks;
27 ULB Ny valala dia tsy manana mpanjaka, kanefa mirindra milahatra tsara ny diany. BSB BSB: the locusts have no king, yet they all advance in formation;
28 ULB Ary ny amin'ny antsiantsy, dia azonao hazonina amin'ny tananao roa izany, kanefa dia hita any amin'ireo lapan'ny mpanjaka. BSB BSB: and the lizard can be caught in one’s hands, yet it is found in the palaces of kings.
29 ULB Misy zavatra telo izay tsara famindra ary efatra izay tsara ny fomba fandehany: BSB BSB: There are three things that are stately in their stride, and four that are impressive in their walk:
30 ULB ny liona, izay mahery indrindra amin'ireo bibidia— tsy miery amin'ny inona na inona izany; BSB BSB: a lion, mighty among beasts, refusing to retreat before anything;
31 ULB ny akoholahy mpiady; ny osilahy; ary ny mpanjaka izay eo anilany ny miaramilany. BSB BSB: a strutting rooster; a he-goat; and a king with his army around him.
32 ULB Raha adala ianao, nanandra-tena, na raha namisavisa ratsy—dia ataovy eo am-bavanao ny tananao. BSB BSB: If you have foolishly exalted yourself or if you have plotted evil, put your hand over your mouth.
33 ULB Ny fanontsankontsanana ny ronono no mahatonga ronono mandry ary toy ny fivoahan-drà amin'ny oron'ny olona raha ahodikodina izany, dia toy izany koa ny asa atao amin-katezerana dia miteraka ady. BSB BSB: For as the churning of milk yields butter, and the twisting of the nose draws blood, so the stirring of anger brings forth strife.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.