1 ULB Henoy ny antsoko Aminao, ry Yaveh; hevero ireo fitarainako. BSB BSB: For the choirmaster, to be accompanied by flutes. A Psalm of David. Give ear to my words, O LORD; consider my groaning.
2 ULB Henoy ny feon'ny antsoko, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Aminao aho no mivavaka. BSB BSB: Attend to the sound of my cry, my King and my God, for to You I pray.
3 ULB Ry Yaveh, mandre ny tarainako Ianao amin'ny maraina; mitondra ny fiangaviako Aminao aho amin'ny maraina ary miandry manantena. BSB BSB: In the morning, O LORD, You hear my voice; at daybreak I lay my plea before You and wait in expectation.
4 ULB Andriamanitra tsy mankatoa ny ratsy tokoa Ianao; tsy ho vahininao ireo olon-dratsy. BSB BSB: For You are not a God who delights in wickedness; no evil can dwell with You.
5 ULB Ny mpiavonavona dia tsy hitsangana eo amin'ny fanatrehanao; halanao ireo izay manana fitondran-tena ratsy. BSB BSB: The boastful cannot stand in Your presence; You hate all workers of iniquity.
6 ULB Hamotika ireo mpandainga Ianao; Yaveh dia manao tsinontsinona ny herisetra sy ireo olona mpamitaka. BSB BSB: You destroy those who tell lies; the LORD abhors the man of bloodshed and deceit.
7 ULB Fa raha ny amiko, noho ny halebiazan'ny fanekenao mahatoky, dia ho avy ao an-tranonao Aho; amim-panajana no hiankohofako manoloana ny tempolinao masina. BSB BSB: But I will enter Your house by the abundance of Your loving devotion; in reverence I will bow down toward Your holy temple.
8 ULB Ry Tompoko, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ireo fahavaloko; ataovy mahitsy manoloana ahy ny lalanao. BSB BSB: Lead me, O LORD, in Your righteousness because of my enemies; make straight Your way before me.
9 ULB Fa tsy misy fahamarinana eo amin'ny vavan'izy ireo; ratsy ny ao anatin'izy ireo, fasana misokatra ny tendan'izy ireo; malefaka izy ireo amin'ny fiteniny. BSB BSB: For not a word they speak can be trusted; destruction lies within them. Their throats are open graves; their tongues practice deceit.
10 ULB Ambarao ho meloka izy ireo, ry Andriamanitra; aoka ho faharavan'izy ireo ny tetiny! Avohay amin'ireo fandikan-dalàny maro izy ireo, satria nikomy nanohitra Anao. BSB BSB: Declare them guilty, O God; let them fall by their own devices. Drive them out for their many transgressions, for they have rebelled against You.
11 ULB Fa aoka hifaly ireo rehetra izay mialoka Aminao; aoka izy ireo hihiaka am-pifaliana satria miaro azy ireo Ianao; aoka hifaly ao Aminao izy ireo, dia ireo izay tia ny anaranao. BSB BSB: But let all who take refuge in You rejoice; let them ever shout for joy. May You shelter them, that those who love Your name may rejoice in You.
12 ULB Fa hitahy ny marina Ianao, ry Yaveh; hiodidina azy ireo amin'ny sitraka toy ny amin'ny fiarovana Ianao. BSB BSB: For surely You, O LORD, bless the righteous; You surround them with the shield of Your favor.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.