1 ULB Ho Anao, ry Yaveh, no anandratako ny aiko! BSB BSB: Of David. To You, O LORD, I lift up my soul;
2 ULB Andriamanitro o, matoky Anao aho. Aza avela ho menatra aho; aza avela hifaly amim-pandresena amiko ireo fahavaloko. BSB BSB: in You, my God, I trust. Do not let me be put to shame; do not let my enemies exult over me.
3 ULB Tsy hisy ho afa-baraka anie ny olona izay manantena Anao, ireo ho menatra ireo izay mamitaka tsy amin'ny antony! BSB BSB: Surely none who wait for You will be put to shame; but those who engage in treachery without cause will be disgraced.
4 ULB Ampahafantaro ahy ireo lalanao, ry Yaveh; ampianaro ahy ireo lalanao. BSB BSB: Show me Your ways, O LORD; teach me Your paths.
5 ULB Tariho ho ao amin'ny fahamarinanao aho ary ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; manantena Anao mandritra ny andro aho. BSB BSB: Guide me in Your truth and teach me, for You are the God of my salvation; all day long I wait for You.
6 ULB Tsarovy, ry Yaveh, ireo asa fangorahanao sy fanekenao mahatoky; fa efa nisy mandrakariva ireo. BSB BSB: Remember, O LORD, Your compassion and loving devotion, for they are from age to age.
7 ULB Aza mihevitra ireo fahotan'ny fahatanorako na ny fikomiako; Tsarovy amin'ny fanekena mahatoky noho ny fahatsaranao aho, ry Yaveh! BSB BSB: Remember not the sins of my youth, nor my rebellious acts; remember me according to Your loving devotion, because of Your goodness, O LORD.
8 ULB Tsara sy mahitsy i Yaveh; ka mampianatra ireo mpanota ny lalana Izy. BSB BSB: Good and upright is the LORD; therefore He shows sinners the way.
9 ULB Mitarika ny manetry tena amin'izay marina Izy ary mampianatra azy ireo ny lalany. BSB BSB: He guides the humble in what is right and teaches them His way.
10 ULB Ireo lalan'i Yaveh rehetra dia fitiavana maharitra sy fahatokiana ho an'ireo izay mitandrina ny fanekeny sy ireo didiny mafy. BSB BSB: All the LORD’s ways are loving and faithful to those who keep His covenant and His decrees.
11 ULB Fa noho ny anaranao, ry Yaveh, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany. BSB BSB: For the sake of Your name, O LORD, forgive my iniquity, for it is great.
12 ULB Iza no olona matahotra an'i Yaveh? Ny Tompo no hanoro azy ny lalana izay tokony hosafidiany. BSB BSB: Who is the man who fears the LORD? He will instruct him in the path chosen for him.
13 ULB Ny fiainany dia ho ao amin'ny fahatsarana; ary ireo taranany handova ny tany. BSB BSB: His soul will dwell in prosperity, and his descendants will inherit the land.
14 ULB Ny finamanana amin'i Yaveh dia ho an'ireo izay manome voninahitra Azy, ary mampahafantatra ny fanekeny amin'izy ireo Izy. BSB BSB: The LORD confides in those who fear Him, and reveals His covenant to them.
15 ULB Amin'i Yaveh mandrakariva ny masoko, ka hanafaka ny tongotro amin'ny harato Izy. BSB BSB: My eyes are always on the LORD, for He will free my feet from the mesh.
16 ULB Mitodiha amiko ary mamindra fo amiko; fa irery sy ory aho. BSB BSB: Turn to me and be gracious, for I am lonely and afflicted.
17 ULB Mihitatra ireo fahorian'ny foko; esory ao amin'ny fahoriako aho! BSB BSB: The troubles of my heart increase; free me from my distress.
18 ULB Jereo ny fahoriako sy ireo fisasarako; mamelà ny fahotako rehetra. BSB BSB: Consider my affliction and trouble, and take away all my sins.
19 ULB Jereo ireo fahavaloko, fa maro izy ireo; mankahala ahy amim-pankahalana lozabe izy ireo. BSB BSB: Consider my enemies, for they are many, and they hate me with vicious hatred.
20 ULB Arovy ny aiko ka avoty aho; aza avela ho menatra aho, fa mialoka Aminao! BSB BSB: Guard my soul and deliver me; let me not be put to shame, for I take refuge in You.
21 ULB Hiaro ahy anie ny tsy fivadihana sy ny fahitsiana, fa manantena Anao aho. BSB BSB: May integrity and uprightness preserve me, because I wait for You.
22 ULB Avoty amin'ny fahoriany rehetra ny Israely, Andriamanitra o! BSB BSB: Redeem Israel, O God, from all its distress.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.