1 ULB Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. BSB BSB: Hallelujah! Give thanks to the LORD, for He is good; His loving devotion endures forever.
2 ULB Iza no afaka hanisa ireo asa lehibe izay nataon'i Yaveh na hanonona feno ireo asa mendri-piderany? BSB BSB: Who can describe the mighty acts of the LORD or fully proclaim His praise?
3 ULB Hotahiana anie ireo izay manao ny marina, sy ireo izay manao asa marina mandrakariva. BSB BSB: Blessed are those who uphold justice, who practice righteousness at all times.
4 ULB Tsarovy aho, ry Yaveh, rehefa mampiseho sitraka amin'ny olonao Ianao; ampio aho rehefa mamonjy azy ireo Ianao. BSB BSB: Remember me, O LORD, in Your favor to Your people; visit me with Your salvation,
5 ULB Ary dia hahita ny fanambinan'ireo voafidinao aho, hiravoravo amin'ny fifalian'ny firenenao sy hanome voninahitra amin'ny lovanao. BSB BSB: that I may see the prosperity of Your chosen ones, and rejoice in the gladness of Your nation, and give glory with Your inheritance.
6 ULB Nanota tahaka ireo razambenay izahay, nanao ny tsy nety izahay, ary nahavita ratsy. BSB BSB: We have sinned like our fathers; we have done wrong and acted wickedly.
7 ULB Tsy nankatoavin'ireo razanay ireo asa tsaranao tany Egypta; tsy niraharaha ny habetsaky ny famindram-ponao izy ireo; ka nikomy teny amin'ny ranomasina, teny amin'ny Ranomasina Mena. BSB BSB: Our fathers in Egypt did not grasp Your wonders or remember Your abundant kindness; but they rebelled by the sea, there at the Red Sea.
8 ULB Na dia izany aza, novonjeny izy ireo nohon'ny anarany mba hahafahany mampiseho ny heriny. BSB BSB: Yet He saved them for the sake of His name, to make His power known.
9 ULB Noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, dia ritra izany. Dia nitarika azy ireo nita ireo lalina Izy, tahaka ny nita efitra. BSB BSB: He rebuked the Red Sea, and it dried up; He led them through the depths as through a desert.
10 ULB Namonjy azy ireo tamin'ny tanan'ireo izay nankahala azy ireo Izy, ary nanavotra azy ireo tamin'ny tanan'ny fahavalo. BSB BSB: He saved them from the hand that hated them; He redeemed them from the hand of the enemy.
11 ULB Fa nosaronan'ny rano ireo fahavalon'izy ireo; tsy nisy na dia iray amin'izy ireo aza ka avotra. BSB BSB: The waters covered their foes; not one of them remained.
12 ULB Ary nino ny teniny izy ireo, ka nihira fiderana Azy. BSB BSB: Then they believed His promises and sang His praise.
13 ULB Nefa nalaky nanadino izay nataony izy ireo; tsy niandry ireo torolalany. BSB BSB: Yet they soon forgot His works and failed to wait for His counsel.
14 ULB Fatra-pila tany an'efitra ka nitady hihoatra an'Andriamanitra tany an'efitra. BSB BSB: They craved intensely in the wilderness and tested God in the desert.
15 ULB Dia nomeny ny fangatahany, saingy nandefa aretina handany ny vatan'izy ireo Izy. BSB BSB: So He granted their request, but sent a wasting disease upon them.
16 ULB Tany an-toby dia nialona an'i Mosesy sy Arona, mpisorona masin'i Yaveh, izy ireo. BSB BSB: In the camp they envied Moses, as well as Aaron, the holy one of the LORD.
17 ULB Nisokatra ny tany ka nitelina an'i Datana ary nanarona ireo mpanaraka an'i Abirama. Nirehitra teo amin'izy ireo ny afo; BSB BSB: The earth opened up and swallowed Dathan; it covered the assembly of Abiram.
18 ULB ka nandevona ny ratsy fanahy ny afo. BSB BSB: Then fire blazed through their company; flames consumed the wicked.
19 ULB Dia nanao zanak'ombilahy tao Horeba izy ireo ka nanompo ny sarin-javatra vy. BSB BSB: At Horeb they made a calf and worshiped a molten image.
20 ULB Natakalon'izy ireo sarin'ombilahy voasokitra izay mihinana ahimaitso ny voninahitr'Andriamanitra. BSB BSB: They exchanged their Glory for the image of a grass-eating ox.
21 ULB Nanadino an'Andriamanitra Mpamonjy azy izy ireo, izay nanao asa lehibe tany Egypta. BSB BSB: They forgot God their Savior, who did great things in Egypt,
22 ULB Nanao zava-tsoa mahafinaritra tao an-tanin'i Hama sy zava-mahery tao amin'ny ranomasina Mena Izy. BSB BSB: wondrous works in the land of Ham, and awesome deeds by the Red Sea.
23 ULB Ary nandidy ny fandringanana azy ireo Izy, raha tsy i Mosesy, izay voafidiny, no niditra an-tsehatra teo amin'ny fanapahana mba hampiova ny fahatezerany amin'ny fandringanana azy ireo. BSB BSB: So He said He would destroy them—had not Moses His chosen one stood before Him in the breach to divert His wrath from destroying them.
24 ULB Dia nataon'izy ireo tsinotsinona ny tany mahavokatra; tsy nino ny fampanantenany izy ireo; BSB BSB: They despised the pleasant land; they did not believe His promise.
