1 ULB Ry zanako, raha nanokana ny volanao ho antoka amin'ny findraman'ny namanao ianao, raha nampanantena fampindramam-bola ho an'ny olona tsy fantatrao ianao, BSB BSB: My son, if you have put up security for your neighbor, if you have struck hands in pledge with a stranger,
2 ULB dia efa nametraka fandrika ho an'ny tenanao tamin'ny fampanantenanao ianao, ary efa voasingotry ny teny naloaky ny vavanao. BSB BSB: if you have been trapped by the words of your lips, ensnared by the words of your mouth,
3 ULB Raha voasingotry ny teninao ianao, ry zanako, dia ataovy izao ka vonjeo ny tenananao, satria efa lavo teo an-tanan'ny namanao ianao; mandehana ka manetre-tena ary miangavia eo anatrehan'ny namanao. BSB BSB: then do this, my son, to free yourself, for you have fallen into your neighbor’s hands: Go, humble yourself, and press your plea with your neighbor.
4 ULB Aza avela hatory ny masonao ary aza avela rendrehana ny hodi-masonao. BSB BSB: Allow no sleep to your eyes or slumber to your eyelids.
5 ULB Vonjeo ny tenanao tahaka ny gazela eny an-tanan'ny mpihaza, tahaka ny vorona eo an-tanan'ny mpamandri-borona. BSB BSB: Free yourself, like a gazelle from the hand of the hunter, like a bird from the snare of the fowler.
6 ULB Jereo ny vitsika, ry olo-malaina, diniho ny fanaony ka hendre. BSB BSB: Walk in the manner of the ant, O slacker; observe its ways and become wise.
7 ULB Tsy manana komandy, mpifehy, na mpanapaka izy, BSB BSB: Without a commander, without an overseer or ruler,
8 ULB kanefa mamory ny sakafony amin'ny fahavaratra ary mandritra ny fararano no hitehirizany izay hohaniny. BSB BSB: it prepares its provisions in summer; it gathers its food at harvest.
9 ULB Mandra-pahoviana no hatorianao, ry olo-malaina? Rahoviana no hifohazanao amin'ny torimasonao? BSB BSB: How long will you lie there, O slacker? When will you get up from your sleep?
10 ULB "Torimaso kely, faharendrehana kely, famoretan-tanana kely mba hialana sasatra"— BSB BSB: A little sleep, a little slumber, a little folding of the hands to rest,
11 ULB ary dia ho avy tahaka ny mpangalatra ny fahantranao ka ny filànao tahaka ny miaramila mirongo fiadiana. BSB BSB: and poverty will come upon you like a robber, and need like a bandit.
12 ULB Ny olom-poana—ny olona ratsy fanahy— dia miaina amin'ny fahamelohan'ny teniny, BSB BSB: A worthless person, a wicked man, walks with a perverse mouth,
13 ULB mipi-maso, manome famantarana amin'ny tongony ary manondro amin'ireo ratsan-tanany. BSB BSB: winking his eyes, speaking with his feet, and pointing with his fingers.
14 ULB Manao teti-dratsy sy fitaka ao am-pony izy; manetsika fifandirana mandrakariva izy. BSB BSB: With deceit in his heart he devises evil; he continually sows discord.
15 ULB Noho izany dia hahatratra azy tampoka ny lozany; ao anatin'ny fotoana fohy dia ho potika lavitry ny fanasitranana izy. BSB BSB: Therefore calamity will come upon him suddenly; in an instant he will be shattered beyond recovery.
16 ULB Misy zavatra enina halan'i Yaveh, fito izay maharikoriko Azy. BSB BSB: There are six things that the LORD hates, seven that are detestable to Him:
17 ULB Ny mason'ny olona mpirehareha, ny lela mpandainga, ny tanana mpandatsa-dràn'ny olona tsy manan-tsiny, BSB BSB: haughty eyes, a lying tongue, hands that shed innocent blood,
18 ULB ny fo mamorona sain-dratsy, ny tongotra izay mailaka amin'ny fiazakazahana hanao ratsy, BSB BSB: a heart that devises wicked schemes, feet that run swiftly to evil,
19 ULB ny vavolombelona izay mamoaka lainga ary mamafy fifandirana eo amin'ny rahalahiny. BSB BSB: a false witness who gives false testimony, and one who stirs up discord among brothers.
