1 ULB Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, ilay mpanompon'i Yaveh, rehefa nihira ho an'i Yaveh ny tonon'ity hira ity tamin'ny andro namonjen'i Yaveh azy teny an-tanan'ireo fahavalony rehetra sy teny an-tanan'i Saoly izy. Nihira izy hoe: 1"Tiako Ianao, ry Yaveh, heriko. BSB BSB: For the choirmaster. Of David the servant of the LORD, who sang this song to the LORD on the day the LORD had delivered him from the hand of all his enemies and from the hand of Saul. He said: I love You, O LORD, my strength.
2 ULB Yaveh no harambatoko, fiarovana mafiko, izay mitondra fiarovana ho ahy; Izy no Andriamanitro; haramabatoko, mialoka ao Aminy aho. Izy no ampingako, tandrokin'ny famonjeko, sy fiarovana mafy ho ahy. BSB BSB: The LORD is my rock, my fortress, and my deliverer. My God is my rock, in whom I take refuge, my shield, and the horn of my salvation, my stronghold.
3 ULB Hiantso an'i Yaveh izay mendrika ho deraina aho, ary ho voavonjy amin'ireo fahavaloko aho. BSB BSB: I will call upon the LORD, who is worthy to be praised; so shall I be saved from my enemies.
4 ULB Namatotra ahy ireo tadin'ny fahafatesana, ary ireo onjan'ny faharatsiana no nandrendrika ahy. BSB BSB: The cords of death encompassed me; the torrents of chaos overwhelmed me.
5 ULB Namatotra ahy ireo tadin'i fiainan-tsy hita; namandrika ahy ny fandriky ny fahafatesana. BSB BSB: The cords of Sheol entangled me; the snares of death confronted me.
6 ULB Niantso an'i Yaveh aho tao anatin'ny fahoriako; niantso vonjy tamin'ny Andriamanitro ah. Henony ny feoko avy tao amin'ny tempoliny; ny vonjiko dia tonga teo anatrehany; tonga tao an-tsofiny izany. BSB BSB: In my distress I called upon the LORD; I cried to my God for help. From His temple He heard my voice, and my cry for His help reached His ears.
7 ULB Ary nihovitra sy nihorohoro ny tany; nihorohoro sy nihovitrovitra ihany koa ny fototr'ireo tendrombohitra satria tezitra Andriamanitra. BSB BSB: Then the earth shook and quaked, and the foundations of the mountains trembled; they were shaken because He burned with anger.
8 ULB Niakatra ny sekotra avy tao amin'ny lavakoriny, ary afo midedadeda no nivoaka ny vavany. Nirehitra tamin'izany ny vain'afo. BSB BSB: Smoke rose from His nostrils, and consuming fire came from His mouth; glowing coals blazed forth.
9 ULB Nosokafany ny lanitra ary nidina izy, ary teo ambanin'ny tongony ny haizina matevina. BSB BSB: He parted the heavens and came down with dark clouds beneath His feet.
10 ULB Nitaingina kerobima Izy ary nanidina; nisosa teny amin'ny elatry ny rivotra Izy. BSB BSB: He mounted a cherub and flew; He soared on the wings of the wind.
11 ULB Nataony trano lay nanodidina azy ny haizina, ireo raho-mainty teny an-danitra. BSB BSB: He made darkness His hiding place, and storm clouds a canopy around Him.
12 ULB Nilatsaka avy teny amin'ny tselatra teo anoloany ny havandra sy vain'afo. BSB BSB: From the brightness of His presence His clouds advanced—hailstones and coals of fire.
13 ULB Nikotroka teny an-danitra Yaveh! Nihiaka ny feon'ny Avo Indrindra. BSB BSB: The LORD thundered from heaven; the voice of the Most High resounded—hailstones and coals of fire.
14 ULB Nandefa ny zana-tsipikany izy ary nampiparitaka ireo fahavalony; tselatra maro no nanaparitaka azy ireo. BSB BSB: He shot His arrows and scattered the foes; He hurled lightning and routed them.
15 ULB Avy eo dia nipoitra ireo fantson-drano; ireo fanambanin'izao tontolo izao dia nipotra tamin'ny hikam-piadianao, ry Yaveh-tamin'ny fipoaky ny fofon'ain'ny lavakoronao. BSB BSB: The channels of the sea appeared, and the foundations of the world were exposed, at Your rebuke, O LORD, at the blast of the breath of Your nostrils.
