1 ULB Yaveh no fahazavako sy famonjeko; iza no hatahorako? Yaveh no fialofan'ny aiko; iza no tokony hatahorako? BSB BSB: Of David. The LORD is my light and my salvation—whom shall I fear? The LORD is the stronghold of my life—whom shall I dread?
2 ULB Raha manatona handrotika ny nofoko ireo mpanao ratsy, ireo mpandrafy ahy sy ireo fahavaloko dia tafitohina ka lavo. BSB BSB: When the wicked came upon me to devour my flesh, my enemies and foes stumbled and fell.
3 ULB Na dia misy tafika mitoby hanohitra ahy aza, dia tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady hanohitra ahy, na amin'izany aza dia mbola hijanona mahatoky aho. BSB BSB: Though an army encamps around me, my heart will not fear; though a war breaks out against me, I will keep my trust.
4 ULB Zavatra iray no nangatahiko tamin'i Yaveh, ary hitady iznay aho: mba hahafahako mitoetra ao an-tranon'i Yaveh mandritra ny andro rehetra iainako, mba hahita ny fahatsaran'i Yaveh sy ny hisaintsaina ao an-tempoliny. BSB BSB: One thing I have asked of the LORD; this is what I desire: to dwell in the house of the LORD all the days of my life, to gaze on the beauty of the LORD and seek Him in His temple.
5 ULB Fa amin'ny andron'ny fahoriako dia hanafina ahy eo amin'ny fialofany Izy; eo amin'ny rakotry ny lainy no hanafenany ahy. Hampiakatra ahy ho eny amin'ny vatolampy Izy! BSB BSB: For in the day of trouble He will hide me in His shelter; He will conceal me under the cover of His tent; He will set me high upon a rock.
6 ULB Ary ny lohako dia hisandratra eo ambonin'ireo fahavaloko manodidina ahy rehatra, hanolotra ireo fanati-pisorom-pifaliana ao an-dainy aho! Hihira sy hanao hira ho an'i Yaveh aho! BSB BSB: Then my head will be held high above my enemies around me. At His tabernacle I will offer sacrifices with shouts of joy; I will sing and make music to the LORD.
7 ULB Mihainoa ny feoko, ry Yaveh, rehefa miantso mafy aho! Manindrà fo amiko, ary valio aho! BSB BSB: Hear, O LORD, my voice when I call; be merciful and answer me.
8 ULB Miteny momba anao ny foko hoe: "Tadiavo ny tavany!" Mitady ny tavanao aho, ry Yaveh! BSB BSB: My heart said, “Seek His face.” Your face, O LORD, I will seek.
9 ULB Aza manafina ny tavanao amiko; aza mamily ny mpanomponao am-pahatezerana! Ianao no efa nanampy ahy; aza mahafoy na mandao ahy, ry Andriamanitry ny famonjeko! BSB BSB: Hide not Your face from me, nor turn away Your servant in anger. You have been my helper; do not leave me or forsake me, O God of my salvation.
10 ULB Fa na mahafoy ahy aza ny raiko sy ny reniko, Yaveh no handray ahy. BSB BSB: Though my father and mother forsake me, the LORD will receive me.
11 ULB Ampianaro ahy ny lalanao, ry Yaveh! Tariho amin'ny lalana marina aho noho ireo fahavaloko. BSB BSB: Teach me Your way, O LORD, and lead me on a level path, because of my oppressors.
12 ULB Aza manary ahy ho amin'ny fanirian'ireo fahavaloko, fa ireo vavolombelona sandoka mitsangana hanohitra ahy, ary miaina herisetra izy ireo! BSB BSB: Do not hand me over to the will of my foes, for false witnesses rise up against me, breathing out violence.
13 ULB Inona no nanjo ahy raha tsy nino aho fa izaho dia hahita ny fahatsaran'i Yaveh eo amin'ny tany honenana? BSB BSB: Still I am certain to see the goodness of the LORD in the land of the living.
14 ULB Miandrasa an'i Yaveh; ary matanjaha, aoka ny fonao hahery! Miandrasa an'i Yaveh! BSB BSB: Wait patiently for the LORD; be strong and courageous. Wait patiently for the LORD!
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.