1 ULB Ry Yaveh Andriamanitro, mialoka ao Aminao aho! Afaho amin'ireo izay manenjika ahy aho, ary vonjeo. BSB BSB: A Shiggaion of David, which he sang to the LORD concerning the words of Cush, a Benjamite. O LORD my God, I take refuge in You; save me and deliver me from all my pursuers,
2 ULB Raha tsy izany, hoviravirain'ireo toy ny liona aho, rovidrovitiny tsy misy olona afaka hitondra fiarovana ho ahy. BSB BSB: or they will shred my soul like a lion and tear me to pieces with no one to rescue me.
3 ULB Ry Yaveh Andriamanitro, tsy mbola nanao izay nolazain'ireo fahavaloko ho nataoko mihintsy aho; tsy misy tsy fahamarinana eo amin'ny tanako. BSB BSB: O LORD my God, if I have done this, if injustice is on my hands,
4 ULB Tsy mbola nanao ratsy tamin'iza na iza tsara fihavanana tamiko aho, na nanisy ratsy izay nanohitra ahy amin'ny tsy misy antony. BSB BSB: if I have rewarded my ally with evil, if I have plundered my foe without cause,
5 ULB Raha tsy milaza ny marina aho dia aoka ny fahavaloko hanenjika ny aiko ary hisambotra izany; aoka izy hanitsaka ny vatako mbola velona amin'ny tany ary hapandry ny voninahitro amin'ny vovoka. Sela BSB BSB: then may my enemy pursue me and overtake me; may he trample me to the ground and leave my honor in the dust. Selah
6 ULB Mitsangàna, ry Yaveh, amin'ny fahatezeranao; mitsangàna manoloana ny fahatezeran'ireo fahavaloko; mifohaza hanampy ahy sy hanatanteraka ny didy marina izay efa nandidianao ho azy ireo. BSB BSB: Arise, O LORD, in Your anger; rise up against the fury of my enemies. Awake, my God, and ordain judgment.
7 ULB Miangona manodidina anao ireo firenena; alaivo indray ny toeranao marina eo amin'izy ireo. BSB BSB: Let the assembled peoples gather around You; take Your seat over them on high.
8 ULB Ry Yaveh, tsarao ireo firenena; hamarino aho, ry Yaveh, satria marina sy tsy manan-tsiny aho, ry Avo indrindra. BSB BSB: The LORD judges the peoples; vindicate me, O LORD, according to my righteousness and integrity.
9 ULB Aoka hifarana ny asa ratsin'ny ratsy fanahy. fa apetraho ireo olo-marina, ry Andriamanitra marina, izay mandinika ny fo sy ny eritreritra. BSB BSB: Put an end to the evil of the wicked, but establish the righteous, O righteous God who searches hearts and minds.
10 ULB Avy amin'Andriamanitra ny ampingako, ilay tokana izay mamonjy ny mahitsy am-po. BSB BSB: My shield is with God, who saves the upright in heart.
11 ULB Mpitsara marina Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra tezitra isan'andro. BSB BSB: God is a righteous judge and a God who feels indignation each day.
12 ULB Raha tsy mibebaka ny olona iray, handranitra ny sabany Andriamanitra ary hanomana ny tsipikany ho amin'ny ady. BSB BSB: If one does not repent, God will sharpen His sword; He has bent and strung His bow.
13 ULB Manomana ny fampiasana ireo fitaovam-piadina hanoherana azy Izy; ataony miredareda ireo zana-tsipikany voalambolambo. BSB BSB: He has prepared His deadly weapons; He ordains His arrows with fire.
14 ULB Saino ny momban'izay bevohokan'ny faharatsiana, izay manao tetika handravana, izay miteraka lainga hampidi-doza. BSB BSB: Behold, the wicked man travails with evil; he conceives trouble and births falsehood.
15 ULB Mandavaka fatsakana izy ary manalalaka izany ary latsaka ao amin'ny lavaka izay nataony izy. BSB BSB: He has dug a hole and hollowed it out; he has fallen into a pit of his own making.
16 ULB Miverina ao an-dohany ihany ireo fikasany hanimba, satria ny herisetrany dia mikorina ao an-dohany ihany. BSB BSB: His trouble recoils on himself, and his violence falls on his own head.
17 ULB Hisaotra an'i Yaveh noho ny fahamarinany aho; hihira fiderana ho an'i Yaveh Avo Indrindra aho. BSB BSB: I will thank the LORD for His righteousness and sing praise to the name of the LORD Most High.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.