1 ULB Niandry tamim-paharetana an'i Yaveh aho; nihaino ahy Izy ary nandre ny tarainako. BSB BSB: For the choirmaster. A Psalm of David. I waited patiently for the LORD; He inclined to me and heard my cry.
2 ULB Nitondra ahy hiakatra avy tao an-davaka mahatsiravina Izy, avy tao amin'ny fotaka mandrevo, ka nampijoro ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ary niaro ny diako. BSB BSB: He lifted me up from the pit of despair, out of the miry clay; He set my feet upon a rock, and made my footsteps firm.
3 ULB Nasiany hira vaovao teo imolotro, fiderana ho an'Andriamanitsika. Maro no hahita izany ka hanome voninahitra Azy sy hitoky amin'i Yaveh. BSB BSB: He put a new song in my mouth, a hymn of praise to our God. Many will see and fear and put their trust in the LORD.
4 ULB Sambatra ny olona izay manao an'i Yaveh ho tokiny sy tsy manome voninahitra ny mpirehareha na ireo izay mpivadika aminy ho amin'ny lainga. BSB BSB: Blessed is the man who has made the LORD his trust, who has not turned to the proud, nor to those who lapse into falsehood.
5 ULB Maro, ry Yaveh Andriamanitro, ireo asa mahagaga izay efa vitanao, ary tsy tambo isaina ny hevitrao momba anay; raha manambara sy milaza ireny aho, dia ho mihoatran'izay azo isaina ireny. BSB BSB: Many, O LORD my God, are the wonders You have done, and the plans You have for us—none can compare to You—if I proclaim and declare them, they are more than I can count.
6 ULB Tsy mankasitraka sorona na fanatitra Ianao, fa nanokatra ny sofiko; tsy mba nangataka fanatitra dorana na fanatitra noho ny ota Ianao. BSB BSB: Sacrifice and offering You did not desire, but my ears You have opened. Burnt offerings and sin offerings You did not require.
7 ULB Dia hoy aho hoe: "Indro, tonga aho; voasoratra ao amin'ny horonam-boky ny momba ahy. BSB BSB: Then I said, “Here I am, I have come—it is written about me in the scroll:
8 ULB Sitrako ny hanao ny sitra-ponao, Andriamanitro o; ato am-poko ny lalànao." BSB BSB: I delight to do Your will, O my God; Your law is within my heart.”
9 ULB Efa nanambara vaovao mahafalin'ny fahamarinanao tamin'ny fiangonan-dehibe aho; Yaveh o, fantatrao fa tsy nangina tamin'ny fanaovana izany ny molotro. BSB BSB: I proclaim righteousness in the great assembly; behold, I do not seal my lips, as You, O LORD, do know.
10 ULB Tsy nokoboniko tao am-poko ny fahamarinanao; efa namabarako ny fahatokianao sy ny famonjenao; tsy nokoboniko tamin'ny fiangonan-dehibe ny fanekem-pahatokianao sy ny fahamendreham-pitokianao. BSB BSB: I have not covered up Your righteousness in my heart; I have declared Your faithfulness and salvation; I have not concealed Your loving devotion and faithfulness from the great assembly.
11 ULB Aza manakana ny asam-pamindram-ponao tsy ho amiko, ry Yaveh; aoka ny fanekenao mahatoky sy ny fahamendreham-pitokianao hiaro ahy mandrakariva. BSB BSB: O LORD, do not withhold Your mercy from me; Your loving devotion and faithfulness will always guard me.
12 ULB Manodidina ahy ny korontana izay tsy tambo isaina; nahatratra ahy ireo heloko ka tsy afaka mahita na inona na inona intsony aho; betsaka noho ireo volo eo an-dohako ireo, ary reraka ny foko. BSB BSB: For evils without number surround me; my sins have overtaken me, so that I cannot see. They are more than the hairs of my head, and my heart has failed within me.
13 ULB Mifalia, ry Yaveh, amin'ny fanavotana ahy; faingàna hanampy ahy, ry Yaveh. BSB BSB: Be pleased, O LORD, to deliver me; hurry, O LORD, to help me.
14 ULB Aoka ho menatra sy ho diso fanantenana tanteraka izy ireo izay mikendry ny aiko mba haka izany. BSB BSB: May those who seek my life be ashamed and confounded; may those who wish me harm be repelled and humiliated.
15 ULB Aoka ho tohina noho ny fahafaham-barakany, ireo manao amiko hoe: "Ahah, ahah!" BSB BSB: May those who say to me, “Aha, aha!” be appalled at their own shame.
16 ULB Fa aoka hiravoravo sy hifaly aminao ireo rehetra mitady Anao; aoka ny rehetra tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: "Hoderaina anie Yaveh." BSB BSB: May all who seek You rejoice and be glad in You; may those who love Your salvation always say, “The LORD be magnified!”
17 ULB Mahantra sy ory aho; nefa mihevitra ny momba ahy ny Tompo. Ianao no famonjena ho ahy ary tonga amin'ny fanavotana ahy Ianao; aza mitaredretra, Andriamanitro o. BSB BSB: But I am poor and needy; may the Lord think of me. You are my helper and deliverer; O my God, do not delay.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.