1 ULB Ry zanako, tandremo ny teniko ary raketo ao anatinao ireo didiko. BSB BSB: My son, keep my words and treasure my commandments within you.
2 ULB Tandremo ny didiko mba ho velona ianao ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny fampianarako. BSB BSB: Keep my commandments and live; guard my teachings as the apple of your eye.
3 ULB Fehezo eo amin'ireo rantsan-tananao ireny; soraty eo amin'ny vato fisaky ny fonao ireny. BSB BSB: Tie them to your fingers; write them on the tablet of your heart.
4 ULB Lazao ny fahendrena hoe: "Anabaviko ianao," ary antsoy hoe havanao akaiky ny fahazavan-tsaina, BSB BSB: Say to wisdom, “You are my sister,” and call understanding your kinsman,
5 ULB mba hitandremanao ny tenanao amin'ny vehivavy janga, amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena miaraka amin'ny teniny malama. BSB BSB: that they may keep you from the adulteress, from the stranger with seductive words.
6 ULB Teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko dia nitazana tany ivelany avy teo amin'ny makarakara aho. BSB BSB: For at the window of my house I looked through the lattice.
7 ULB Nitazana ireo olona kely saina aho, ary voamariko tamin'ireo tanora ny zatovo iray izay tsy nisy saina. BSB BSB: I saw among the simple, I noticed among the youths, a young man lacking judgment,
8 ULB Nandalo teo amin'ny arabe akaikin'ny kihon-dalany izany tovolahy izany, ary nizotra nakany an-tranony. BSB BSB: crossing the street near her corner, strolling down the road to her house,
9 ULB Somambisamby tamin'izany, tamin'ny andro hariva, sy tamin'ny fotoan'ny alina sy ny aizina. BSB BSB: at twilight, as the day was fading into the dark of the night.
10 ULB Nisy vehivavy nitsena azy, niankanjo tahaka ny mpivaro-tena, izay fetsy am-po. BSB BSB: Then a woman came out to meet him, with the attire of a harlot and cunning of heart.
11 ULB Sady vavàna izy no maditra; tsy mahajanona ao an-trano ny tongony. BSB BSB: She is loud and defiant; her feet do not remain at home.
12 ULB Vetivety eny an-dalambe, avy eo eny an-tsena, ary eny an-joron-trano rehetra eny izy no miandry mamitsaka. BSB BSB: Now in the street, now in the squares, she lurks at every corner.
13 ULB Koa dia nisavika azy izy ka nanoroka azy, tamin'ny tarehy nisolantsolana no nilazany taminy hoe: BSB BSB: She seizes him and kisses him; she brazenly says to him:
14 ULB "Nanao fanati-pihavanana aho androany, nanefa ireo voadiko aho, BSB BSB: “I have made my peace offerings; today I have paid my vows.
15 ULB koa dia nivoaka hitsena anao aho, mba hitady fatratra ny tavanao, ary dia nahita anao aho. BSB BSB: So I came out to meet you; I sought you, and I have found you.
16 ULB Efa namelatra lamba firakotra, rongony fotsy miloko avy tany Egypta, teo amin'ny fandriako aho. BSB BSB: I have decked my bed with coverings, with colored linen from Egypt.
17 ULB Efa nandrarahako miora, havozo, ary kanelina ny fandriako. BSB BSB: I have perfumed my bed with myrrh, with aloes, and with cinnamon.
18 ULB Avia, andeha isika hivoky fitia mandra-maraina; andeha isika haka fahafinaretana amin'ny fitiavana. BSB BSB: Come, let us take our fill of love till morning. Let us delight in loving caresses!
19 ULB Fa tsy ao an-tranony ny vadiko; lasa nivahiny lavitra izy. BSB BSB: For my husband is not at home; he has gone on a long journey.
20 ULB Nitondra kitapom-bola niaraka taminy izy; hiverina izy amin'ny fotoan'ny fenomanana." BSB BSB: He took with him a bag of money and will not return till the moon is full.”
21 ULB Tamin'ny resa-be no nitaomany azy; tamin'ny halaman'ny molony no namitahany azy. BSB BSB: With her great persuasion she entices him; with her flattering lips she lures him.
22 ULB Nandeha nanaraka azy avy tao aoriana tampoka tahaka ny omby entina ho vonoina, tahaka ny diera voasambotra anaty fandrika izy, BSB BSB: He follows her on impulse, like an ox going to the slaughter, like a deer bounding into a trap,
23 ULB mandra-pitsatoky ny zana-tsipìka eo amin'ny atiny. Tahaka ny vorona izay mitsoriaka ho eo amin'ny fandrika. Tsy fantany fa hahafaty ny ainy izany. BSB BSB: until an arrow pierces his liver, like a bird darting into a snare—not knowing it will cost him his life.
24 ULB Koa mihainoa ahy ianareo, ry zanako lahy; tandremo ireo tenin'ny vavako. BSB BSB: Now, my sons, listen to me, and attend to the words of my mouth.
25 ULB Aoka tsy hivily amin'ireo lalany anie ny fonareo; aza mivily amin'ireo lalan-disony. BSB BSB: Do not let your heart turn aside to her ways; do not stray into her paths.
26 ULB Nahalavo olona voatrobaka maro izy; maro dia maro ireo niharan'ny fahafatesana azony. BSB BSB: For she has brought many down to death; her slain are many in number.
27 ULB Eny amin'ny lalana mankany amin'ny Fiainan-tsy hita ny tranony; midina mankany amin'ny efitrano fandriana maizin'ny fahafatesana izy ireo. BSB BSB: Her house is the road to Sheol, descending to the chambers of death.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.