1 ULB Miandry an'Andriamanitra irery am-pahanginana aho; avy Aminy ny ny famonjeko. BSB BSB: For the choirmaster. According to Jeduthun. A Psalm of David. In God alone my soul finds rest; my salvation comes from Him.
2 ULB Izy irery no vatolampiko sy famonjeko; Izy no fiarovana avo ho ahy; tsy hangozohozo tokoa aho. BSB BSB: He alone is my rock and my salvation. He is my fortress; I will never be shaken.
3 ULB Mandra-pahoviana, ianareo rehetra, no hanafika olona, mba hahafahanareo mampihozohozo azy tahaka ny manda mirona na fefy mihozongozona? BSB BSB: How long will you threaten a man? Will all of you throw him down like a leaning wall or a tottering fence?
4 ULB Nihaona taminy irery izy ireo mba hampietry azy amin'ny fitoerany be voninahitra; tia miteny lainga izy ireo; mitsodrano azy amin'ny vavany izy ireo, nefa manozona azy any am-pony. Sela BSB BSB: They fully intend to cast him down from his lofty perch; they delight in lies; with their mouths they bless, but inwardly they curse. Selah
5 ULB Miandry am-pahanginana an'Andriamanitra irery ihany aho; fa mitoetra any Aminy ny fanantenako. BSB BSB: Rest in God alone, O my soul, for my hope comes from Him.
6 ULB Izy irery ihany no vatolampiko sy famonjena ho ahy; Izy no fiarovako avo; dia tsy hangozohozo aho. BSB BSB: He alone is my rock and my salvation; He is my fortress; I will not be shaken.
7 ULB Ao amin'Andriamanitra ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampin'ny heriko sy fialofako dia ao amin'Andriamanitra. BSB BSB: My salvation and my honor rest on God, my strong rock; my refuge is in God.
8 ULB Matokia Azy amin'ny fotoana rehetra, ianareo vahoaka; haidino eo anoloany ny fonareo; ary ho fialofantsika Andriamanitra. Fiatoana sy fiderana. BSB BSB: Trust in Him at all times, O people; pour out your hearts before Him. God is our refuge. Selah
9 ULB Tsy misy dikany tokoa ireo olona ambany, ary ireo olona ambony dia lainga; ho maivana eo amin'ireo mizana izy ireo; raha lanjaina miaraka, dia maivana noho ny tsy misy izy ireo. BSB BSB: Lowborn men are but a vapor; the exalted are but a lie. Weighed on the scale, they go up; together they are but a vapor.
10 ULB Aza matoky ny fampahoriana na fandrobana; ary manantena harena tsy misy dikany, satria hilanja ny vokany izy ireo; aza manankina ny fonao amin'izy ireo. BSB BSB: Place no trust in extortion or false hope in stolen goods. If your riches increase, do not set your heart upon them.
11 ULB Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, indroa no nandrenesako izao hoe: an'Andriamanitra ny hery. BSB BSB: God has spoken once; I have heard this twice: that power belongs to God,
12 ULB Anao ihany koa, ry Tompo, no fanekena mahatoky, fa Ianao no mamaly ny olona tsirairay avy amin'izay efa vitany. BSB BSB: and loving devotion to You, O Lord. For You will repay each man according to his deeds.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.