1 ULB Ao aminao, ry Yaveh, no hialofako; aza avelanao ho menatra mihitsy aho. BSB BSB: In You, O LORD, I have taken refuge; let me never be put to shame.
2 ULB Vonjeo aho ary aoka hitoetra tsy manan'ahiahy amin'ny fahamarinanao; atongilano amiko ny sofinao ka avoty aho. BSB BSB: In Your justice, rescue and deliver me; incline Your ear and save me.
3 ULB Meteza ho vatolampy fialofana ho ahy mba hahafahako mandeha; efa nanome baiko ny hanavotana ahy Ianao, fa Ianao no vatolampy sy batery fiarovana ho ahy. BSB BSB: Be my rock of refuge, where I can always go. Give the command to save me, for You are my rock and my fortress.
4 ULB Vonjeo aho, Andriamanitro o, amin'ny tanan'ny ratsy fanahy, amin'ny tanan'ny tsy marina sy lozabe. BSB BSB: Deliver me, O my God, from the hand of the wicked, from the grasp of the unjust and ruthless.
5 ULB Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Yaveh. Efa nitoky taminao foana aho hatramin'ny fony aho mbola zaza. BSB BSB: For You are my hope, O Lord GOD, my confidence from my youth.
6 ULB Ianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; Ianao no izy izay naka ahy avy tao an-kibon-dreniko; ho aminao hatrany ny derako. BSB BSB: I have leaned on You since birth; You pulled me from my mother’s womb. My praise is always for You.
7 ULB Fitaratra ho an'olona maro aho; Ianao no fialofako mafy. BSB BSB: I have become a portent to many, but You are my strong refuge.
8 ULB Ho feno fiderana Anao ny vavako, ny andro tontolo amin'ny voninahitrao. BSB BSB: My mouth is filled with Your praise and with Your splendor all day long.
9 ULB Aza manary ahyamin'ny fotoan'ny fahanterana; aza mahafoy ahy rehefa ketraka ny heriko. BSB BSB: Do not discard me in my old age; do not forsake me when my strength fails.
10 ULB Fa miresaka ny momba ahy ireo fahavaloko; ireo izay misoko ny aiko miara-miteti-dratsy. BSB BSB: For my enemies speak against me, and those who lie in wait for my life conspire,
11 ULB Hoy izy ireo hoe: "Nahafoy azy Andriamanitra; enjeho izy ary alao, fa tsy misy olona hanavotra azy." BSB BSB: saying, “God has forsaken him; pursue him and seize him, for there is no one to rescue him.”
12 ULB Andriamanitra o, aza manalavitra ahy; ry Andriamanitro, faingàna havanotra ahy. BSB BSB: Be not far from me, O God. Hurry, O my God, to help me.
13 ULB Aoka izy ireo ho menatra sy rava, ireo izay feno fankahalana amin'ny fiainako; aoka izy ireny ho rakotra latsa sy fahafam-baraka, ireo izay mitady ny faharatrako. BSB BSB: May the accusers of my soul be ashamed and consumed; may those who seek my harm be covered with scorn and disgrace.
14 ULB Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva Anao ary hidera Anao hatrany hatrany. BSB BSB: But I will always hope and will praise You more and more.
15 ULB Hilaza momban'ny fahamarinanao sy ny famonjenao tontolo andro ny vavako, na dia tsy takatro aza izany. BSB BSB: My mouth will declare Your righteousness and Your salvation all day long, though I cannot know their full measure.
16 ULB Ho avy aho amin'ireo asa maherin'ny Tompo Yaveh; hanonona ny fahamarinanao aho, ny Anao irery. BSB BSB: I will come in the strength of the Lord GOD; I will proclaim Your righteousness—Yours alone.
17 ULB Andriamanitra o, efa nampianatra ahy Ianao hatramin'ny fahatanorako; hatramin'izao aza dia manambara ireo asanao mahatalanjona aho. BSB BSB: O God, You have taught me from my youth, and to this day I proclaim Your marvelous deeds.
18 ULB Eny tokoa fa na dia antitra sy fotsy volo aza aho, Andriamanitra o, dia aza mahafoy ahy, satria efa nampahafantatra ny herinao tamin'ny taranaka mandimby aho, ny fahefanao tamin'izay rehetra ho avy. BSB BSB: Even when I am old and gray, do not forsake me, O God, until I proclaim Your power to the next generation, Your might to all who are to come.
19 ULB Ny fahamarinanao ihany koa, Andriamanitra o, dia tena avo; Ianao izay nanao zava-dehibe, Andriamanitra o, iza no tahaka Anao? BSB BSB: Your righteousness reaches to the heavens, O God, You who have done great things. Who, O God, is like You?
20 ULB Ianao izay nampiseho anay fahoriana mahery vaika maro no hamelona anay sy hampiakatra any avy amin'ny lalin'ny tany indray. BSB BSB: Though You have shown me many troubles and misfortunes, You will revive me once again. Even from the depths of the earth You will bring me back up.
21 ULB Hampitombo ny voninahitrao anie Ianao; mitodiha indray ka herezo aho. BSB BSB: You will increase my honor and comfort me once again.
22 ULB Hanolotra fisaorana ho Anao koa aho amin'ny lokanga noho ny fahamendreham-pitokianao, ry Andriamanitro; ho Anao no hihirako fiderana amin'ny lokanga, ry Ilay Masin'Israely. BSB BSB: So I will praise You with the harp for Your faithfulness, O my God; I will sing praise to You with the lyre, O Holy One of Israel.
23 ULB Hihoby ny molotro rehefa mihira fiderana ho Anao aho—na dia ny fanahiko aza, izay efa novonjenao. BSB BSB: When I sing praise to You my lips will shout for joy, along with my soul, which You have redeemed.
24 ULB Hilaza momban'ny fahamarinanao andro lava ny lelako; fa efa nomenarina izy ireo ary very hevitra, ireo izay nitady ny faharatrako BSB BSB: My tongue will indeed proclaim Your righteousness all day long, for those who seek my harm are disgraced and confounded.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.