2 ULB Fantatrao aho rehefa mipetraka sy rehefa mitsangana; takatrao avy eny lavitra ny fisainako BSB BSB: You know when I sit and when I rise; You understand my thoughts from afar.
3 ULB Mandinika ny lalako sy ny fatoriko Ianao; mahafantatra tsara ireo lalako rehetra Ianao. BSB BSB: You search out my path and my lying down; You are aware of all my ways.
4 ULB Fa talohan'ny nisian'ny teny teo amin'ny lelako, dia fantatrao tanteraka izany, ry Yaveh. BSB BSB: Even before a word is on my tongue, You know all about it, O LORD.
5 ULB Mihodidina eo anoloako sy ao aoriako Ianao ary mametraka ny tananao amiko. BSB BSB: You hem me in behind and before; You have laid Your hand upon me.
6 ULB Ny fahalalana toy izany dia sarotra loatra amiko, sady ambony loatra, ka tsy ho takatro izany. BSB BSB: Such knowledge is too wonderful for me, too lofty for me to attain.
8 ULB Raha miakatra any an-danitra aho, dia any Ianao; raha manao ny fandriako any amin'ny Fiainan-tsy hita aho, dia indro, fa any Ianao. BSB BSB: If I ascend to the heavens, You are there; if I make my bed in Sheol, You are there.
9 ULB Raha manidina amin'ny elatry ny maraina aho ary mandeha mba hitoetra any amin'ny faran'ny ranomasina, BSB BSB: If I rise on the wings of the dawn, if I settle by the farthest sea,
10 ULB ary na any aza mbola hitarika ahy ny tananao, ary ny tananao ankavanana hiazona ahy. BSB BSB: even there Your hand will guide me; Your right hand will hold me fast.
11 ULB Raha niteny aho hoe: "Handrakotra ahy tokoa ny haizina, ary ny hazavana ho tonga alina manodidina ahy," BSB BSB: If I say, “Surely the darkness will hide me, and the light become night around me”—
12 ULB na ny aizina aza dia tsy ho maizaina aminao. Ary ny alina hibaliaka tahaka ny andro, fa aminao dia mitovy ny aizina sy hazavana. BSB BSB: even the darkness is not dark to You, but the night shines like the day, for darkness is as light to You.
14 ULB Hidera Anao aho, fa mahatalanjona ny nanaovana ahy. Fantatry ny fanahiko tsara tokoa izany. BSB BSB: I praise You, for I am fearfully and wonderfully made. Marvelous are Your works, and I know this very well.
15 ULB Tsy niafina taminao ny taolako fony natao tao amin'ny miafina aho, fony aho novolavolaina fatratra tany amin'ny lalin'ny tany. BSB BSB: My frame was not hidden from You when I was made in secret, when I was woven together in the depths of the earth.
16 ULB Nahita ahy tao am-bohoka Ianao; ny andro rehetra voatondro ho ahy dia efa voarakitra ao amin'ny bokinao na dia mbola tsy nitranga aza ny voalohany. BSB BSB: Your eyes saw my unformed body; all my days were written in Your book and ordained for me before one of them came to be.
17 ULB Endrey ny hasarobidin'ny fiheveranao ahy, ry Andriamanitra! Akory ny hamaroan'ny fitambaran'izy ireo! BSB BSB: How precious to me are Your thoughts, O God, how vast is their sum!
18 ULB Raha andramako isaina ireo, dia maro an'isa nohon'ny fasika. Rehefa mifoha aho, dia mbola miaraka Aminao. BSB BSB: If I were to count them, they would outnumber the grains of sand; and when I awake, I am still with You.
19 ULB Raha mba hamono ny ratsy fanahy Ianao, ry Andriamanitra; dia mialà amiko, ianareo olona mahery setra. BSB BSB: O God, that You would slay the wicked—away from me, you bloodthirsty men—
20 ULB Mikomy aminao izy ireo ary maneho amim-pitaka; milaza lainga ireo fahavalonao. BSB BSB: who speak of You deceitfully; Your enemies take Your name in vain.
21 ULB Moa ve tsy mankahala, ireo izay mankahala Anao aho, ry Yaveh? Moa ve tsy manao tsinontsinona ireo izay mitsangana hanohitra Anao aho? BSB BSB: Do I not hate those who hate You, O LORD, and detest those who rise against You?
22 ULB Mankahala azy ireny tanteraka aho; efa lasa fahavaloko izy ireny. BSB BSB: I hate them with perfect hatred; I count them as my enemies.
23 ULB Diniho aho, Andriamanitra o, ary fantaro ny foko; zahao toetra aho ka fantaro ny fisainako. BSB BSB: Search me, O God, and know my heart; test me and know my concerns.
24 ULB Jereo raha misy fahazaran-dratsy ato anatiko, ary tario amin'ny lalana madrakizay aho. BSB BSB: See if there is any offensive way in me; lead me in the way everlasting.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.