25 ULB fa nimonomonona tao an-dainy izy ireo, ary tsy nankatò an'i Yaveh. BSB BSB: They grumbled in their tents and did not listen to the voice of the LORD.
26 ULB Noho izany dia nanangana ny tanany izy ary nianiana tamin'izy ireo fa hamela azy ireo ho faty any an'efitra, BSB BSB: So He raised His hand and swore to cast them down in the wilderness,
27 ULB hampiely ny taranak'izy ireo erak'ireo firenena ary hampiely azy ireo any amin'ny tany hafa. BSB BSB: to disperse their offspring among the nations and scatter them throughout the lands.
28 ULB Nanompo an'i Bala Peora izy ireo ary nihinana ireo sorona natolotra ho an'ny maty. BSB BSB: They yoked themselves to Baal of Peor and ate sacrifices offered to lifeless gods.
29 ULB Nihantsy Azy ho tezitra tamin'ny fihetsiny izy ireo, ka dia namely azy ireo ny areti-mandringana. BSB BSB: So they provoked the LORD to anger with their deeds, and a plague broke out among them.
30 ULB Dia nitsangana i Fineasa ka nrotsaka an-tsehatra, ary nitsahatra ny areti-mandringana. BSB BSB: But Phinehas stood and intervened, and the plague was restrained.
31 ULB Anisan'ny asa marina ho azy mandrakizay izany hatrany amin'ny taranaka fara mandimby. BSB BSB: It was credited to him as righteousness for endless generations to come.
32 ULB Nampatezitra an'i Yaveh ihany koa izy ireo teny amin'ny ranon'i Meriba, ka nijaly i Mosesy noho izy ireo. BSB BSB: At the waters of Meribah they angered the LORD, and trouble came to Moses because of them.
33 ULB Nampahory an'i Mosesy izy ireo, ka dia niteny mafy izy. BSB BSB: For they rebelled against His Spirit, and Moses spoke rashly with his lips.
34 ULB Tsy nandringana ireo firenena araka ny nandidian'i Yaveh izy ireo, BSB BSB: They did not destroy the peoples as the LORD had commanded them,
35 ULB nefa izy ireo niharo tamin'ireo firenena sy nianatra ny fanaony BSB BSB: but they mingled with the nations and adopted their customs.
36 ULB ka nanompo ireo sampiny, izay tonga fandrika ho azy. BSB BSB: They worshiped their idols, which became a snare to them.
37 ULB Nanao sorona ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy ho an'ireo demonia izy ireo. BSB BSB: They sacrificed their sons and their daughters to demons.
38 ULB Nandatsaka ny rà tsy manan-tsiny izy ireo, ny ràn'ireo zanany lahy sy ny an'ireo zanany vavy izay nataon'izy ireo sorona ho an'ireo sampin'i Kanana; ka nanimbazimba ny tany tamin'ny rà. BSB BSB: They shed innocent blood—the blood of their sons and daughters, whom they sacrificed to the idols of Canaan, and the land was polluted with blood.
39 ULB Voaloto tamin'ireo asany; tahaka ireo mpijangajanga izy ireo noho ny nataony. BSB BSB: They defiled themselves by their actions and prostituted themselves by their deeds.
40 ULB Ka dia tezitra tamin'ny olony i Yaveh, ary nataony tsinontsinona ny vahoakany. BSB BSB: So the anger of the LORD burned against His people, and He abhorred His own inheritance.
41 ULB Nomeny ho eny an-tanan'ireo firenena izy ireo, ary ireo nankahala azy ireo no nanapaka teo aminy. BSB BSB: He delivered them into the hand of the nations, and those who hated them ruled over them.
42 ULB Nampahory azy ireo ny fahavalony, ary nentina hanaiky ny fahefany izy ireo. BSB BSB: Their enemies oppressed them and subdued them under their hand.
43 ULB Matetika tonga nanampy azy ireo Izy, fa izy ireo kosa nikomy hatrany ary naletiky ny fahotany ihany. BSB BSB: Many times He rescued them, but they were bent on rebellion and sank down in their iniquity.
44 ULB Na izany aza dia nijery ny fahorian'izy ireo Izy rehefa nandre azy ireo nitomany hovonjena. BSB BSB: Nevertheless He heard their cry; He took note of their distress.
45 ULB Nampatsiaro ny fanekeny tamin'izy ireo Izy ka nanenina nohon'ny fitiavany tsy miova. BSB BSB: And He remembered His covenant with them, and relented by the abundance of His loving devotion.
46 ULB Dia nataony niantra azy ireo ny mpambabo rehetra. BSB BSB: He made them objects of compassion to all who held them captive.
47 ULB Vonjeo izahay, ry Yaveh, Andriamanitray. Ary angony avy amin'ireo firenena, mba hisaoranay ny Anaranao Masina sy hanomezanay voninahitra amin'ny fiderana Anao. BSB BSB: Save us, O LORD our God, and gather us from the nations, that we may give thanks to Your holy name, that we may glory in Your praise.
48 ULB Ho deraina anie Yaveh, Andriamanitr'Israely, rahatrizay ka ho mandrakizay. Ary niteny ny olona rehetra hoe: "Amena". miderà an'i Yaveh. Boky fahadimy BSB BSB: Blessed be the LORD, the God of Israel, from everlasting to everlasting. Let all the people say, “Amen!” Hallelujah!
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.