1 ULB Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. Maskila. Renay tamin'ny sofinay, Andriamanitra o, nolazain'ireo razanay taminay ny asa nataonao tamin'ny andron'izy ireo, tamin'ny andro taloha. BSB BSB: For the choirmaster. A Maskil of the sons of Korah. We have heard with our ears, O God; our fathers have told us the work You did in their days, in the days of old.
2 ULB Noroahanao tamin'ny tananao ireo firenena, fa nampitoerinao ny vahoakanay; Nampahory ireo olona Ianao, fa naelinao tany amin'ny tany ny vahoakanay. BSB BSB: With Your hand You drove out the nations and planted our fathers there; You crushed the peoples and cast them out.
3 ULB Fa tsy azon'izy ireo mba ho fananany tamin'ny alalan'ny saban'izy ireo ihany ny tany, na ny sandrin'izy ireo manokana ary tsy nahavonjy azy ireo; nefa ny tanan-kavananao, ny sandrinao, ary ny fahazavan'ny tavanao, satria tsara tamin'izy ireo Ianao. BSB BSB: For it was not by their sword that they took the land; their arm did not bring them victory. It was by Your right hand, Your arm, and the light of Your face, because You favored them.
4 ULB Ry Andriamanitra, Ianao no mpanjakako; didio ny fandresena ho an'i Jakoba. BSB BSB: You are my King, O God, who ordains victories for Jacob.
5 ULB Amin'ny alalanao no hanindrianay ireo mpifanandrina aminay; amin'ny alalan'ny anaranao izahay no hanosihosy azy ireo, ireo izay mimitsangana hanohitra anay. BSB BSB: Through You we repel our foes; through Your name we trample our enemies.
6 ULB Fa tsy hitoky amin'ny tsipikako aho, na ny sabatro hanavotra ahy. BSB BSB: For I do not trust in my bow, nor does my sword save me.
7 ULB Fa efa nanavotra anay tamin'ireo mpiafanandrina aminay Ianao, ary nampahamenatra ireo nankahala anay. BSB BSB: For You save us from our enemies; You put those who hate us to shame.
8 ULB Ao amin'Andriamanitra no nanaovanay ny fireharehanay amin'ny andro lava rehetra, ary hanolotra fisaorana ho an'ny Anaranao mandrakizay izahay. Sela BSB BSB: In God we have boasted all day long, and Your name we will praise forever. Selah
9 ULB Fa ankehitriny efa nanary anay Ianao ka nitondra anay tamin'ny fahafam-baraka, ary tsy nivoaka niaraka tamin'ny tafikay Ianao. BSB BSB: But You have rejected and humbled us; You no longer go forth with our armies.
10 ULB Nampihemotra anay tamin'ireo mpifanandrina Ianao; ary ireo izay mankahala anay nandray ny harena ho azy ireo. BSB BSB: You have made us retreat from the foe, and those who hate us have plundered us.
11 ULB Nataonao tahaka ny ondry voalahatra ho fisakafo izahay ary naelinao teo amin'ireo firenena. BSB BSB: You have given us up as sheep to be devoured; You have scattered us among the nations.
12 ULB Mamarotra ny vahoakanao amin'ny tsy antony Ianao; tsy nampitombo ny harenao Ianao tamin'ny fanaovana izany. BSB BSB: You sell Your people for nothing; no profit do You gain from their sale.
13 ULB Manao anay ho fiteny mafy ho an'ireo namanay Ianao, naneso sy nananihany anay tamin'ireo manodidina anay. BSB BSB: You have made us a reproach to our neighbors, a mockery and derision to those around us.
14 ULB Manao anay ho faniratsirana eo amin'ireo firenena Ianao, ho loham-pangovitana eo amin'ireo olona. BSB BSB: You have made us a byword among the nations, a laughingstock among the peoples.
15 ULB Manoloana ahy andro lava rehetra ny fahafam-baraka, ary henatry ny tavako no mandrakotra ahy BSB BSB: All day long my disgrace is before me, and shame has covered my face,
16 ULB noho ny feony izay miteny mafy sy maniratsira ahy, noho ny fahavalo sy ny mpamaly faty. BSB BSB: at the voice of the scorner and reviler, because of the enemy, bent on revenge.
17 ULB Tonga aminay avokoa izany rehetra izany; nefa Ianao tsy adinonay na tsy nankatò ny fanekem-pihavananao. BSB BSB: All this has come upon us, though we have not forgotten You or betrayed Your covenant.
18 ULB Tsy niverin-dalana ny fonay; tsy niala tamin'ny lalanao ny dianay. BSB BSB: Our hearts have not turned back; our steps have not strayed from Your path.
19 ULB Nefa nanapaka mafy anay teo amin'ny toeran'ny amboadia Ianao ary nandrakotra anay tamin'ny aloky ny fahafatesana. BSB BSB: But You have crushed us in the lair of jackals; You have covered us with deepest darkness.
20 ULB Raha nanadino ny Anaran'Andriamanitra izahay na namelatra ny tananay tamin'andriamani-kafa, BSB BSB: If we had forgotten the name of our God or spread out our hands to a foreign god,
21 ULB moa tsy hitady izany ve Andriamanitra? Fa mahalala ny tsiambaratelon'ny fo Izy. BSB BSB: would not God have discovered, since He knows the secrets of the heart?
22 ULB Eny tokoa, noho ny Aminao no hamonoana anay amin'ny andro lava rehetra; heverina ho toy ny ondry ho amin'ny famonoana izahay BSB BSB: Yet for Your sake we face death all day long; we are considered as sheep to be slaughtered.
23 ULB Mifohaza, nahoana no mandrimandry ianao, Tompo o? Mitsangàna, aza manary maharitra anay. BSB BSB: Wake up, O Lord! Why are You sleeping? Arise! Do not reject us forever.
24 ULB Nahoana no dia manafina ny tavanao Ianao ary manadino ny fahorianay sy ny fampahoriana anay? BSB BSB: Why do You hide Your face and forget our affliction and oppression?
25 ULB Fa miempo anaty vovoka izahay; ireto vatanay mifikitra amin'ny tany. BSB BSB: For our soul has sunk to the dust; our bodies cling to the earth.
26 ULB Mitsangàna ho famonjena ary manavota anay noho ny amin'ny fanrekenao mahatoky. BSB BSB: Rise up; be our help! Redeem us on account of Your loving devotion.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.