16 ULB Naninjitra ny tanany avy any ambony Izy; nandray ahy Izy! Nisintona ahy avy tao amin'ny rano manonja Izy. BSB BSB: He reached down from on high and took hold of me; He drew me out of deep waters.
17 ULB Nanavotra ahy tamin'ny fahavaloko matanjaka Izy, tamin'ireo izay nankahala ahy, satria mafy loatra ho ahy izy ireo. BSB BSB: He rescued me from my powerful enemy, from foes too mighty for me.
18 ULB Tonga nanohitra ahy izy ireo tamin'ny androm-pahoriako fa Yaveh no nanohana ahy! BSB BSB: They confronted me in my day of calamity, but the LORD was my support.
19 ULB Nanafaka ahy teny amin'ny toerana malalaka Izy; namonjy ahy Izy satria nahafinaritra Azy aho. BSB BSB: He brought me out into the open; He rescued me because He delighted in me.
20 ULB Nanome valisoa ahy Yaveh nohon'ny fahamarinako; manarina ahy Izy satria nadio ny tanako. BSB BSB: The LORD has rewarded me according to my righteousness; He has repaid me according to the cleanness of my hands.
21 ULB Fa izaho efa nitandrina ireo didin'i Yaveh ary tay nivadika ratsy fanahy tamin'ny Andriamanitro. BSB BSB: For I have kept the ways of the LORD and have not wickedly departed from my God.
22 ULB Fa efa teo anoloako ireo lalàny marina rehetra; raha ny amin'ireo didiny, dia mbola tsy nivadika tamin'ireo aho. BSB BSB: For all His ordinances are before me; I have not disregarded His statutes.
23 ULB Izaho ihany koa dia tsy nanan-tsiny teo anatrehany, ary nitandrina ny tenako tamin'ny fahotana aho. BSB BSB: And I have been blameless before Him and kept myself from iniquity.
24 ULB Noho izany dia namelona ahy indray Yaveh nohon'ny fahamarinako, satria nadio teo imasony ny tanako. BSB BSB: So the LORD has repaid me according to my righteousness, according to the cleanness of my hands in His sight.
25 ULB Izay mahatoky. dia ampisehoanao fahatokisana; ny olona izay tsy misy tsiny, dia ampisehoanao tsy fananan-tsiny. BSB BSB: To the faithful You show Yourself faithful, to the blameless You show Yourself blameless;
26 ULB Ny olona izay madio, dia ampisehoanao fahadiovana; fa Ianao dia mahira-tsaina amin'izay ratsy fanahy. BSB BSB: to the pure You show Yourself pure, but to the crooked You show Yourself shrewd.
27 ULB Fa Ianao manavotra ireo olona ory, ary manambany ireo izay mirehareha! BSB BSB: For You save an afflicted people, but You humble those with haughty eyes.
28 ULB Fa Ianao mandrehitra ny jiroko; manazava ny haiziko Yaveh Andriamanitro. BSB BSB: For You, O LORD, light my lamp; my God lights up my darkness.
29 ULB Fa amin'ny alalanao no ahafahako mihazakazaka ambonin'ny sakana; amin'ny alalan'ny Andriamanitro no ahafahako mandingana rindrina. BSB BSB: For in You I can charge an army, and with my God I can scale a wall.
30 ULB Raha ny amin'Andriamanitra: tonga lafatra ny lalany. Ny tenin'i Yaveh dia madio! Ampingan'izay rehetra mialoka ao aminy Izy. BSB BSB: As for God, His way is perfect; the word of the LORD is flawless. He is a shield to all who take refuge in Him.
31 ULB Fa iza no Andriamanitra ankoatr'i Yaveh? Fa iza no harambato ankoatr'i Yaveh? BSB BSB: For who is God besides the LORD? And who is the Rock except our God?
32 ULB Andriamanitra no mametraka hery amiko toy ny fehin-kibo, izay mametraka ny olona tsy misy tsiny eo amin'ny lalany. BSB BSB: It is God who arms me with strength and makes my way clear.
33 ULB Ataony haingam-pandeha toy ny diera ny tongotro ary mametraka ahy eny amin'ireo toerana avo! BSB BSB: He makes my feet like those of a deer and stations me upon the heights.
