2 ULB Mirakotra fahazavana ho fitafiana Ianao; velarinao tahaka ny lamban-day ny lanitra. BSB BSB: He wraps Himself in light as with a garment; He stretches out the heavens like a tent,
3 ULB Napetrakao teo amin'ny rahona ireo andrin'ny efi-tranonao; nataonao ho kalesinao ny rahona; mandeha eo amin'ny elatry ny rivotra Ianao. BSB BSB: laying the beams of His chambers in the waters above, making the clouds His chariot, walking on the wings of the wind.
4 ULB Nataony ho irany ny rivotra, ho mpanompony ny lelafo. BSB BSB: He makes the winds His messengers, flames of fire His servants.
5 ULB Nampitoetra ny fanambanin'ny tany Izy, ka tsy hihozongozona mihitsy izany. BSB BSB: He set the earth on its foundations, never to be moved.
6 ULB Nanarona ny tany tamin'ny rano tahaka ny fitafiana Ianao; nanarona ny tendrombohitra ny rano. BSB BSB: You covered it with the deep like a garment; the waters stood above the mountains.
7 ULB Ny fiteninao mafy no nampihemotra ny rano; tamin'ny fanenon'ny fikotrokotroky ny feonao no nampandositra ireny. BSB BSB: At Your rebuke the waters fled; at the sound of Your thunder they hurried away—
8 ULB Nitsangana ireo tendrombohitra, ary ireo lohasaha niely tany amin'ireo toerana izay efa notendrenao ho an'ireo. BSB BSB: the mountains rose and the valleys sank to the place You assigned for them—
9 ULB Namaritra sisintany ho an'ireny Ianao mba tsy hihoarany; ka dia tsy hanarona ny tany intsony ireny. BSB BSB: You set a boundary they cannot cross, that they may never again cover the earth.
11 ULB Mamatsy rano ho an'ny biby rehetra any an-tsaha ireny; dia afaka hetaheta ireo apondradia. BSB BSB: They give drink to every beast of the field; the wild donkeys quench their thirst.
12 ULB Manamboatra ny akaniny eo amoron'ny renirano ireo vorona. Mihira eny amin'ny rantsan-kazo izy ireo. BSB BSB: The birds of the air nest beside the springs; they sing among the branches.
13 ULB Manondraka ireo tendrombohitra avy amin'ny fitoeran-dranony any an-danitra Izy. Feno vokatry ny asany ny tany. BSB BSB: He waters the mountains from His chambers; the earth is satisfied by the fruit of His works.
15 ULB Manao divay hampifaliana ny olona Izy, diloilo mba hampamiratra ny tavany, ary hanina mba hanohanana ny ainy. BSB BSB: wine that gladdens the heart of man, oil that makes his face to shine, and bread that sustains his heart.
16 ULB Ireo hazon'i Yaveh dia voatondraka orana be; dia ireo sederan'i Libanona izay namboleny. BSB BSB: The trees of the LORD have their fill, the cedars of Lebanon that He planted,
17 ULB Eo no anorenan'ireo vorona ny akaniny. Ny voronkely manao ny hazo kypreso ho fonenany. BSB BSB: where the birds build their nests; the stork makes her home in the cypresses.
18 ULB Ny osidia monina any amin'ireo tendrombohitra avo; ary ny haavon'ny tendrombohitra no fialofan'ireo hyraka. BSB BSB: The high mountains are for the wild goats, the cliffs a refuge for the rock badgers.
19 ULB Nanendry ny volana ho mariky ny fotoana Izy; fantatry ny masoandro ny fotoana hilentehany. BSB BSB: He made the moon to mark the seasons; the sun knows when to set.
20 ULB Nataonao ny aizin'ny alina rehefa mivoaka ny biby rehetra any an'ala. BSB BSB: You bring darkness, and it becomes night, when all the beasts of the forest prowl.
22 ULB Rehefa miposaka ny masoandro, dia misintaka ireny ka matory any an-davany. BSB BSB: The sun rises, and they withdraw; they lie down in their dens.
23 ULB Mandritra izany fotoana izany, ny vahoaka mivoaka ho amin'ny asany sy misasatra mandra-pahariva. BSB BSB: Man goes forth to his work and to his labor until evening.
24 ULB Yaveh o, endrey ny hamaroana sy karazan'ireo asanao! Nataonao tamim-pahendrena izy rehetra; henika ireo asanao ny tany. BSB BSB: How many are Your works, O LORD! In wisdom You have made them all; the earth is full of Your creatures.
25 ULB Indro ny ranomasina, lalina sady midadasika, mihetsiketsika miaraka amin'ireo zava-boahary tsy voatanisa, na kely na lehibe. BSB BSB: Here is the sea, vast and wide, teeming with creatures beyond number, living things both great and small.
26 ULB Mandeha eo ireo sambo, ary ao ihany koa ny Leviatana, izay nataona hilalao an-dranomasina. BSB BSB: There the ships pass, and Leviathan, which You formed to frolic there.
28 ULB Rehefa manome ireo Ianao, dia miangona izy ireo; rehefa manokatra ny tananao Ianao, dia afa-po izy ireo. BSB BSB: When You give it to them, they gather it up; when You open Your hand, they are satisfied with good things.
29 ULB Rehefa manafina ny tavanao Ianao, dia matahotra ireo; rehefa manala ny fofonain'ireo Ianao; dia maty ireo ka hody vovoka. BSB BSB: When You hide Your face, they are terrified; when You take away their breath, they die and return to dust.
30 ULB Rehefa mandefa ny Fanahinao Ianao, dia ary ireo, ka hanavao ny tany indray Ianao. BSB BSB: When You send Your Spirit, they are created, and You renew the face of the earth.
31 ULB Haharitra mandrakizay anie ny voninahitr'i Yaveh, hisitraka ny voahariny anie Yaveh. BSB BSB: May the glory of the LORD endure forever; may the LORD rejoice in His works.
32 ULB Miondrika mijery ny tany Izy, dia mihorohoro izany; mikasika ireo tendrombohitra Izy; dia manetroka izany. BSB BSB: He looks on the earth, and it trembles; He touches the mountains, and they smolder.
33 ULB Hihira ho an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho; hihira fiderana an'Andriamanitro aho raha mbola velonan'aina koa. BSB BSB: I will sing to the LORD all my life; I will sing praise to my God while I have my being.
34 ULB Ho mamy aminy anie ny fisainako; hifaly amin'i Yaveh aho. BSB BSB: May my meditation be pleasing to Him, for I rejoice in the LORD.
35 ULB Hanjavona eto an-tany anie ireo mpanota, ary aoka ho foana ny ratsy fanahy. Hidera an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho. Miderà an'i Yaveh. BSB BSB: May sinners vanish from the earth and the wicked be no more. Bless the LORD, O my soul. Hallelujah!
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.