1 ULB Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh, dia efa niteny sy niantso ny tany manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany. BSB BSB: A Psalm of Asaph. The Mighty One, God the LORD, speaks and summons the earth from where the sun rises to where it sets.
2 ULB Avy ao Ziona, ilay lafatra amin'ny hatsaran-tarehy, no nasehon'Andriamanitra. BSB BSB: From Zion, perfect in beauty, God shines forth.
3 ULB Ho avy ny Andriamanitsika ka tsy mba mangina; hisy afo mandevona eo anoloany, ary tafio-drivotra be no eo amin'ny manodidina Azy. BSB BSB: Our God approaches and will not be silent! Consuming fire precedes Him, and a tempest rages around Him.
4 ULB Miantso ny lanitra ambony sy ny tany Izy mba hahafahany mitsara ny vahoakany: BSB BSB: He summons the heavens above, and the earth, that He may judge His people:
5 ULB "Angony miaraka ho ety amiko ireo mahatoky Ahy, dia ireo izay efa nanao fanekena tamiko tamin'ny sorona." BSB BSB: “Gather to Me My saints, who made a covenant with Me by sacrifice.”
6 ULB Ny lanitra hanambara ny fahamarinany, fa Andriamanitra tenany mihitsy no mpitsara. Sela BSB BSB: And the heavens proclaim His righteousness, for God Himself is Judge. Selah
7 ULB Mihainoa, ry oloko, dia hiteny Aho, Izaho no Andriamanitra, ilay Andriamanitrareo. BSB BSB: “Hear, O My people, and I will speak, O Israel, and I will testify against you: I am God, your God.
8 ULB Tsy hananatra anao noho ireo soronao aho; manoloana ahy hatrany ireo fanatitrao ho dorana. BSB BSB: I do not rebuke you for your sacrifices, and your burnt offerings are ever before Me.
9 ULB Tsy haka ombilahy avy ao an-tranonao aho, na osilahy avy ao am-balanao. BSB BSB: I have no need for a bull from your stall or goats from your pens,
10 ULB Fa Ahy ny biby rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy rehetra eny amin'ny havoana an'arivony. BSB BSB: for every beast of the forest is Mine—the cattle on a thousand hills.
11 ULB Fantatro avokoa ny voro-manidin'ny tendrombohitra rehetra, ary Ahy ireo bibidia any an-tsaha. BSB BSB: I know every bird in the mountains, and the creatures of the field are Mine.
12 ULB Raha noana Aho, tsy mba hiteny aminao izany; fa Ahy ny tany, sy izay rehetra ao aminy. BSB BSB: If I were hungry, I would not tell you, for the world is Mine, and the fullness thereof.
13 ULB Moa hihinana ny nofon'ny ombilahy ve Aho na hisotro ny ràn'ny osy? BSB BSB: Do I eat the flesh of bulls, or drink the blood of goats?
14 ULB Atolory an'Andriamanitra ny sorom-pisaorana, ary efao amin'ny Avo Indrindra ireo voadinao. BSB BSB: Sacrifice a thank offering to God, and fulfill your vows to the Most High.
15 ULB Antsoy Aho amin'ny androm-pahoriana; dia hamonjy anao Aho, ary hanome voninahitra Ahy ianao. BSB BSB: Call upon Me in the day of trouble; I will deliver you, and you will honor Me.”
16 ULB Fa hoy kosa Andriamanitra amin'ny ratsy fanahy hoe: "Inona ho ataonao amin'ny fanambarana ireo lalàko, fa efa noraisinao ho eo am-bavanao ny BSB BSB: To the wicked, however, God says, “What right have you to recite My statutes and to bear My covenant on your lips?
17 ULB fanekeko, satria mankahala ny fananarana ianao ary manary ireo teniko? BSB BSB: For you hate My instruction and cast My words behind you.
18 ULB Rehefa mahita mpangalatra ianao, dia miray lopha aminy ianao; mandray anjara amin'nyireo izay mijangajanga ianao. BSB BSB: When you see a thief, you befriend him, and throw in your lot with adulterers.
19 ULB Atolotrao ho an'ny ratsy ny vavanao, ary ny lelanao maneho fitaka. BSB BSB: You unleash your mouth for evil and harness your tongue to deceit.
20 ULB Mipetraka ianao ary miteny manohitra ny rahalahinao; endrinkendrehinao ny zanaka lahin-dreninao. BSB BSB: You sit and malign your brother; you slander your own mother’s son.
21 ULB Efa nanao ireo zavatra rehetra ireo ianao, nefa nihazona ny fahanginana aho, sao dia nihevitra mantsy ianao fa olona mitovy amin'ny tenanao ihany Aho. Nefa hananatra anao aho ary hampiakatra, ho eo amin'ny tandrifin'ny masonao, ny zava-drehetra vitanao. BSB BSB: You have done these things, and I kept silent; you thought I was just like you. But now I rebuke you and accuse you to your face.
22 ULB Asio fiheverana tsara izany, ianao izay nanadino an'Andriamanitra, raha tsy izany dia hopotipotehiko ianao, ary tsy hisy ho avy hanampy anao! BSB BSB: Now consider this, you who forget God, lest I tear you to pieces, with no one to rescue you:
23 ULB Izay manolotra sorom-pihavanana no mankalaza Ahy, ary ho an'izay mikasa ny lalany ho amin'ny lala-marina no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra." BSB BSB: He who sacrifices a thank offering honors Me, and to him who rightly orders his way, I will show the salvation of God.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.