1 ULB Henoy ny fivavako, ry Yaveh; mihainoa ireo fangatahako. Nohon'ny fahatokianao sy ny fahamarinanao, dia mamalia ahy! BSB BSB: A Psalm of David. O LORD, hear my prayer. In Your faithfulness, give ear to my plea; in Your righteousness, answer me.
2 ULB Aza tsaraina ny mpanomponao, satria eo imasonao dia tsy misy olo-marina. BSB BSB: Do not bring Your servant into judgment, for no one alive is righteous before You.
3 ULB Nanenjika ny fanahiko ny fahavaloko; nanenjika ahy hatrany ambanin'ny tany izy; nampitoetra ahy tao amin'ny fahamaizinana toy ireo izay maty efa ela izy. BSB BSB: For the enemy has pursued my soul, crushing my life to the ground, making me dwell in darkness like those long since dead.
4 ULB Ketraka anaty ny fanahiko; mamoy fo aho. BSB BSB: My spirit grows faint within me; my heart is dismayed inside me.
5 ULB Mahatsiaro ireo andro fahiny aho; misaintsaina ireo asanao rehetra aho; misaintsaina ireo zava-bitanao. BSB BSB: I remember the days of old; I meditate on all Your works; I consider the work of Your hands.
6 ULB Mamelatra ny tanako ho Anao amin'ny vavaka aho; mangetaheta Anao ny fanahiko any amin'ny tany karakaina. Sela BSB BSB: I stretch out my hands to You; my soul thirsts for You like a parched land. Selah
7 ULB Faingàna hamaly ahy, Yaveh o, fa reraka ny fanahiko. Aza manafina ny tavanao amiko, raha tsy izany dia ho lasa ho toy ireo izay midina any an-davaka aho. BSB BSB: Answer me quickly, O LORD; my spirit fails. Do not hide Your face from me, or I will be like those who descend to the Pit.
8 ULB Aoka ho reko ny famindram-ponao amin'ny maraina, satria matoky anao aho. Atoroy ahy ny lalana izay tokony halehako, fa manandratra ny fanahiko aminao aho. BSB BSB: Let me hear Your loving devotion in the morning, for I have put my trust in You. Teach me the way I should walk, for to You I lift up my soul.
9 ULB Avoty amin'ireo fahavaloko aho, ry Yaveh; mandositra ho eny aminao aho mba hiery. BSB BSB: Deliver me from my enemies, O LORD; I flee to You for refuge.
10 ULB Ampianaro aho hanao ny sitraponao, fa Andriamanitro Ianao. Ny Fanahinao tsara anie hitarika ahy any amin'ny tanin'ny fahitsiana. BSB BSB: Teach me to do Your will, for You are my God. May Your good Spirit lead me on level ground.
11 ULB Ry Yaveh, noho ny amin'ny anaranao, hazomy ny fahavelomako; amin'ny fahitsianao ento miala amin'ny fahoriana ny fanahiko. BSB BSB: For the sake of Your name, O LORD, revive me. In Your righteousness, bring my soul out of trouble.
12 ULB Amin'ny famindram-ponao esory ireo fahavaloko ary aringano ireo fahavalon'ny aiko rehetra, fa mpanomponao aho. BSB BSB: And in Your loving devotion, cut off my enemies. Destroy all who afflict me, for I am Your servant.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.