1 ULB Mihainoa, ny fampianaran'ny ray, ry zanako, ary mitandrema mba hahafantaranareo ny atao hoe fahazavan-tsaina. BSB BSB: Listen, my sons, to a father’s instruction; pay attention and gain understanding.
2 ULB Manome fampianarana tsara anao aho; aza mahafoy ny fampianarako. BSB BSB: For I give you sound teaching; do not abandon my directive.
3 ULB Tamin'ny mbola naha-zanaky ny raiko ahy, ilay mora fanahy ary zanaka tokan'ny reniko, BSB BSB: When I was a son to my father, tender and the only child of my mother,
4 ULB dia nampianatra ahy izy ary niteny tamiko hoe: "Aoka ny fonao hihazona mafy ireo teniko; tandrovy ireo didiko dia ho velona ianareo. BSB BSB: he taught me and said, “Let your heart lay hold of my words; keep my commands and you will live.
5 ULB Mahazoa fahendrena sy fahazavan-tsaina; aza manadino ary aza mandà ireo tenin'ny vavako; BSB BSB: Get wisdom, get understanding; do not forget my words or turn from them.
6 ULB aza afoy ny fahendrena ary hiambina anareo izy; tiavo izy dia hiaro anareo. BSB BSB: Do not forsake wisdom, and she will preserve you; love her, and she will guard you.
7 ULB Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra, koa mahazoa fahendrena ary lanio izay anananareo rehetra mba hahazoanareo fahazavan-tsaina. BSB BSB: Wisdom is supreme; so acquire wisdom. And whatever you may acquire, gain understanding.
8 ULB Aoka ho lalainao ny fahendrena dia hanandratra anareo izy; hanaja anareo izy raha mamihina azy ianareo. BSB BSB: Prize her, and she will exalt you; if you embrace her, she will honor you.
9 ULB Hametraka fehiloham-panajana eo ambonin'ny lohanareo izy; ary hanome anareo satro-boninahitra tsara tarehy." BSB BSB: She will set a garland of grace on your head; she will present you with a crown of beauty.”
10 ULB Mihainoa, ry zanako, ary tandremo ny teniko, dia hanana taona maro hiainana ianao. BSB BSB: Listen, my son, and receive my words, and the years of your life will be many.
11 ULB Hanoro lalana anao amin'ny lalam-pahendrena aho; ary hitarika anao ho amin'ireo lalana mahitsy aho. BSB BSB: I will guide you in the way of wisdom; I will lead you on straight paths.
12 ULB Rehefa mandeha ianao, dia tsy hisy olona hijoro amin'ny lalanao ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina. BSB BSB: When you walk, your steps will not be impeded; when you run, you will not stumble.
13 ULB Hazony ireo torolalana, aza avela handeha; tazony, fa fiainanao izany. BSB BSB: Hold on to instruction; do not let go. Guard it, for it is your life.
14 ULB Aza manaraka ny lalan'ny ratsy fanahy ary ary aza mandeha manaraka ny lalan'ireo izay manao ratsy. BSB BSB: Do not set foot on the path of the wicked or walk in the way of evildoers.
15 ULB Handosiro izany, ary aza mandeha amin'izany; mialà amin'izany ary mandehàna amin'ny lalan-kafa. BSB BSB: Avoid it; do not travel on it. Turn from it and pass on by.
16 ULB Fa tsy afa-matory izy ireo mandra-panaovany ratsy ary very torimaso izy ireo mandra-panafintohiny olona. BSB BSB: For they cannot sleep unless they do evil; they are deprived of slumber until they make someone fall.
17 ULB Fa izy ireo dia mihinana ny mofon'ny faharatsiana ary misotro ny divain'ny herisetra. BSB BSB: For they eat the bread of wickedness and drink the wine of violence.
18 ULB Fa ny lalan'ny olo-marina dia toy ny hazavana voalohany izay mihamazava; mamirapiratra izany mandra-pihavian'ny andro mazava. BSB BSB: The path of the righteous is like the first gleam of dawn, shining brighter and brighter until midday.
19 ULB Ny lalan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizina— tsy fantatr'izy ireo izay manafintohina azy ireo. BSB BSB: But the way of the wicked is like the darkest gloom; they do not know what makes them stumble.
20 ULB Ry zanako, tandremo ny teniko; atongilano amin'ny teniko ny sofinao. BSB BSB: My son, pay attention to my words; incline your ear to my sayings.
21 ULB Aza avela hiala amin'ny masonao ireo; tano ao am-ponao izany. BSB BSB: Do not lose sight of them; keep them within your heart.
22 ULB Fa ny teniko dia aina ho an'ireo izay mahita azy ary fahasalamana ho an'ny vatan'izy ireo iray manontolo. BSB BSB: For they are life to those who find them, and health to the whole body.
23 ULB Arovy ny fonao ary ambeno amin'ny fitandremana rehetra izany, fa avy amin'izany no hikorianan'ny loharanon'aina. BSB BSB: Guard your heart with all diligence, for from it flow springs of life.
24 ULB Esory eo aminao ny teny mivilambilana ary ny teny manimba lavitra anao. BSB BSB: Put away deception from your mouth; keep your lips from perverse speech.
25 ULB Aoka ny masonao hijery mahitsy sy hibanjina mahitsy ny eo alohanao. BSB BSB: Let your eyes look forward; fix your gaze straight ahead.
26 ULB Manamboara lalana mahitsy ho an'ny tongotrao; dia hilamina ny lalanao rehetra. BSB BSB: Make a level path for your feet, and all your ways will be sure.
27 ULB Aza mivily ho amin'ny ankavia na ankavanana; alaviro amin'ny ratsy ny tongotrao. BSB BSB: Do not swerve to the right or to the left; turn your feet away from evil.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.