34 ULB Manazatra ny tanako ho amin'ny ady izy ary ny sandriko hamoritra ny tsipìka varahina. BSB BSB: He trains my hands for battle; my arms can bend a bow of bronze.
35 ULB Efa nomenao ahy ny ampingan'ny famonjenao. Efa nanohana ahy ny tananao ankavanana, ary ny fankasitrahanao dia naha-lehibe ahy. BSB BSB: You have given me Your shield of salvation; Your right hand upholds me, and Your gentleness exalts me.
36 ULB Efa nanao toerana malalaka eo ambaniko ho an'ny tongotro Ianao mba tsy hampibolisatra ny tongotro. BSB BSB: You broaden the path beneath me so that my ankles do not give way.
37 ULB Nanenjika ireo fahavaloko aho ary nahatratra azy ireo; tsy niverina aho nandra-paharava azy ireo. BSB BSB: I pursued my enemies and overtook them; I did not turn back until they were consumed.
38 ULB Nopotehiko izy ireo mba tsy ahafahany miharina; efa lavo tao ambanin'ny tongotro izy ireo. BSB BSB: I crushed them so they could not rise; they have fallen under my feet.
39 ULB Fa ianao nametraka hery tamiko toy ny fehin-kibo ho amin'ny ady; nataonao ambaniko ireo izay nitsangana hanohitra ahy. BSB BSB: You have armed me with strength for battle; You have subdued my foes beneath me.
40 ULB Nampiamboho ny vozon'ireo fahavaloko ho ahy Ianao; noringaniko ireo izay nankahala ahy. BSB BSB: You have made my enemies retreat before me; I destroyed those who hated me.
41 ULB Niantso vonjy izy ireo, saingy tsy nisy nanavotra azy ireo; niantso an'i Yaveh izy ireo. saingy tsy novaliany. BSB BSB: They cried for help, but there was no one to save them—to the LORD, but He did not answer.
42 ULB Notorotoroko madinika toy ny vovoka anoloan'ny rivotra izy ireo; nariako toy ny fotaka any an-dalana izy ireo. BSB BSB: I ground them as dust in the face of the wind; I trampled them like mud in the streets.
43 ULB Nanavotra ahy tamin'ny fifamalian'ny olona Ianao. Nataonao lohan'ireo firenena aho. Manompo ahy ireo olona tsy fantatro. BSB BSB: You have delivered me from the strife of the people; You have made me the head of nations; a people I had not known shall serve me.
44 ULB Raha vao nandre ahy izy ireo, dia nankatoa ahy; voatery niondrika teo anatrehako ireo mpivahiny. BSB BSB: When they hear me, they obey me; foreigners cower before me.
45 ULB Tonga am-pihorohoroana avy ao amin'ny fiarovana mafin'izy ireo ny mpivahiny. BSB BSB: Foreigners lose heart and come trembling from their strongholds.
46 ULB Velona Yaveh; ho deraina anie ny orimbatoko. Ho asandratra anie ny Andriamanitry ny famonjena. BSB BSB: The LORD lives, and blessed be my Rock! And may the God of my salvation be exalted—
47 ULB Izy ilay Andriamanitra izay namaly faty ho ahy, izay nanolotra ireo firenena ho ambaniko. BSB BSB: the God who avenges me and subdues nations beneath me,
48 ULB Afaka tamin'ireo fahavaloko aho! Eny tokoa, nampiakarinao ambonin'ireo izay nijoro hanohitra ahy ahy! Navotanao tamin'ireo lehilahy mahery fihetsika aho. BSB BSB: who delivers me from my enemies. You exalt me above my foes; You rescue me from violent men.
49 ULB Noho izany dia hanome fisaorana ho anao, amin'ireo firenena aho, ry Yaveh; hihira fiderana ho an'ny anaranao aho! BSB BSB: Therefore I will praise You, O LORD, among the nations; I will sing praises to Your name.
50 ULB Andriamanitra dia nanome fandresena lehibe ho an'ny mpanjakany, ary nampiseho ny fifanekem-pitokiana tamin'ilay voahosony, tamin'i Davida sy ireo taranany rahatrizay. BSB BSB: Great salvation He brings to His king. He shows loving devotion to His anointed, to David and his descendants forever.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.