Psalm 6 6 Psalms Book 1 Plateau Malagasy Unlocked Literal Bible 1 ULB Ry Yaveh, aza mibedy ahy amin'ny fahatezeranao na manafay ahy amin'ny fahaviniranao. BSB BSB: For the choirmaster. With stringed instruments, according to Sheminith. A Psalm of David. O LORD, do not rebuke me in Your anger or discipline me in Your wrath.
2 ULB Mamindrà fo amiko, ry Yaveh, fa osa aho; sitrano aho, ry Yaveh, fa mangovitra ireo taolako. BSB BSB: Be merciful to me, O LORD, for I am frail; heal me, O LORD, for my bones are in agony.
3 ULB Tena ory ihany koa ny fanahiko. Saingy Ianao, ry Yaveh—mandra-pahoviana no hitohizan'izany? BSB BSB: My soul is deeply distressed. How long, O LORD, how long?
4 ULB Miverena, ry Yaveh! vonjeo aho. Vonjeo nohon'ny famonjenao mahatoky aho! BSB BSB: Turn, O LORD, and deliver my soul; save me because of Your loving devotion.
5 ULB Fa tsy misy fahatsairovana Anao any amin'ny fahafatesana. Iza no hisaotra Anao any amin'ny fiainan-tsy hita? BSB BSB: For there is no mention of You in death; who can praise You from Sheol?
6 ULB Reraky ny sentoko aho. Kotsan-dranomaso ny fandriako isak'alina; manasa ny fandriako amin'ny ranomasoko aho. BSB BSB: I am weary from groaning; all night I flood my bed with weeping and drench my couch with tears.
7 ULB Lanin'alahelo ny masoko; tonga tsy manan-kery izy ireo noho ireo fahavaloko rehetra. BSB BSB: My eyes fail from grief; they grow dim because of all my foes.
8 ULB Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Yaveh efa nandre ny feon'ny fitomaniko. BSB BSB: Depart from me, all you workers of iniquity, for the LORD has heard my weeping.
9 ULB Efa nandre ny antsoko ho an'ny famindrampo i Yaveh; Efa nandray ny vavako i Yaveh. BSB BSB: The LORD has heard my cry for mercy; the LORD accepts my prayer.
10 ULB Ho menatra sy hikorontana tanteraka ny fahavaloko rehetra. Hitodika izy ireo ka ho ambanina tampoka. BSB BSB: All my enemies will be ashamed and dismayed; they will turn back in sudden disgrace.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.
Chapter complete
You’ve read Psalm 6
Make Opened yours A free account keeps your place, highlights and notes on every device. Add Plus to ask Study Help about Psalm 6, and keep Opened free for readers who can’t pay.