1 ULB Ireo tenin'i Lemoela mpanjaka—anatra nampianarin'ny reniny azy. BSB BSB: These are the words of King Lemuel—the burden that his mother taught him:
2 ULB Inona, ry zanako? Inona izany, ry zanaky ny kiboko? Inona no tadiavinao, ry zanaky ny voadiko? BSB BSB: What shall I say, O my son? What, O son of my womb? What, O son of my vows?
3 ULB Aza omena ny vehivavy ny herinao, na ny lalanao ho an'ireo izay mamotika ny mpanjaka. BSB BSB: Do not spend your strength on women or your vigor on those who ruin kings.
4 ULB Izany dia tsy ho an'ny mpanjaka, ry Lemoela, tsy ho an'ireo mpanjaka ny fisotroana divay, na koa ho an'ny mpanapaka mba hanontany hoe: "Aiza ny zava-pisotro mahery?" BSB BSB: It is not for kings, O Lemuel, it is not for kings to drink wine, or for rulers to crave strong drink,
5 ULB Fandrao hadinoin'izy ireo izay efa voadidy, ary hamadika ny marina ho amin'ny fahoriana rehetra. BSB BSB: lest they drink and forget what is decreed, depriving all the oppressed of justice.
6 ULB Omeo zava-pisotro mahery ny olona izay efa ho faty ary divay ho an'ireo anaty fahoriana mangidy. BSB BSB: Give strong drink to one who is perishing, and wine to the bitter in soul.
7 ULB Hisotro izy ary hanadino ny fahantrany ary tsy hahatsiaro ny fahoriany izy. BSB BSB: Let him drink and forget his poverty, and remember his misery no more.
8 ULB Mitenena ho an'ireo izay tsy afaka miteny, ho an'ny adin'izay rehetra efa ho faty. BSB BSB: Open your mouth for those with no voice, for the cause of all the dispossessed.
9 ULB Mitenena mafy ka mitsarà araka ny rariny ary misoloa vava ho an'ny olona mahantra sy ory. BSB BSB: Open your mouth, judge righteously, and defend the cause of the poor and needy.
10 ULB Iza no afaka mahita vehivavy mahavita azy? Ny lanjany dia mihoatra lavitra noho ny firavaka. BSB BSB: A wife of noble character, who can find? She is far more precious than rubies.
11 ULB Ny fon'ny vadiny mitoky aminy, ary tsy hahantra mihitsy izy. BSB BSB: The heart of her husband trusts in her, and he lacks nothing of value.
12 ULB Manao zava-tsoa ho azy izy ary tsy manao ratsy amin'ny androm-piainany rehetra. BSB BSB: She brings him good and not harm all the days of her life.
13 ULB Misafidy volon'ondry sy rongony izy, ary miasa an-kafaliana amin'ny tanany. BSB BSB: She selects wool and flax and works with eager hands.
14 ULB Tahaka ireo sambon'ny mpanao raharaham-barotra izy; avy lavitra no itondrany ny sakafony. BSB BSB: She is like the merchant ships, bringing her food from afar.
15 ULB Mifoha izy raha mbola alina ary manome hanina ho an'ny ankohonany, ary mizara ny asa ho an'ireo mpanompo vaviny. BSB BSB: She rises while it is still night to provide food for her household and portions for her maidservants.
16 ULB Izy no mandinika ny saha ary mividy izany, amin'ny vokatry ny tanany no amboleny voaloboka. BSB BSB: She appraises a field and buys it; from her earnings she plants a vineyard.
17 ULB Mampitafy hery ny tenany izy ary mampatanjaka ny sandriny. BSB BSB: She girds herself with strength and shows that her arms are strong.
18 ULB Mahafantatra izay mety ho tombony tsara ho azy izy; mandritra ny alina tontolo ny jirony dia tsy maty. BSB BSB: She sees that her gain is good, and her lamp is not extinguished at night.
19 ULB Apetrany eo amin'ny ampela ny tanany, ary tazominy ny fihazonam-bohavoha. BSB BSB: She stretches out her hands to the distaff and grasps the spindle with her fingers.
20 ULB Manatsotra ny tanany amin'ny olona ory izy; manatsotra ny tanany amin'ny olona mahantra izy. BSB BSB: She opens her arms to the poor and reaches out her hands to the needy.
21 ULB Tsy matahotra oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, satria ny ankohonany rehetra dia mitafy volon'ondry mena. BSB BSB: When it snows, she has no fear for her household, for they are all clothed in scarlet.
22 ULB Manamboatra firakotra ho an'ny fandriany izy, ary miakanjo fitafy rongony manify volomparasy. BSB BSB: She makes coverings for her bed; her clothing is fine linen and purple.
23 ULB Ny vadiny no fantatra ao amin'ny vavahady, rehefa mipetraka miaraka amin'ny loholon'ny tany izy. BSB BSB: Her husband is known at the city gates, where he sits among the elders of the land.
24 ULB Manamboatra akanjo rongony fotsy izy ary mivarotra ireo, ary namatsy samboady ho an'ireo mpivarotra izy. BSB BSB: She makes linen garments and sells them; she delivers sashes to the merchants.
25 ULB Mitafy ny hery sy ny voninahitra izy, ary mihomehy amin'ny fotoana ho avy izy. BSB BSB: Strength and honor are her clothing, and she can laugh at the days to come.
26 ULB Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy ary eo amin'ny lelany ny lalàn'ny hatsaram-panahy. BSB BSB: She opens her mouth with wisdom, and faithful instruction is on her tongue.
27 ULB Miambina ny lalan'ny ankohonany izy ary tsy mihinana ny mofon'ny fahalainana. BSB BSB: She watches over the affairs of her household and does not eat the bread of idleness.
28 ULB Mitsangana ny zanany ka miantso azy hoe voatahy, ary midera azy ny vadiny, manao hoe: BSB BSB: Her children rise up and call her blessed; her husband praises her as well:
29 ULB "Maro ny vehivavy efa nanao ny tsara, saingy mihoatra azy rehetra ianao." BSB BSB: “Many daughters have done noble things, but you surpass them all!”
30 ULB Fitaka ny fahatsarana, zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra an'i Yaveh, dia ho deraina izy. BSB BSB: Charm is deceptive and beauty is fleeting, but a woman who fears the LORD is to be praised.
31 ULB Omeo azy ny vokatry ny tanany ary aoka ny asany hidera azy eny amin'ny vavahady. BSB BSB: Give her the fruit of her hands, and let her works praise her at the gates.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.