20 ULB Ry zanako, ankatoavy ny didin-drainao ary aza mahafoy ny fananaran-dreninao. BSB BSB: My son, keep your father’s commandment, and do not forsake your mother’s teaching.
21 ULB Fehezo ao am-ponao mandrakariva ireo; fatory eo am-bozonanao ireo. BSB BSB: Bind them always upon your heart; tie them around your neck.
22 ULB Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; raha matory ianao, dia hiambina anao ireo; ary raha mifoha ianao, dia hampianatra anao ireo. BSB BSB: When you walk, they will guide you; when you lie down, they will watch over you; when you awake, they will speak to you.
23 ULB Fa fanilo ny didy, ary fahazavana ny fampianarana; ireo anatra izay avy amin'ny fampianarana no lalan'ny fiainana. BSB BSB: For this commandment is a lamp, this teaching is a light, and the reproofs of discipline are the way to life,
24 ULB Miaro anao amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena izany, amin'ny teny malefaky ny vehivavy ratsy fitondran-tena. BSB BSB: to keep you from the evil woman, from the smooth tongue of the adulteress.
25 ULB Aoka ny fonao tsy hitsiriritra ny hatsarany ary aza avela hambabo anao amin'ny volomasony izy. BSB BSB: Do not lust in your heart for her beauty or let her captivate you with her eyes.
26 ULB Ny fiaraha-mandry amin'ny mpijangajanga dia sandainao amin'ny sombi-mofo, fa ny vadin'ny hafa dia sandainao amin'ny ainao mihitsy. BSB BSB: For the levy of the prostitute is poverty, and the adulteress preys upon your very life.
27 ULB Misy olona afaka mitondra afo eo an-tratrany ve ka tsy mandoro ny akanjony? BSB BSB: Can a man embrace fire and his clothes not be burned?
28 ULB Misy olona mahadia vain'afo mahamay ve ka tsy hitsovaka ny tongony? BSB BSB: Can a man walk on hot coals without scorching his feet?
29 ULB Toy izany koa ny lehilahy miara-mandry amin'ny vadin'ny namany; izay miara-mandry aminy dia tsy ho afa-maina. BSB BSB: So is he who sleeps with another man’s wife; no one who touches her will go unpunished.
30 ULB Tsy hanamavo ny mpangalatra ny olona raha mangalatra mba hahafa-po ny filàny rehefa noana izy. BSB BSB: Men do not despise the thief if he steals to satisfy his hunger.
31 ULB Fa raha tratra kosa izy, dia hanonitra impito heny izay nangalariny; tsy maintsy mamoy ny zavatra sarobidy rehetra ao an-tranony izy. BSB BSB: Yet if caught, he must pay sevenfold; he must give up all the wealth of his house.
32 ULB Izay mijangajanga dia tsy misy saina; izay manao izany dia manimba ny tenany. BSB BSB: He who commits adultery lacks judgment; whoever does so destroys himself.
33 ULB Ratra sy henatra no mendrika azy ary tsy ho voafafa ny fahafaham-barakany. BSB BSB: Wounds and dishonor will befall him, and his reproach will never be wiped away.
34 ULB Fa ny fahasarotam-piaro no mahatezitra ny lehilahy; tsy hampiseho famindram-po izy rehefa mamaly faty. BSB BSB: For jealousy enrages a husband, and he will show no mercy in the day of vengeance.
35 ULB Tsy hanaiky onitra izy ary tsy ho voatamby, na dia omenao fanomezana maro aza. BSB BSB: He will not be appeased by any ransom, or persuaded by lavish gifts.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.